Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 4: Ahoana no Hanazavako hoe Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 4: Ahoana no Hanazavako hoe Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?

Mino ianao fa nisy namorona izao rehetra izao, saingy tsy te hiresaka an’izany any am-pianarana ianao. Manohana ny evolisiona angamba ny boky ianaranareo, ka matahotra ianao sao dia hihomehezan’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminao. Inona àry no hanampy anao hatoky tena ka ho sahy hanazava hoe nisy namorona izao rehetra izao?

 Vitanao io!

 Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy dia mahay manazava momba ny siansa sy miady hevitra momba ny evolisiona ange ’zaho e!’ Efa nahatsapa toy izany koa i Danielle. Hoy izy: “Tsy tiako mihitsy ny nanohitra ny hevitry ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra tamiko.” Hoy koa i Diana: “Rehefa niady hevitra tamiko izy ireo ka nampiasa voambolana ara-tsiansa, dia tsy hitako izay nolazaina.”

 Tadidio anefa fa tsy hoe ny handresy amin’ilay adihevitra no tanjonao. Tsy voatery ho manam-pahaizana be momba ny siansa ianao vao ho afaka hanazava ny antony mahatonga anao hino hoe nisy namorona izao rehetra izao.

 Soso-kevitra: Resaho ilay hevitra tsotra nefa mitombina tsara ao amin’ny Hebreo 3:4 hoe: “Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.”

 Izao no lazain’i Carol rehefa manazava an’ilay Hebreo 3:4: “Eritrereto hoe mamakivaky ala mikitroka ianao. Kilaometatra maromaro miala eo vao misy olona mipetraka. Nahita hazo kely fisokirana nify teo amin’ny tany anefa ianao. Dia inona no fanatsoahan-kevitrao? Tsy maintsy hilaza ny ankamaroantsika hoe: ‘Nisy olona nandalo teto.’ Koa raha zavatra tsy misy dikany hoatran’ny hazo kely fisokirana nify aza inoanao hoe nisy nitondra matoa tonga teo, mainka fa izao rehetra izao sy ny zavatra rehetra eo aminy!”

 Raha misy miteny hoe: “Raha nisy namorona izao rehetra izao, dia iza àry no nanao ny Mpamorona?”

 Dia azonao valiana hoe: “Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy misy ny Mpamorona satria fotsiny hoe tsy fantatsika ny zava-drehetra momba azy. Mety tsy ho fantatrao, ohatra, ny tantaran’ny olona nanamboatra ny telefaoninao. Mbola mino ihany anefa ianao hoe nisy olona nanamboatra ilay izy. Sa tsy izany? [Avelao izy hamaly.] Be dia be ny zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamorona. Raha tianao, dia azoko resahina aminao ny zavatra nianarako momba azy.”

 Tokony ho vonona tsara ianao

 Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.” (1 Petera 3:15) Mila eritreretina àry hoe inona no horesahinao ary ahoana no fomba hiresahanao azy.

  1.   Inona no horesahinao? Mila tia an’Andriamanitra aloha ianao, satria izany no hanosika anao hiresaka momba azy amin’ny hafa. Tsy ampy anefa ny miteny amin’ny olona hoe tia an’Andriamanitra ianao, raha tianao ho resy lahatra izy ireo fa Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. Mety ho tsara raha mampiasa ohatra momba ny zavaboary ianao mba hanaporofoana hoe ara-dalàna ny hinoantsika ny Mpamorona.

  2.   Ahoana no fomba hiresahanao azy? Miezaha hatoky tena rehefa miteny, nefa aza masiaka na manambanimbany ny zavatra inoan’ilay olona. Azo antoka fa hisaintsaina ny zavatra nolazainao izy raha hita amin’ny teninao fa manaja azy ianao. Ekeo koa fa afaka misafidy izy hoe hino na tsy hino ny zavatra lazainao.

     “Hitako hoe tena tsy mety ny manivaiva olona na miseho ho mahay be. Tsy hahomby mihitsy ianao raha manambanimbany olona rehefa miteny.”​—Elaine.

 Inona ny fitaovana hanampy anao hanazava ny zavatra inoanao?

Raha vonona hanazava ny zavatra inoanao ianao, dia mitovy amin’ny olona iray efa niomana sao ho ratsy ny andro

 Hoy i Alicia: “Raha tsy miomana tsara ianao, dia tsy ho sahy hiteny satria matahotra sao ho afa-baraka.” Tena ilaina àry ny manomana tsara raha te hahomby. Hoy koa i Jenna: “Tsy dia matahotra loatra miresaka momba ny famoronana aho, rehefa manana ohatra tsotra nefa mety tsara mba hanaporofoako ny zavatra inoako.”

 Aiza no mety hahitanao ohatra toy izany? Nahomby ny tanora maro rehefa nampiasa an’ireto fitaovana ireto:

 Mety hanampy anao koa ireo andian-dahatsoratra hoe “Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina?”

  1.  Fizarana 1: Haiko ve ny Manaporofo fa Misy Andriamanitra?

  2.  Fizarana 2: Tena Mitombina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona?

  3.  Fizarana 3: Tena Nisy Namorona Tokoa ve Izao Rehetra Izao?

 Soso-kevitra: Fidio izay ohatra nandresy lahatra anao. Ho mora kokoa aminao ny hitadidy azy ireny, ary hatoky tena tsara ianao rehefa manazava azy. Averimbereno ny fomba hanazavanao ny zavatra inoanao.