Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Izaho ve dia Hofehifehezin’i Dada sy Neny Foana?

Izaho ve dia Hofehifehezin’i Dada sy Neny Foana?

 Mahatsapa ho voafehifehy loatra ve ianao ao an-trano? Miresaha àry amin’ny ray aman-dreninao. Hanampy anao hanao an’izany ity lahatsoratra ity sy ilay fampiasana miaraka aminy.

 Jereo izay mahatsara an’ilay izy

 Hevi-diso: Tsy misy mifehifehy anao izany intsony rehefa miala ao an-trano ianao!

 Inona no tena marina? Na efa tsy ao an-trano intsony aza ianao, dia tsy maintsy misy olona mifehy anao foana, ohatra hoe ny mpampiasa anao, ny tompon-tranonao, na ny fanjakana. Hoy i Danielle, 19 taona: “Raha tsy zatra mankatò ny dadany sy neniny ny ankizy iray, dia ho tena sahirana izy rehefa lehibe ka tsy ao an-trano intsony.”

 Hoy ny Baiboly: ‘Ankatoavy ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra.’ (Titosy 3:1) Raha zatra mankatò ny ray aman-dreninao ianao, dia tsy ho sahirana rehefa lehibe.

 Izao atao: Eritrereto hoe inona ny soa ho azonao raha zatra mankatò ray aman-dreny ianao. Hoy ny ankizilahy iray atao hoe Jeremy: “Lasa nahay nifidy namana sy nandamina fotoana aho, rehefa nanaraka ny tenin’ny dadanay sy neninay. Tsy lany fotoana be nijery tele na nilalao video koa aho, fa nanao zavatra hafa mahasoa kokoa. Mbola tiako foana ny manao an’ireny hatramin’izao.”

 Fidio tsara ny fotoana hiresahana amin’izy ireo, ary hajao izy

 Ary ahoana raha hoatran’ny tsy misy dikany ilay itenenan’ny ray aman-dreninao anao? Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Tamara: “Navelan’i Dada sy Neny nankany andafy aho, nefa tsy avelan-dry zareo mitondra fiara manketsy akaiky kely etsy. Miala 20 minitra avy eto aminay fotsiny anefa ilay tanàna tiako haleha.”

 Ahoana raha ataon’ny ray aman-dreninao hoatr’izany koa ianao? Tsara raha miresaka amin-dry zareo ianao. Tokony ho hainao tsara fotsiny hoe rahoviana ianao no hiresaka aminy, dia ahoana no hanaovanao an’izany.

 Rahoviana ianao no hiresaka aminy? Hoy ny tanora iray atao hoe Amanda: “Miezaha foana aloha manao izay rehetra lazain’ny dada sy neninareo, dia hatoky anao ry zareo. Amin’izay ianao vao afaka milaza amin-dry zareo hoe inona amin’ny zavatra tsy avelany hataonao no mafy be aminao.”

 Hoy koa ny ankizivavy iray atao hoe Daria: “Rehefa hitan’ny mamanay hoe nankatò foana aho, dia izay aho vao navelany hanao izay zavatra tiako sasany.” Tadidio fa tsy hoe lasa matoky anao ho azy akory ny ray aman-dreninao. Izay ataonao ihany no mahatonga azy ireo hatoky anao na tsia.

Raha tsy mety mankatò ray aman-dreny ny ankizy, dia hoatran’ny mpanamory fiaramanidina samy manao izay tiany rehefa midina eo amin’ny seranana

 Hoy ny Baiboly: “Ankatoavy ... ny didin-drainao, ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.” (Ohabolana 6:20) Araho io toro lalana io dia hatoky anao foana ny ray aman-dreninao. Amin’izay ianao vao afaka miresaka amin’izy ireo momba an’izay eritreretinao.

 Ahoana no hanaovanao an’izany? Hoy ny ankizilahy iray atao hoe Steven: “Aleo foana manaja sy tony rehefa miresaka amin’ny ray aman-dreny, toy izay mimenomenona na milelalela.”

 Hoy koa i Daria: “Rehefa miady amin’ny mamanay aho, dia tsy manaiky ny teniko mihitsy izy fa vao mainka aza mihenjana.”

 Hoy ny Baiboly: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.” (Ohabolana 29:11) Ilaina foana ny mianatra mifehy tena. Handray soa be dia be ianao amin’izay, tsy rehefa ao an-trano ihany, fa rehefa any am-pianarana koa, na any am-piasana, na any an-toeran-kafa.

 Izao atao: Mieritrereta tsara aloha vao miteny. Lasa mety tsy hatoky anao intsony indray mantsy ny ray aman-dreninao, raha tezitra be ianao rehefa miresaka aminy. Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe: “Ny olona tsy mora tezitra dia tena manana fahaiza-manavaka.”—Ohabolana 14:29.

 Soso-kevitra: Mety hampisaintsaina anao ilay fampiasana miaraka amin’ity lahatsoratra ity. Ifampiresaho amin’ny ray aman-dreninao ilay izy, raha ilaina.