Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Marary ve ny Dadanao na ny Neninao?

Marary ve ny Dadanao na ny Neninao?

 Be dia be ny tanora tsy mieritreritra an’izany hoe hikarakara marary izany. Mety ho mbola ela be mantsy vao ho antitra sy harary ny ray aman-dreniny.

 Ahoana anefa raha marary ny dadanao na ny neninao, amin’ianao mbola tanora izao? Izany no nahazo an’ireto tanora anankiroa ireto.

 Tantaran’i Emmaline

 Voan’ilay aretina atao hoe syndrome d’Ehlers-Danlos (SED) i Neny. Mamely ny tonon-taolana sy ny hoditra ary ny lalan-dra io aretina io. Aretina mitaiza izy io, ary mampanaintaina.

 Tsy misy fanafany ilay aretina, ary niharatsy be ny toe-pahasalaman’i Neny tato anatin’ny folo taona. Nisy fotoana aza nihena be ny rany, ka natahoranay hoe ho faty izy. Indraindray koa izy nanaintaina be, dia te ho faty.

 Vavolombelon’i Jehovah izahay mianakavy. Tena mampahery be anay ny fiangonana. Misy ankizivavy anankiray izay, mitovitovy taona amiko. Nandefa taratasy taminay izy, ka nilaza hoe tiany be izahay, ary vonona hanampy anay foana izy. Faly erỳ izahay manana namana hoatran’azy!

 Tena mampahery be ahy koa ny Baiboly. Tiako be mihitsy, ohatra, ny voalazan’ny Salamo 34:18 hoe: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah.” Eritreretiko foana koa ny Hebreo 13:6, izay milaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.”

 Mampahery be ahy io Hebreo 13:6 io, satria matahotra be aho hoe ho faty i Neny. Tiako be mantsy izy, dia faly aho raha mbola velona koa izy. Tsapako avy amin’io andininy io fa tsy tokony hatahotra aho, na inona na inona hitranga.

 Anisan’ny mampahatahotra koa ny hoe manaranaka ny SED. Efa voan’ilay aretina ny bebenay, dia nifindra tamin’i Neny ilay izy. Dia izaho koa izao voan’ny SED. Manome toky ahy anefa ny Hebreo 13:6 fa i Jehovah no “mpanampy ahy” amin’izao izaho marary izao.

 Miezaka mifaly amin’izay vitako izao aho, fa tsy malahelo ny zavatra azoko natao taloha, na manahy be momba ny hoavy. Ho kivy be koa aho raha mampitaha ny vitan’i Neny amin’izao tamin’izay vitany taloha. Milaza mantsy ny Baiboly hoe “mihelina sy maivana” ny fahoriantsika amin’izao, raha oharina amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy harary intsony koa isika rehefa ao amin’ny Paradisa.—2 Korintianina 4:17; Apokalypsy 21:1-4.

 Eritrereto izao: Inona no manampy an’i Emmaline tsy ho kivy? Inona no manampy anao tsy ho kivy rehefa ao anatin’ny sarotra?

 Tantaran’i Emily

 Tamin’izaho teny amin’ny lise ny dadanay no lasa narary be. Lasa hoatran’ny olon-kafa mihitsy izy. Kivy lava izy, ary matahotra be nefa tsy misy antony tokony hatahorany akory. Mitebiteby be koa izy. Efa 15 taona izao izy no hoatr’izany. Fantany hoe tsy misy antony tokony hahakivy azy akory, nefa kivy be foana izy. Mafy be amin’azy àry ilay izy.

 Vavolombelon’i Jehovah izahay mianakavy. Tena mampahery be anay ny fiangonana misy anay. Tsara fanahy be ny mpiara-manompo, ary asehon’izy rehetra hoe mbola tena ilaina eo anivon’ny fiangonana i Dada. Vao mainka tiako be i Dada satria miezaka mafy hiatrika an’ilay aretiny izy.

 Tiako raha mba miverina hoatran’ny taloha i Dada, hoatran’azy falifaly fa tsy mitebiteby na mijaly be hoatr’izao. Malahelo erỳ aho mahita azy miady mafy amin’ny aretiny, isan’andro.

 Miezaka ny hatanja-tsaina foana anefa i Dada. Tamin’izy kivy be, ohatra, dia niezaka mafy izy hamaky Baiboly isan’andro, na dia andininy vitsivitsy fotsiny aza. Nampahery be azy ilay izy. Hoatran’ny hoe fahazarana tsotra kely ilay izy, nefa tena nety taminy. Faly be mihitsy aho hoe nahavita an’izany izy na dia kivy be aza.

 Tiako be ny voalazan’ny Nehemia 8:10 hoe: “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” Marina mihitsy izany amiko. Faly be aho rehefa mivory sy manao zavatra hafa miaraka amin’ny fiangonana. Lasa tsy malahelohelo aho fa lasa falifaly mandritra ny andro. Hitako amin’izay manjo an’i Dada koa hoe na inona na inona olana atrehinao, ary na mafy be aza ilay izy, dia vonona hanampy anao foana i Jehovah.

 Eritrereto izao: Inona no nataon’i Emily mba hanampiana ny dadany? Inona no azonao atao mba hanampiana olona kivy lava?