Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hangataka Andro?

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hangataka Andro?

Leo be ve ianao fa tsy vita ara-potoana foana ny raharahanao sy ny devoaranao? Tsy tokony hangataka andro intsony ianao. Hanampy anao tsy hangataka andro ity lahatsoratra ity, raha:

Rehefa voavakinao ity lahatsoratra ity, dia  jereo ireo fanontaniana momba ny fangatahana andro.

 Milaza ny voka-dratsin’ny fangatahana andro ny Baiboly. Hoy izy: “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.”​—Mpitoriteny 11:4.

 Diniho ny antony mety hahatonga an’ilay olana sy izay azonao atao mba tsy hangataka andro.

 Hoatran’ny tsy ho vitanao ilay asa.

 Sarotra be ny asa sasany ka alaim-panahy hangataka andro ianao. Inona àry no tokony hataonao? Ireto misy soso-kevitra:

  •   Tsinjarao ilay asa. Hoy i Melissa: “Asesiko tsirairay ny zavatra tokony hataoko, na dia efa tara aza. Izany no fomba hamitako azy.”

  •   Tonga dia atombohy ilay izy. Hoy i Vera: “Atombohy avy hatrany ilay izy. Efa manao izany ianao, na dia hoe mampiditra azy io ao amin’ny lisitry ny zavatra tokony hataonao fotsiny aza, na mandray an-tsoratra an’izay hevitra tonga ao an-tsainao, dieny mbola tsy hadino.”

  •   Mitadiava fanampiana. Mety ho efa niatrika olana toy ny anao ny ray aman-dreninao sy ny mpampianatra anao. Anontanio azy izay nataony tamin’izany. Mety ho afaka hanampy anao ry zareo, mba hahitanao ny fomba hamitana an’ilay izy.

 Soso-kevitra: “Manaova fandaharam-potoana. Mila mahay mandamin-javatra ianao, ary tokony ho vonona hanaraka an’ilay fandaharam-potoana. Ho vitanao ara-potoana izay tokony hataonao amin’izay.”—Abbey.

 Tsy te hanao an’ilay asa ianao.

 Ny asa tsy tianao indrindra no tsy maintsy ataonao matetika. Inona àry no azonao atao raha tsy mazoto hanao an’ilay asa ianao? Andramo izao:

  •   Eritrereto ny maha tsara ny hanaovana azy io aloha kokoa. Saintsaino, ohatra, ny hafalianao rehefa vitanao ilay izy. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Amy: “Tiako erỳ ny mahavita asa ara-potoana na alohan’ny fotoana. Mba afaka miala sasatra aho amin’izay.”

  •   Saintsaino izay ho vokany. Vao mainka hitombo ny adin-tsainao ary tsy hahavita zavatra ianao, raha mangataka andro. Hoy ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

  •   Eritrereto hoe efa akaiky ilay fotoana tokony hamitana azy. Hoy i Alicia: “Hitako fa manampy ny mieritreritra hoe tokony hovitaiko iray na roa andro alohan’ny fotoana tena tokony hahavitany ilay izy. Manam-potoana aho amin’izay mba hanamarinana raha mety tsara ilay izy, sady mbola manana iray na roa andro malalaka.”

 Soso-kevitra: “Miankina amin’ny toe-tsainao ihany io. Ataovy ao an-tsaina hoe hanao an’ilay zavatra tokony hataonao ianao, ary tsy hisy havelanao hanelingelina anao. Izany no manampy ahy hamita izay tokony hataoko.”​—Alexis.

 Be atao loatra ianao.

 Hoy i Nathan: “Matetika aho no antsoin’ny olona hoe mpangataka andro. Tsy mba eritreretin’izy ireo mihitsy hoe be atao be aho!” Hoatr’izany koa ve ianao? Andramo àry izao:

  •   Ny asa mora no ataovy aloha. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Amber: “Nisy nanoro hevitra ahy hoe tonga dia ataovy izay zavatra mety ho vita ao anatin’ny dimy minitra, ohatra hoe manadio, mampirina akanjo, manasa vilia, ary miantso an-telefaonina.”

  •   Izay zava-dehibe no ataovy aloha. Hoy ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Ahoana no hampiharanao an’izany? Hoy i Anna: “Ataoko lisitra ny asako rehetra sy ny daty tokony hamitako azy. Tsy hadinoko koa ny manoratra ny fotoana tiako hanombohana sy hamitana ny asa tsirairay.”

 Hoatran’ny maneritery anao ve izany? Fantaro fa rehefa manao fandaharam-potoana ianao, dia ianao no mifehy ny fotoananao fa tsy ny fotoana no mifehy anao. Tsy hiady saina loatra ianao amin’izay. Hoy i Kelly: “Tony aho sady hitako tsara izay tokony hataoko, rehefa voalamina tsara ny fandaharam-potoanako.”

  •   Aza avela hisy hanelingelina anao. Hoy i Jennifer: “Milaza amin’ny ao an-trano aho rehefa hanomboka asa iray. Raha misy tian-dry zareo hataoko, dia asaiko ampanaoviny ahy izany, alohan’ny hanombohako an’ilay asa. Vonoiko koa ny telefaoniko sy ny fanairana ao amin’ny e-mail.”

 Soso-kevitra: “Tsy ho vita mihitsy ilay asa raha tsy atao. Vitao ilay izy, dia tsy hieritreritra an’iny intsony ianao, fa hilamin-tsaina tsara mandra-paharivan’ny andro.”—Jordan.