Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Hafatra Vetaveta?

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Hafatra Vetaveta?

 Inona no atao hoe hafatra vetaveta?

 Tsy voatery ho SMS ihany ilay hoe hafatra vetaveta, fa mety ho sarin’olona miboridana na video vetaveta alefa amin’ny alalan’ny telefaonina koa. Hoy ny lehilahy iray: “Izany indray izao no be mpanao. Mifandefa hafatra aloha ry zareo, dia lasa mifandefa ny sariny miboridana avy eo.”

 Nahoana ny olona no mifandefa hafatra vetaveta? Milaza ny mpahay lalàna iray, ao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy), hoe amin’ny ankizy sasany “rehefa manana ny sarin’ny sipany miboridana ao amin’ny telefaoniny izy, dia mampiseho izany hoe zatra manao firaisana izy.” Misy ankizivavy aza milaza hoe “tsy maninona” ilay izy satria “tsy mahabevohoka sady tsy mamindra aretina.”

 Izao koa no mahatonga ny tanora hifandefa hafatra vetaveta:

  •   Mba hanadalana ny olona tiany hiarahana.

  •   Nandefasan’olona sary miboridana izy dia mieritreritra hoe tokony handefasany ny sariny miboridana koa ilay olona.

 Inona avy no maharatsy an’izany?

 Vao lasa ny sary nalefanao tamin’ny alalan’ny telefaonina, dia tsy misy azonao atao intsony fa izay anaovan’ny olona an’ilay izy any. Tsy misy azonao atao koa raha manimba ny lazanao ilay izy avy eo. Hoy i Amanda Lenhart, manam-pahaizana sady mpanoratra ao amin’ny Foibem-pikarohana Pew: “Tena tsotra be izao ny manaparitaka sy mitahiry ny zava-dratsy atao, ka azon’ny olon-kafa jerena.”

 Indraindray dia

  •    Mandefa sarin’ankizivavy miboridana any amin’ny namany rehetra ny ankizilahy sasany satria te hampifalifaly azy ireo.

  •    Te hamaly faty an’izay tovovavy nisaraka taminy ny ankizilahy ka aparitany any amin’olona ny sarin’ilay ankizivavy miboridana.

 FANTATRAO VE? Matetika izay mandefa sarin’olona miboridana no heverina ho toy ny olona mametaveta ankizy na olona manaparitaka sary vetaveta ampiasana ankizy. Nomelohina ho toy ny mpametaveta mihitsy aza ny ankizy tsy ampy taona sasany satria nandefa hafatra vetaveta.

 Inona no lazain’ny Baiboly?

 Milaza ny Baiboly fa mety tsara raha ny mpivady no manao firaisana. (Ohabolana 5:18) Mazava anefa ny lazainy momba ny firaisana eo amin’ny olona tsy mpivady. Diniho ireto andininy ireto:

  •   “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po, ... na fitondran-tena mahamenatra na resaka adaladala na vazivazy vetaveta.”—Efesianina 5:3, 4.

  •   “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana.”—Kolosianina 3:5.

 Hita amin’ireo andininy ireo fa tsy tokony ‘hijangajanga’ isika, izany hoe tsy tokony hanao firaisana amin’olona tsy vadintsika. Lazainy eo koa fa mila manalavitra ny “fahalotoana”, izany hoe izay fitondran-tena maloto rehetra, isika. Resahiny koa fa ratsy ny “filan’ny nofo.” Tsy fihetseham-po ara-dalàna tsapa amin’olona iray tianao ho lasa vadinao ny “filan’ny nofo”, fa faniriana tafahoatra mety hahatonga anao haloto fitondran-tena.

 Saintsaino izao:

  •   Nahoana no karazana “fahalotoana” ny mifandefa sary misy olona miboridana?

  •   Nahoana ny fanaovana an’izany no mampirongatra ny “filan’ny nofo”?

  •   Raha ohatra ianao ka te hijery na te hanaparitaka sary miboridana, nahoana izany no efa “fanirian-dratsy” sady mety hanimba?

 Vao mainka ianao tsy te hiherika hafatra vetaveta rehefa mijery an’ireto andinin-teny ireto:

  •   “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona.”—2 Timoty 2:15.

  •    “Olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra!”—2 Petera 3:11.

 Asehon’ireo andininy ireo hoe tsara ny vokany rehefa madio fitondran-tena ny olona iray. Tsy hatahotra izy hoe mety hanenina any aoriana any noho ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao.—Galatianina 6:7.

 Saintsaino izao:

  •    Olona manao ahoana aho?

  •    Mba mihevitra ny lazan’ny olon-kafa ve aho?

  •    Zavatra manala baraka olon-kafa ve no tiako hialana voly?

  •    Mety hanao ahoana ny lazako raha mandefa hafatra vetaveta aho?

  •    Mety mbola hatoky ahy ve ny ray aman-dreniko raha manao an’izany aho?

 TENA NISY “Nafenin’ny namako hoe niaraka tamin’ny ankizilahy iray izy. Nandefasany ny sariny miboridana ilay ankizilahy ary nandefasan’ilay ankizilahy ny sariny miboridana koa izy. Tsy ampy roa andro taorian’izay akory, dia nojeren’ny dadany ny telefaonin’ilay ankizivavy. Hitany daholo ny zavatra nifandefasan-dry zareo ka kivy be izy. Niaiky ny zavatra rehetra nataony ilay ankizivavy rehefa nifampiresaka ry zareo. Fantatro hoe manenina izy nefa tena kivy be ny ray aman-dreniny sady diso fanantenana taminy. Tsy mety matoky azy intsony ry zareo.”

 Zava-misy: Tsy manana ny hajany intsony izay mandefa sy mijery hafatra vetaveta. Nampirisihin’ny sipany handefa hafatra vetaveta tany aminy, ohatra, ny ankizivavy iray. Hoy izy taorian’izay: “Maharikoriko ahy ny tenako sady manenina be aho.”

 Hita avy amin’izany fa misy vokany eo aminao sy ny olon-kafa ny fandefasana hafatra vetaveta sady mety homelohin’ny lalàna. Aleo àry manaraka an’ireto torohevitry ny Baiboly ireto:

  •   “Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.”—2 Timoty 2:22.

  •   “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.”—Salamo 119:37.

 Inona no ho nataonao?

 Ampiharo ny torohevitry ny Baiboly. Vakio ity tenin’i Janet ity ary jereo hoe iza amin’ireo safidy etsy ambany no hitanao hoe mety indrindra.

 “Nisy ankizilahy hitako, indray mandeha, ary nifanome nomerao izahay. Tsy ampy herinandro taorian’izay, dia nasainy nandefa ny sariko manao kilaoty fitondra milomano aho.”—Janet.

 Inona no tokony hataon’i Janet? Raha ianao no teo amin’ny toerany, inona no ho nataonao?

  •  SAFIDY A Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy hitako izay olana amin’izany. Sady raha miaraka eny amoron-dranomasina koa ange izahay dia ho hitany amin’izany paozy izany ihany aho e!’

  •  SAFIDY B Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy haiko tsara izay tiany hahatongavana, fa aleo aloha izy handefasako ny sariko tsy tena miboridana be, dia ho hita eo ny tohiny.’

  •  SAFIDY D Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Ratsy saina be koa iny ankizilahy iny. Aleo hofafako ity hafatra ity!’

 Ilay safidy D no tsara e? Ny Baiboly rahateo milaza hoe: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”—Ohabolana 22:3.

 Inona no asehon’izany amintsika? Ny namana foana matetika no mahatonga ny olona hifandefa hafatra vetaveta sy hanao karazana fitondran-tena ratsy hafa. Mahay mifidy namana ve ianao? (Ohabolana 13:20) Hoy i Sarah: “Izay olona fantatrao hoe tsy milefitra amin’ny fitondran-tena ratsy ihany no ataovy namana.” Hoy koa ny ankizivavy atao hoe Delia: “Mody milaza hoe namanao ny olona sasany, nefa tsy ny hanampy anao ho hendry no ataony fa ny hahatonga anao haditra. Lasa voatarika hanao zavatra tsy eken’ny sainao ianao raha vao tsy mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ny fitondran-tenany. Dia izany ve no tianao?”