Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Olona Hoatran’ny Ahoana re no mba Hataoko Modely E?

Olona Hoatran’ny Ahoana re no mba Hataoko Modely E?

 “Indraindray aho misy olana any am-pianarana. Dia amin’izay aho no mieritreritra olona mahafinaritra an’ahy efa sendra olana hoatran’iny. Dia miezaka manao hoatran’azy aho. Raha manana olona atao modely mantsy ianao, dia mba ho moramora aminao ny ho tafavoaka rehefa misy olana.”—Haley.

 Lasa tsy dia manana olana firy ianao rehefa mifidy olona atao modely, sady mora kokoa aminao ny manatratra tanjona. Tokony hoe modely tsara fotsiny ilay izy.

 Nahoana ianao no mila mahay mifidy?

  •   Arakaraka izay olona ataonao modely ihany ny ho toetranao.

     Milaza ny Baiboly fa tokony hieritreritra an’ireo olona tsara toetra ny Kristianina. Hoy izy: “Rehefa mandinika ny soa entin’ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo ny finoany.”—Hebreo 13:7.

     Soso-kevitra: Izay olona tena manana toetra tsara atao modely, fa tsy izay malaza na mitovitovy taona aminao fotsiny. Arakaraka izay olona ataonao modely mantsy no hahatonga anao ho tsara toetra na ratsy toetra.

     “Be dia be mihitsy ny zavatra nianarako tamin’izay Kristianina atao hoe Adam izay, na tamin’ny toetrany izany na tamin’ny zavatra nataony. Misy zavatra noteneniny sy nataony mbola tadidiko tsara hatramin’izao. Tsy azony an-tsaina mihitsy izao hoe tena nahatsara ny toetrako ny nataony.”—Colin.

  •   Mety hanova ny zavatra eritreretinao sy izay ao am-ponao ny olona ataonao modely.

     Hoy ny Baiboly: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:33.

     Soso-kevitra: Olona tsara toetra atao modely, fa tsy izay tsara tarehy na mipaozipaozy be. Raha izany mantsy dia ho diso fanantenana ianao.

     “Hoatran’ny hoe tsy misy dikany sady ratsy kely izany ianao, raha mampitaha tena foana amin’ny olona manja be. Sady lasa mieritreritra ny paozinao foana koa ianao.”—Tamara.

     Eritrereto izao: Inona no mety ho maha ratsy ny hoe olona malaza sy atleta no ataoko modely?

  •   Arakaraka ny olona ataonao modely no hahatonga anao hahatratra ny tanjonao na tsia.

     Hoy ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—Ohabolana 13:20.

     Soso-kevitra: Izay olona manana toetra tianao hotahafina no ataovy modely. Amin’izay mantsy ho hainao hoe inona avy no tokony hataonao mba hahatratrarana ny tanjonao.

     “Rehefa misy tanjona tianao hotratrarina, dia aza miteny fotsiny hoe: ‘Izaho mba te hahay handray andraikitra kokoa!’ Fa ataovy hoe: ‘Izaho mba te hahay handray andraikitra kokoa hoatran’i Jane. Izy mantsy tonga ara-potoana foana sady ataony tsara foana izay ampanaovina azy.’”—Miriam.

     Tadidio izao: Raha misy toetra tsara mba tianao hananana, dia mila mitady olona manana an’iny toetra iny ianao dia izy no ataovy modely, amin’izay ianao lasa hoatran’azy.

Vetivety dia ho tratranao ny tanjonao raha manana olona atao modely ianao.

 Ahoana no atao?

 Ireto misy soso-kevitra anankiroa:

  1.   Mieritrereta toetra anankiray tianao hananana, dia mifidiana olona mahafinaritra anao izay manana an’iny toetra iny.

  2.   Mieritrereta olona anankiray mahafinaritra anao, dia mifidiana toetrany anankiray mba tianao hananana.

 Hanampy anao amin’izany ilay fampiasana miaraka amin’ity lahatsoratra ity.

 Ireto no azonao atao modely:

  •  Olona mitovitovy taona aminao. “Mba tiako aho raha lasa hoatran’izay namako be izay. Na rehefa sahirana aza mantsy izy, dia mbola mahavita manampy olona ihany. Sady izy tena tia olona be. Mbola zandriko izy kanefa manana toetra tsara be dia be tsy ananako, dia lasa te hoatran’azy koa aho.”—Miriam.

  •  Olon-dehibe. Mety hoe dadanareo sy mamanareo izany, na mpiara-mivavaka aminao. “Ny ahy dadanay sy mamanay mihitsy no ataoko modely. Tsara toetra be mantsy ry zareo. Misy tsy mety ataon-dry zareo ihany aloha e. Fa ry zareo nefa tsy mba mivadika amin’i Jehovah mihitsy. Tiako raha mba hoatran’izany koa no tenenin’ny olona momba an’ahy, rehefa mitovy taona amin-dry zareo aho any aoriana any.”—Annette.

  •  Olona ao amin’ny Baiboly. “Misy olona be dia be ao amin’ny Baiboly nataoko modely, ohatra hoe i Timoty, Rota, Joba, Petera, ary ilay ankizivavy israelita. Samy misy itiavako an-dry zareo ireo mantsy! Mianatra tantaran’olona ao amin’ny Baiboly foana aho. Arakaraka ny anaovako an’izany no vao mainka ahatsapako hoe tena nisy ry zareo. Tena tiako ny mianatra ny tantaran’izy ireny ao amin’ilay boky hoe Tahafo ny Finoan’izy Ireo, sy ilay hoe ‘Pejy misy an’ireo olona modely’ ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa.”—Melinda.

 Soso-kevitra: Aza atao anankiray fotsiny ny modely tahafinao. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Diniho ireo mandeha araka ny ohatra nasehonay taminareo.”—Filipianina 3:17.

 Fantatrao ve? Ianao koa mety hataon’ny olon-kafa modely! Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ianao ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovam-pitondran-tena.’—1 Timoty 4:12.

 “Afaka manatsara foana ny toetranao sasany ianao, kanefa koa afaka manampy olon-kafa ho tsara toetra kokoa. Tsy fantatrao mantsy fa mety hoe misy mandinika ianao. Sady iza no mahalala raha ny zavatra teneninao no hanova ny fiainan’ny olon-kafa?”—Kiana.