Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?

Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?

 Ho vitanao ve ny tsy hijery sary vetaveta mihitsy?

 Tsy maintsy hahita sary vetaveta ianao, na ho ela na ho haingana, rehefa mampiasa Internet. Hoy i Hayley, ankizivavy 17 taona: “Tsy ianao intsony no mila mitady an’ilay izy, fa ilay izy no mitady anao.”

 Mety ho mbola halaim-panahy hijery sary vetaveta ihany, na dia ny olona efa tapa-kevitra ny tsy hijery an’izany aza. Hoy i Greg, 18 taona: ‘Hozy aho hoe izaho indray tena hitandrina tsara mihitsy. Nijery ihany anefa aho. Tsy misy afaka milaza mihitsy hoe: “Izaho indray aloha tsy ho tratran’izany e!”’

 Mora amin’izao ny mahita sary vetaveta fa tsy hoatran’ny taloha. Efa lasa fanaon’ny olona mantsy ny mandefa sary vetaveta amin’ny Internet na amin’ny telefaonina. Be dia be ny tanora manao an’izany, ary ny sariny mihitsy no alefany.

 Tsara eritreretina: Sarotra kokoa ny zavatra atrehinao fa tsy hoatran’ny nahazo ny dada sy mamanao na ny dadabe sy bebenao. Ho vitanao àry ve ny tsy hijery sary vetaveta mihitsy?—Salamo 97:10.

 Ho vitanao izany raha tena te hanao izany ianao. Tsy maintsy resy lahatra anefa aloha ianao hoe ratsy ny sary vetaveta. Hojerentsika àry hoe inona no lazain’ny olona momba azy io, ary inona no tena marina.

 Inona no lazain’ny olona, nefa inona no tena marina?

 Inona no lazain’ny olona? Tsy mampaninona ny mijery sary vetaveta.

 Inona ny tena marina? Mandoto ny sainao ny sary vetaveta, tsy misy hafa amin’ny sigara izay mandoto ny havokavoka. Manao tsinontsinona ny zavatra nataon’Andriamanitra hampifankatia ny mpivady sy hampaharitra ny fanambadiany ny sary vetaveta. (Genesisy 2:24) Mety tsy hiraharaha an’izay tsara sy ratsy intsony aza ianao rehefa mandeha ny fotoana. Milaza, ohatra, ny manam-pahaizana sasany fa raha zatra mijery sary vetaveta ny lehilahy, dia mety tsy hihontsina intsony amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy izy.

  Milaza ny Baiboly fa “efa tsy mahalala menatra intsony” ny olona sasany. (Efesianina 4:19) Lasa donto ny feon’ny fieritreretan’izy ireny, ka tsy manenjika azy intsony na dia manao zavatra ratsy aza izy.

 Inona no lazain’ny olona? Mampianatra anao momba ny firaisana ny sary vetaveta.

 Inona ny tena marina? Mahatonga anao ho tia tena sy hanana faniriana tsy mety afa-po ny sary vetaveta. Aseho amin’izy ireny mantsy fa hoatran’ny hoe fitaovana hahazoana fahafinaretana fotsiny ny olona. Tsy mahagaga àry raha nilaza ny mpanao fanadihadiana fa ny olona zatra mijery sary vetaveta, dia tsy azo inoana hoe ho afa-po rehefa manao firaisana amin’ny vadiny.

  Milaza ny Baiboly fa tokony hohalavirin’ny Kristianina ny “fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana.” (Kolosianina 3:5) Mampirisika ny olona hanao an’ireo zavatra ireo anefa ny sary vetaveta.

 Inona no lazain’ny olona? Menatra miresaka momba ny firaisana ny olona tsy tia mijery sary vetaveta.

 Inona ny tena marina? Tena manaja ny fiheveran’Andriamanitra ny firaisana ny olona tsy tia mijery sary vetaveta. Fanomezana nomen’Andriamanitra mantsy izy io, mba hahatonga ny mpivady hifankatia sy hampaharitra ny fanambadiany. Ny olona manaja ny hevitr’Andriamanitra momba ny firaisana àry, dia azo inoana hoe ho afa-po kokoa rehefa manao firaisana amin’ny vadiny.

  Tsy miolakolaka ny Baiboly rehefa miresaka momba ny firaisana. Manome torohevitra ho an’ny lehilahy manambady, ohatra, izy io hoe: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao ... Aoka ho safononoky ny fahafinaretana mandrakariva ianao noho ny fitiavany.”—Ohabolana 5:18, 19.

 Inona no hanampy anao tsy hijery sary vetaveta?

 Ahoana raha sarotra aminao ny manohitra ny fakam-panahy hijery sary vetaveta? Hanampy anao ilay fampiasana hoe “Inona no Hanampy Ahy Tsy Hijery Sary Vetaveta?

 Matokia fa afaka manohitra ny fakam-panahy hijery sary vetaveta ianao. Raha efa nijery koa anefa ianao, dia azonao atao ny miezaka tsy hijery intsony. Tsy ho matiantoka mihitsy ianao raha manao izany.

 Nilaza i Calvin fa nanomboka nijery sary vetaveta izy tamin’izy 13 taona teo ho eo. Hoy izy: “Fantatro hoe ratsy ilay izy, nefa tsy vitako mihitsy ny nifehy tena tsy hijery an’ilay izy. Manenina be mihitsy anefa aho isaky ny avy nijery. Tratran’ny dadanay aho tamin’ny farany. Maivamaivana erỳ aho satria nanampy ahy izy. Tena nila fanampiana mantsy aho.”

 Miezaka mafy tsy hijery sary vetaveta intsony i Calvin. Hoy izy: “Tena tsy nety mihitsy ny nataoko ary mbola mizaka ny vokany aho hatramin’izao. Mbola mitamberina ao an-tsaiko mantsy ireo sary hitako. Indraindray aza aho mbola alaim-panahy hieritreritra ihany hoe inona izao no mety ho hitako raha mijery an’ireny zavatra tsy tokony hojereko ireny aho. Miezaka mitadidy anefa aho hoe ho sambatra aho, hadio ny eritreritro, ary hamiratra ny hoaviko raha mankatò an’i Jehovah aho.”