Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Ahoana no Hataoko Rehefa Izaho no Diso?

Ahoana no Hataoko Rehefa Izaho no Diso?

 Ahoana no hataonao?

 Diniho ange izay nanjo an’i Karina e! Eritrereto hoe ianao no teo amin’ny toerany. Inona no mety ho nataonao?

 Hoy i Karina: “Nitondra aotomobilina mafy be aho indray mandeha, dia tratran’ny polisy. Nasainy nandoa lamandy aho. Saika torana aho tamin’izay! Notantaraiko an’ny neninay ilay izy dia hozy hoe mila miteny amin’i Dada koa aho. Izay mihitsy anefa ilay tsy tiako.”

  Ahoana no hataonao?

  1.  Safidy A: Tsy miteniteny sady manantena hoe tsy ho tratran’i Dada.

  2.  Safidy B: Hitsotra amin’i Dada an’izay rehetra nitranga.

 Angamba ianao te hanao an’ilay Safidy A, sady ny neninao koa mety hieritreritra hoe efa nifona tany amin’ny dadanao ianao. Tsara anefa raha tsorinao ny marina, na inona na inona tsy nety nataonao. Nahoana?

 Nahoana ianao no tokony hiaiky hoe diso?

  1.  1. Satria tsara ny milaza ny marina. Mampirisika ny Kristianina mba “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” mantsy ny Baiboly.—Hebreo 13:18.

     “Niezaka be aho mba hilaza ny marina foana, ka tonga dia hiaiky rehefa diso, ary ho vonona hizaka ny vokatry ny ataoko.”​—Alexis.

  2.  2. Satria mora amin’ny olona ny mamela ny fahadisoanao rehefa mitsotra ianao. Hoy ny Baiboly: “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.”—Ohabolana 28:13.

     “Ilana herim-po aloha ilay izy e, nefa lasa atokisan’ny olona ianao avy eo. Fantany mantsy fa tsy mandainga ianao. Na dia tsy nety aza ny nataonao, dia lasa misy vokany tsara ilay izy rehefa miaiky ianao fa diso.”​—Richard.

  3.  3. Satria mampifaly an’i Jehovah izany ary izay no tena zava-dehibe. Izao no lazain’ny Baiboly: “Maharikoriko an’i Jehovah ny olona fetsifetsy, fa ny olo-mahitsy kosa no manana fifandraisana akaiky aminy.”—Ohabolana 3:32.

     “Nanao fahadisoana be aho indray mandeha. Tonga saina aho tamin’izay hoe tokony hitsotra ny marina aho fa tsy hanafina. Fantatro fa tsy hotahin’i Jehovah mihitsy aho raha tsy manao an’izay.”​—Rachel.

 Ary inona kosa no nataon’i Karina? Nafeniny an’ny dadany ilay izy. Tratra ihany anefa izy tamin’ny farany! Hoy i Karina: “Nijery ny faktioranay i Dada herintaona tatỳ aoriana, ka hitany tao hoe nisy lamandy naloa tamin’ny anarako. Bedy be aho tamin’izay! Na i Neny aza tezitra hoe tsy nanaraka ny teniny aho.”

 Lesona: Hoy i Karina: “Vao mainka midi-kizo ianao raha manafina ny fahadisoanao. Mbola hipoitra mantsy ilay izy, dia amin’izay vao hovidinao lafo!”

 Mandraisa lesona

 Samy manao diso isika rehetra. (Romanina 3:23; 1 Jaona 1:8) Manetry tena sy matotra anefa ny olona iray raha tonga dia miaiky ny fahadisoany.

 Ataovy anatra ho amin’ny sisa iny avy eo, ary ny hoavy indray eritreretina. Tanora maro anefa no mbola mieritreritra foana an’izay tsy nety nataony. Hoy, ohatra, i Priscilla: “Kivy be foana aho rehefa avy nanao diso. Tsy zakako mihitsy ilay izy, satria hoatran’ny tsisy dikany izany no fiheverako ny tenako. Malahelo be aho, sady mieritreritra hoe inona intsony moa ny amiko!”

 Hoatr’izany koa ve no tsapanao indraindray? Ianao ve anefa izao raha mitondra aotomobilina, dia hifantoka be amin’ilay fitaratra fijerena ny any aoriana? Aza mifantoka be amin’izay tsy nety nataonao àry. Hahatsiaro tena ho tsy misy dikany fotsiny ianao raha izany, sady lasa tsy mahavita miatrika ny hoavy.

 Maninona raha mba mianatra mandanjalanja?

 “Tsara ny mieritreritra an’izay diso nataonao, dia mandray lesona amin’ilay izy, amin’izay ianao tsy mamerina intsony. Aza eritreretina be foana anefa ilay izy, sao ho kivy eo fotsiny ianao.”​—Elliot.

 “Rehefa diso aho, dia ataoko anatra ho amin’ny sisa ilay izy. Eritreretiko tsara fotsiny izay hatao amin’ny manaraka rehefa misy hoatran’iny indray. Sady ilaina koa izany raha te hihamatotra.”​—Vera.