Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hahaizako Miresaka Kokoa?

Ahoana no Hahaizako Miresaka Kokoa?

 Nahoana no tsara raha mifanatri-tava?

 Misy miteny hoe sarotra sady manahirana be ny mifanatri-tava rehefa miresaka. Aleo lavitra, hono, manoratra amin’ilay olona.

 “Manahirana kokoa ilay mifanatri-tava raha oharina amin’ilay hoe manoratra amin’ilay olona satria izay voateninao eo dia voateninao, fa tsy azonao ovana na fafana.”​—Anna.

 “Rehefa manoratra amin’olona ianao, dia amboarinao tsara izay hosoratanao. Fa tsy hoatr’izany rehefa mifanatri-tava satria mety hahateniteny foana ianao. Tonga dia eo alohanao eo ilay olona, dia tsy maintsy tandremanao be izay hoteneninao.”​—Jean.

 Mila mianatra miresaka mivantana amin’olona anefa ianao. Hilainao foana izany, na ho ela na ho haingana. Hila an’izany, ohatra, ianao raha te hahazo namana, raha te hahita asa sy hateza amin’ny asanao, na raha te mba hiaraka amin’ny olona iray tianao rehefa vonona amin’izany.

 Aza manahy fa tsy voatery hampahatahotra foana ny mifanatri-tava rehefa miresaka. Mety hoe saro-kenatra ianao, nefa ho vitanao izany. Azo ianarana tsara mantsy ilay izy.

 “Tsisy an’izany hoe tsy manao diso izany rehefa miresaka. Tsy maintsy misy izany indraindray, dia menatra be ianao, fa aza raisina am-po be ilay izy.”​—Neal.

 Ahoana no hanombohan-dresaka?

  •   Mametraha fanontaniana. Mieritrereta zavatra iray mety hahaliana an’ilay olona, dia iny no resaho aminy. Ohatra:

     “Taiza ianao no nanao vakansy farany?”

     “Firy mianadahy ianareo?”

     “Efa henonao ve ilay hoe...?”

     Vao mainka mety aza raha hoe eritreretinao izay zavatra samy iainanao sy ilay olona na samy ataonareo sy izy. Mpiara-mianatra ve, ohatra, ianareo na mpiara-miasa? Zavatra mifandray amin’izay no anontanio azy avy eo.

     “Mieritrereta fanontaniana hitanao hoe mahaliana, sady tena tianao ho fantatra ny hevitry ny olona momba an’ilay izy.”​—Maritza.

     Tandremo anefa: Aza be fanontaniana loatra, dia aza asesisesy be ilay izy sao dia lasa hoatran’ny polisy manao famotorana ianao. Tandremo koa sao manontany zavatra mety tsy ho tian’ilay olona. Ohatra hoe “Inona no zavatra nahamenatra anao indrindra tato ho ato?” na hoe “Fa maninona ianao no manao akanjo mangamanga foana?” Amin’io fanontaniana faharoa io aza ianao mety hoeritreretin’ilay olona hoe te hanakiana azy!

     Lazao ny hevitrao momba an’ilay zavatra anontanianao, alohan’ny hamalian’ilay olona an’ilay izy, na rehefa avy mamaly izy. Tsy hieritreritra izy amin’izay hoe olona be fanontaniana be fotsiny ianao. Tsy fanadinadinana mantsy ilay ataonareo fa resaka.

    Sao dia be fanontaniana loatra ianao, dia lasa hoatran’ny polisy manao famotorana?

     Torolalan’ny Baiboly: “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa mahay manovo an’izany izay mahay mandinika.”​—Ohabolana 20:5.

  •   Mihainoa tsara. Raha tianao hitohy ny resakareo, dia mila mahay mihaino tsara ianao fa tsy hoe mahay miresaka fotsiny. Ilay hoe mahay mihaino aza no ilaina kokoa noho ilay hoe mahay miresaka.

     “Ataoko izay hahalalana zava-baovao momba an’ilay olona iresahako. Iezahako tadidina ilay izy, dia mitady fanontaniana mifandray amin’iny aho rehefa miresaka indray izahay amin’ny manaraka.”​—Tamara.

     Tandremo anefa: Aza maika hieritreritra an’izay holazainao manaraka. Mihainoa tsara fotsiny, dia hahita havaly an’ilay olona foana ianao.

     Torolalan’ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny.”​—Jakoba 1:19.

  •   Asehoy hoe tena liana amin’izay lazainy ianao. Hahafinaritra kokoa anao ilay resaka raha manao an’izany ianao.

     “Raha ataonao izay hahatsapan’ilay olona hoe tena mahaliana anao izay teneniny, dia hahafinaritra be ny resakareo na dia misy tsy metimety kely aza eny anelanelany eny.”​—Marie.

     Tandremo anefa: Aza mametraka fanontaniana mety tsy ho tian’ilay olona. Mety ho sadaikatra, ohatra, izy raha teneninao hoe: “Tsara kosa iny akanjobanao iny! Ohatrinona kay no nividiananao an’iny?”

     Torolalan’ny Baiboly: “Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.”​—Filipianina 2:4.

 Ary ahoana no hamaranana resaka? Izao no tenin’ny tovolahy iray atao hoe Jordan: “Zavatra tsara amaranana azy. Ohatra hoe: ‘Tiako ilay resatsika teo’, na hoe ‘Mazotoa àry aloha amin’izay ataonao androany a!’ Hahafinaritra be indray amin’izay ny resakareo rehefa mifankahita indray ianareo.”