Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hanampy Ahy Hifantoka Tsara?

Inona no Hanampy Ahy Hifantoka Tsara?

 Maninona aho no tsy mahavita mifantoka?

 “Nahavita namaky boky be dia be mihitsy aho taloha, nefa izao tsy hoatr’izany intsony. Vao lava be fotsiny ilay fehintsoratra dia efa mahakamo an’ahy ny mamaky azy.”​—Elaine.

 “Rehefa mijery video aho ka hitako hoe lava be ilay izy, dia arosorosoko haingana, amin’izay vetivety dia tapitra.”​—Miranda.

 “Na dia efa mifantoka tsara aza aho rehefa misy zavatra tena lehibe ataoko, nefa maneno ny telefaoniko, dia tsy mifantoka intsony aho fa lasa mieritreritra hoe ‘Iza izany?’”​—Jane.

 Mety hahatonga ny olona tsy hahavita hifantoka ve ny teknolojia? Misy miteny hoe: “Ie.” Izao no nosoratan’i Nicholas Carr, mpanoratra sady mpanolo-tsaina momba ny fitantanan-draharaha: “Vao mainka isika manazatra ny saintsika tsy hifantoka arakaraka ny ampiasantsika Internet. Vetivety kely mantsy isika dia mahazo fanazavana be dia be sady tena ilaina, nefa tsy mifantoka tsara amin’ilay izy akory.” a

 Fa maninona ianao no mety tsy hifantoka tsara rehefa mampiasa teknolojia? Diniho ange ireto e!

  •   Rehefa miresaka amin’olona. Hoy i Maria, ankizivavy 22 taona: “Na dia efa mifampiresaka amin’olona izao aza ny olona sasany, dia tsy mifantoka fa mbola mandefa hafatra ihany, na manao jeux, na mijery tambazotran-tserasera ao amin’ny telefaoniny.”

  •   Rehefa any am-pianarana. Hoy ny boky Digital Kids: “Milaza ny ankamaroan’ny mpianatra fa mampiasa ny fitaovana elektronikany ry zareo ao am-pianarana, dia mandefa hafatra, na mamaky sy mijerijery zavatra tsy misy ifandraisany amin’ny fianarana.”

  •   Rehefa mianatra any an-trano. Hoy i Chris, ankizilahy 22 taona: “Tsy vitako mihitsy izany hoe tsy hijery ny telefaoniko izany rehefa maneno ilay izy.” Raha mpianatra ianao, dia tadidio fa mety ho adiny telo na mahery vao ho vita ny devoara tokony ho vitanao ao anatin’ny adiny iray raha sady variana amin’ny fitaovana elektronika ianao.

 Tadidio izao: Raha manana fitaovana elektronika ianao ka tsy mahafehy tena rehefa mampiasa an’ilay izy na variana loatra eo, dia ho sarotra aminao ny hifantoka.

Hoatran’ny soavaly tsy mbola voafolaka ny sainao rehefa tsy mifantoka. Izy indray no mifehy anao fa tsy ianao

 Inona no hanampy ahy hifantoka kokoa?

  •   Rehefa miresaka amin’olona. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” (Filipianina 2:4) Henoy tsara ny olona miresaka aminao, amin’izay ho tsapany hoe zava-dehibe aminao ny zavatra lazainy. Jereo tsara koa izy rehefa miresaka ianareo, fa aza variana amin’ny fitaovana elektronika.

     “Aza maika hijery telefaonina rehefa mbola misy olona miresaka aminao. Manaja azy ianao raha mihaino tsara an’izay lazainy.”​—Thomas.

     SOSO-KEVITRA: Rehefa miresaka amin’olona ianao, dia ampirimo aloha ny telefaoninao. Milaza ny mpikaroka fa vao mahita an’ilay telefaonina fotsiny ianao, dia efa mety tsy hifantoka amin’ilay resaka. Tsy maintsy hanelingelina anareo foana mantsy ilay telefaonina.

  •   Rehefa any am-pianarana. Milaza ny Baiboly hoe: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.” (Lioka 8:18) Ahoana no azo ampiharana an’io toro lalana io? Na dia afaka mampiasa Internet aza ianao ao am-pianarana, dia mifantoha amin’ny zavatra ianaranareo, fa aza variana mijery hafatra, na manao jeux, na mifampiresaka amin’olona ao amin’ny Internet.

     “Miezaha hifantoka tsara rehefa any am-pianarana. Mandraisa naoty rehefa manazava lesona ny mpampianatra. Raha mety, dia mipetraha eny aloha, amin’izay ianao tsy ho variana amin’ny zavatra hafa.”​—Karen.

     SOSO-KEVITRA: Taratasy sy stylo ampiasaina rehefa mandray naoty, fa tsy ordinatera. Hita tamin’ny fanadihadiana fa tsy ho mora variana amin’ny zavatra hafa ianao raha manao an’izany, sady hahatadidy kokoa an’izay zavatra nianaranao.

  •   Rehefa mianatra any an-trano. Hoy ny Baiboly: “Miezaha hanana fahendrena, ary ataovy izay hananana fahiratan-tsaina.” (Ohabolana 4:5) Midika izany hoe mila mandalina tsara ianao, fa tsy hoe mianatra maimaika fotsiny satria te ho afa-panadinana.

     “Ataoko ‘mode avion’ ny tablette-ko rehefa mianatra aho, amin’izay aho mifantoka tsara. Tsy mijery an’izay hafatra tonga koa aho. Rehefa misy zavatra tiako hotadidina, dia tonga dia soratako ilay izy.”​—Chris.

     SOSO-KEVITRA: Ataovy madio sy milamina tsara ny toerana ianaranao. Esory izay zavatra tsy ilaina, amin’izay ianao mifantoka tsara.

a Nalaina tao amin’ilay boky hoe The Shallows​—What the Internet Is Doing to Our Brains.