Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Ataoko mba Tsy ho Reraka Be Loatra?

Ahoana no Ataoko mba Tsy ho Reraka Be Loatra?

 Mitady ho reraka be loatra ve ianao ka atahorana harary? Raha izany dia mety hanampy anao ity lahatsoratra ity.

 Inona no mahatonga an’ilay izy?

  •   Be atao loatra. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Julie: “Ampirisihana izahay mba hiezaka foana amin’izay rehetra ataonay, hanao tsara kokoa, ary hanatratra tanjona ambony kokoa sy tsara kokoa. Dia hoatr’izany foana. Tena mafy be ilay izy.”

  •   Teknolojia. Azon’ny olona antsoina foana isika amin’izao, satria manana telefaonina sy tablette ary fitaovana elektronika hafa. Lasa reraka be loatra anefa isika rehefa mandeha ny fotoana, ary farany mety harary.

  •   Tsy ampy torimaso. Hoy i Miranda: “Be dia be ny ankizy mifoha maraina be nefa alina be vao matory, satria tsy maintsy mandeha mianatra, miasa, ary miala voly. Dia hoatr’izay foana ny fiainany.” Lasa reraka be loatra ry zareo matetika, dia farany lasa marary.

 Nahoana ianao no tokony hitandrina?

 Milaza ny Baiboly hoe tsara ny mazoto miasa. (Ohabolana 6:6-8; Romanina 12:11) Tsy milaza kosa anefa izy hoe tsy mampaninona ny miasa mafy be na dia mety hankarary mihitsy aza ilay izy.

 “Indray mandeha aho variana be nanao asa be dia be, dia tsy nihinan-kanina mihitsy iray andro tontolo. Hitako tamin’izay hoe tsy mety ny manaiky hanao an’izao asa rehetra asaina hataoko izao, ka na dia mety hoe hampaharary aza dia tsy maninona.”—Ashley.

 Marina tokoa ny tenin’ny Baiboly hoe: “Aleo alika velona toy izay liona maty.” (Mpitoriteny 9:4) Miezaka manao zavatra be dia be foana ianao, satria mety hieritreritra hoe matanjaka be hoatran’ny liona. Tsy haharitra anefa izany satria raha manao reraka be loatra ianao, dia lasa marary be amin’ny farany.

 Inona no azonao atao?

  •   Mba mahaiza mandà indraindray. Hoy ny Baiboly: ‘Izay manetry tena no hendry.’ (Ohabolana 11:2) Ny olona manetry tena mantsy mahay hoe tsy ho vitany daholo ny zava-drehetra, dia aleony mandà.

     “Azo antoka fa ho reraka be loatra ny olona tsy mahay mandà, satria ekeny daholo izay rehetra asaina hataony. Tsy manetry tena anefa izy, ka tsy maintsy ho reraka be loatra dia harary amin’ny farany.”—Jordan.

  •   Makà aina tsara. Hoy ny Baiboly: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” (Mpitoriteny 4:6) Misy milaza fa “sakafon’ny saina”, hono, ny torimaso. Tokony hatory adiny valo ka hatramin’ny adiny folo isan’andro ny tanora sy ankizy, nefa be dia be no tsy manao an’izany.

     “Rehefa ilay be atao be iny aho, dia zara raha matory. Indraindray anefa raha ampy torimaso aho, dia hahavita zavatra betsaka kokoa sady ho falifaly kokoa ny ampitso.”—Brooklyn.

  •   Mahaiza mandamina. Hoy ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” (Ohabolana 21:5) Raha izao ianao dia efa mianatra ny hahay handamina ny fotoananao sy ny zavatra ataonao, dia hahasoa anao foana izany mandritra ny androm-piainanao.

     “Tsy hiady saina be ianao raha mahay mandamina fotoana. Ho mora kokoa aminao mantsy amin’izay ny mahita hoe inona no tokony hamboarinao, raha tsy te ho reraka be loatra ianao.”—Vanessa.