Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hataoko mba Tsy Hieritreretako Zavatra Vetaveta?

Inona no Hataoko mba Tsy Hieritreretako Zavatra Vetaveta?

 “Tampotampoka eo aho dia lasa mieritreritra zavatra vetaveta, dia tsy afaka ao an-tsaiko mihitsy ilay izy. Hoatran’ny hoe olon-kafa no mibaiko ny saiko.”—Vera.

 “Hoatran’ny tsy ho vitako mihitsy izany hoe tsy hieritreritra zavatra vetaveta izany. Na ny manidina aza angamba mbola mora kokoa.”—John.

 Hoatran’ny an’i Vera sy John ve no tsapanao? Raha izany, dia afaka manampy anao ity lahatsoratra ity.

 Nahoana no tsy mety ny mieritreritra zavatra vetaveta?

 Hoy i Alex: “Nilaza ny dadatoanay hoe matoa aho nomen’Andriamanitra faniriana hanao firaisana, dia tiany hanao an’izany aho.”

 Misy marina ihany ny tenin’ny dadatoan’i Alex. Nomen’Andriamanitra faniriana hanao firaisana isika, ary misy antony tsara matoa nanao an’izany izy. Raha tsy nisy mantsy ny firaisana, dia tsy ho afaka ny hiteraka ny olombelona, ka mety tsy ho nisy akory isika. Raha izany àry, maninona no tsy mety ilay hoe mieritreritra momba ny firaisana foana? Ireto misy antony roa:

  •   Mampianatra ny Baiboly hoe ny lehilahy sy vehivavy mpivady ara-dalàna ihany no tokony hanao firaisana.—Genesisy 1:28; 2:24.

     Mety hoe tsy manambady ianao, ary miezaka manaraka an’io fitsipika io. Ahoana anefa raha mieritreritra momba ny firaisana foana ianao? Ho sorena fotsiny ianao, satria mbola tsy afaka manao an’izany. Mety ho resin’ny fakam-panahy mihitsy aza ianao, ka hanao firaisana amin’ny farany. Betsaka no nanenina rehefa nanao an’izany.

  •   Hahay hifehy tena ianao raha miezaka tsy mieritreritra momba ny firaisana.—1 Korintianina 9:25.

 Tena ilainao ilay toetra hoe mahay mifehy tena, raha te ho sambatra ianao dieny izao sy amin’ny hoavy. Hita tamin’ny fikarohana iray fa misy vokany tsara rehefa mahay mifehy tena ny ankizy. Ho tia manara-dalàna, ohatra, izy rehefa lehibe, ary tsy dia hanana olana ara-bola na ara-pahasalamana. a

 Nahoana no tena sarotra izany?

 Adalana firaisana ny tontolo manodidina antsika, dia lasa sarotra ny hoe tsy mieritreritra momba ny firaisana. Vao mainka mafy ilay izy ho an’ny tanora, satria miovaova ny hormonina ao amin’ny vatany.

 “Hoatran’ny hoe ny fandaharana rehetra amin’ny tele mihitsy no mampiseho hoe tsisy maharatsy ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Dia lasa tsy mampaninona ny olona ny mieritreritra momba ny firaisana, satria tsy hitany izay maharatsy azy.”—Ruth.

 “Matetika aho no maheno resaka momba ny firaisana any am-piasana, dia lasa liana amin’ilay izy. Tena mahazatra ny olona ilay hoe manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny, dia lasa mora aminao ny mieritreritra hoe tsisy maharatsy an’ilay izy.”—Nicole.

 “Raha variana mijerijery sary ao amin’ny tambazotran-tserasera ianao, dia hatahorana kokoa hahita sary vetaveta. Na sary anankiray fotsiny aza no hitanao, dia mety hiraikitra ao an-tsainao ilay izy. Sarotra be koa ny manadino azy.”—Maria.

 Tena sarotra ilay hoe tsy mieritreritra zavatra vetaveta, ka mety hahatsapa hoatran’ny apostoly Paoly isika. Hoy izy: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.”—Romanina 7:21.

Hoatran’ny vorona mitady hanorina akany eo amin’ny lohanao ny eritreri-dratsy, ka aza avela hipetraka eo akory

 Inona no azonao atao?

 Zavatra hafa eritreretina. Miezaha hifantoka amin’ny zavatra hafa, ohatra hoe fialam-boly na spaoro. Hoy i Valerie: “Tena manampy ny mamaky Baiboly, satria miresaka momba an’Andriamanitra izy io. Tsy dia hieritreritra zavatra hafa ianao, rehefa izany no mameno ny sainao.”

 Ara-dalàna raha mieritreritra momba ny firaisana ianao indraindray. Ho vitanao anefa ny hanala an’ilay izy ao an-tsainao, raha tena tapa-kevitra ianao.

 “Rehefa manomboka mieritreritra momba ny firaisana aho, dia tonga dia miezaka mieritreritra zavatra hafa. Jereko koa hoe inona no nahatonga ahy hieritreritra an’ilay izy. Mety hoe misy hira tsy tokony hohenoiko intsony na sary mila fafana.”—Helena.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, ... dia izany foana heverina.”—Filipianina 4:8.

 Fidio tsara ny namanao. Raha miresaka momba ny firaisana foana ny namanao, dia ho sarotra aminao ny tsy hieritreritra an’izany.

 “Niady mafy aho taloha mba tsy hieritreri-dratsy. Ny olona nifaneraserako no tena nahasarotra an’ilay izy. Misy mieritreritra hoe tsy ratsy ny manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny. Raha olona hoatran’izany no ataonao namana, dia lasa tsy mampaninona anao ny manana fanirian-dratsy. Vao mainka aza ianao te hanatanteraka an’ilay izy.”—Sarah.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Ohabolana 13:20.

 Fidio tsara ny fialam-boly ataonao. Misy resaka firaisana izao ny ankamaroan’ny fialam-boly. Hoy i Nicole: “Ny an’ahy ny mozika no tena olana. Lasa mafy be ny faniriako hanao firaisana rehefa mihaino mozika sasany aho. Mila tsy ho voafehiko intsony ilay izy.”

 “Lasa nijery filma sy fandaharana nisy zavatra vetaveta aho. Tsy hitahitako akory hoe izaho kay efa lasa nieritreritra be momba ny firaisana. Tonga dia fantatro hoe inona no nahatonga an’ilay olana. Lasa tsy nieritreritra be momba ny firaisana aho, rehefa tsy nijery an’ireny filma sy fandaharana ireny intsony. Mora kokoa ilay hoe tsy mieritreri-dratsy, rehefa fidiko tsara ny fialam-boly ataoko.”—Joanne.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po.”—Efesianina 5:3.

 Tadidio àry izao: Misy milaza hoe mafy be ny faniriany hanao firaisana ka tsy voafehiny sady tsy tokony hofehezina. Mifanohitra amin’izany anefa ny lazain’ny Baiboly. Milaza izy io fa afaka mifehy ny eritreritsika isika. Hita avy amin’izany fa tena zava-dehibe amin’Andriamanitra izay ataontsika.

 Toro lalan’ny Baiboly: Tokony “hohavaozina hatrany ... ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo.”—Efesianina 4:23.

a Na ny olona manambady aza mbola mila mifehy tena. Tokony hiezaka hanana an’io toetra io àry ianao dieny mbola tsy manambady.