Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Mitady ny Tonga Lafatra ve Aho?

Mitady ny Tonga Lafatra ve Aho?

 Raha ohatra ianao

  •   manantena hoe ho tsara be foana ny naotinao isaky ny fanadinana

  •   tsy mety hanandrana zavatra vaovao satria matahotra sao tsy ho vitanao ilay izy

  •   mihevitra hoe tsy tia anao daholo izay manakiana anao

 ... dia mety ho eny ny valin’ilay fanontaniana etsy ambony. Tsy mampaninona ve anefa izany?

 Inona no maha ratsy an’ilay izy?

 Tsy ratsy ny hoe miezaka manao izay tsara indrindra vitanao ianao. Hoy anefa ny boky Perfectionism​—What’s Bad About Being Too Good?: “Tsy mitovy ny hoe miezaka manao izay tsara indrindra vitanao, sy ny hoe miezaka mafy mba hanao zavatra tonga lafatra foana izay tsy ho vitanao mihitsy. Ho sahirana ianao raha mitady ny tonga lafatra satria tsy misy olombelona lavorary.”

 Hoy koa ny Baiboly: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.” (Mpitoriteny 7:20) Tsy lavorary ianao, dia mety tsy hahavita zavatra tsara be foana indraindray.

 Tsy eken’ny sainao ve izany? Diniho àry ireto hevitra efatra ireto. Ho hitanao amin’izy ireo hoe inona no mety ho vokany aminao raha mitady ny tonga lafatra ianao.

  1.   Ny fiheveranao ny tenanao. Te hanatratra tanjona ambony be ny olona mitady ny tonga lafatra. Ho diso fanantenana anefa izy ireo. “Tsy voatery hoe hahay be foana isika amin’ny zava-drehetra. Raha manambany ny tenantsika anefa isika isaky ny tsy mahavita zavatra tsara be, dia lasa tsy hatoky tena intsony. Vao mainka àry isika ho kivy be.”​—Alicia.

  2.   Ny fiheveranao ny torohevitra tsara omena anao. Mieritreritra ny olona mitady ny tonga lafatra hoe te hanimba ny lazany izay manoro hevitra azy. Hoy ny tovolahy atao hoe Jeremy: “Sosotra be aho rehefa ahitsin’ny olona. Raha mitady ny tonga lafatra ianao, dia tsy ho tsapanao mihitsy hoe voafetra ihany ny zavatra vitanao. Ho sarotra be aminao koa ny manaiky torohevitra.”

  3.   Ny fiheveranao ny hafa. Tia manakiana ny olona mitady ny tonga lafatra. Fa nahoana? Hoy i Anna, ankizivavy 18 taona: “Raha mitady ny tonga lafatra ianao, dia tianao raha mahavita zavatra tonga lafatra daholo koa ny olon-drehetra. Ho diso fanantenana anefa ianao, satria tsy hahavita an’izany foana ny olona.”

  4.   Ny fiheveran’ny hafa anao. Raha tianao hanao zavatra tsara be foana ny olona, dia aza gaga raha lasa tsy tian’izy ireo ianao. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Beth: “Mandreraka be ny miezaka hampifaly foana olona mitady ny tonga lafatra. Tsy misy te hiaraka amin’ny olona hoatr’izany mihitsy!”

 Inona anefa no azo atao?

 Hoy ny Baiboly: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Ny olona mahay mandanjalanja dia tsy manantena hoe hahavita zavatra tsara be foana izy na ny olon-kafa.

 “Efa be dia be mihitsy ny zavatra takin’ny olona amintsika. Vao mainka anefa hanampy trotraka an’izany isika raha mitady ny tonga lafatra.”​—Nyla.

 Hoy ny Baiboly: ‘Manetre tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao.’ (Mika 6:8) Manaiky ny olona manetry tena fa voafetra ihany ny zavatra mety ho vitany. Tsy manao zavatra tsy ho vitany mihitsy izy, na mandany fotoana be amin’izany.

 “Raha tiako hoe ho vitako tsara ny zavatra ampanaovina ahy, dia izay vitako ihany no ataoko, dia ataoko tsara ilay izy.”​—Hailey.

 Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo.” (Mpitoriteny 9:10) Tsy hoe rehefa tsy mitady ny tonga lafatra àry ny olona iray, dia lasa kamo. Tokony hazoto hiasa izy, saingy mila mahay mandanjalanja sy manetry tena.

 “Miezaka manao izay tsara indrindra vitako aho rehefa miasa. Fantatro hoe tsy ho tonga lafatra be ilay izy, nefa faly aho fa nanao izay azoko natao.”—Joshua.