Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Fa Maninona Aho no Tokony Handeha Hivory?

Fa Maninona Aho no Tokony Handeha Hivory?

 Mivory indroa isan-kerinandro any amin’ny toerana antsoina hoe Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Inona avy no atao mandritra an’ireny fivoriana ireny? Ary inona ny soa horaisinao raha manatrika an’ireny ianao?

 Inona no atao any amin’ny Efitrano Fanjakana?

 Toerana natokana hianarana Baiboly ny Efitrano Fanjakana. Rehefa mandeha mivory any ianao, dia:

  •   hianatra ny marina momba an’Andriamanitra.

  •   ho azonao hoe inona no dikan’ny zava-mitranga amin’izao.

  •   ho lasa tsara toetra kokoa.

  •    hahazo namana tsara.

 Fantatrao ve? Antsoina hoe Efitrano Fanjakana ny toerana ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah satria ny Fanjakan’Andriamanitra no tena resahina any.—Matio 6:9, 10; 24:14; Lioka 4:43.

 Nahoana ianao no mila mandeha mivory?

 Hanampy anao ny zavatra hianaranao any. Hanampy anao “hanana fahendrena” ny torohevitry ny Baiboly resahina mandritra ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Ohabolana 4:5) Afaka manampy anao handray fanapahan-kevitra tsara izany ny Baiboly. Hahita ny valin’ny fanontaniana lehibe momba ny fiainana koa ianao, ohatra hoe:

 Izao, ohatra, ny lohatenin’ny lahateny sasany atao any rehefa faran’ny herinandro:

  •   Nahoana Isika no Tokony Hanaraka ny Tari-dalan’ny Baiboly?

  •   Iza no Afaka Manampy Antsika Amin’ny Andro Mahory?

  •   Inona no efa Ataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho Antsika?

 “Nisy mpiara-mianatra aminay izay tonga nivory. Niara-nipetraka taminay izy dia nampianay mba haharaka tsara ny fivoriana. Notantarainy an’ahy avy eo hoe nahafinaritra an’azy ny nihaino ny valin-teny nomen’ny mpanatrika. Hozy koa hoe any amin-dry zareo, hono, tsy misy boky ianarana izany.”—Brenda.

 Fantatrao ve? Tsy misy vidim-pidirana any amin’ny Efitrano Fanjakana sady tsy misy fanantazan-drakitra.

 Mampahery ny olona any. Milaza ny Baiboly fa tokony hivory ny Kristianina mba “hifampahery.” (Hebreo 10:24, 25) Tia tena ny ankamaroan’ny olona amin’izao, nefa tsy hoatr’izany ny olona ho hitanao any. Mahafinaritra ny miaraka amin-dry zareo satria miezaka ny ho naman’Andriamanitra ry zareo sady tia manampy ny hafa.

 “Rehefa ilay feno be iny ny tontolo androko, dia reraka be aho amin’ny hariva na malahelo kely mihitsy aza. Afaka daholo anefa izany rehefa miresaka amin’ny olona any am-pivoriana aho. Falifaly aho avy eo rehefa mandeha mody, dia vonona kokoa hiatrika ny andro manaraka.”—Elisa.

 Fantatrao ve? Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 120 000 mahery maneran-tany. Toeram-pivoriana 60 000 mahery no ampiasain-dry zareo. Efitrano Fanjakana vaovao 1 500 eo ho eo no aorina isan-taona satria mitombo be ny isan’ny olona manatrika fivoriana. a

a Raha te hahita toeram-pivoriana ianao, dia mandehana ao amin’ilay hoe “Fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah” ary tsindrio ilay hoe “Mitadiava Toerana Akaiky Anao.”