Hijery ny anatiny

Manintona Ahy ny Ankizilahy toa Ahy. Lasa Lehilahy Tia Lehilahy ve Izany Aho?

Manintona Ahy ny Ankizilahy toa Ahy. Lasa Lehilahy Tia Lehilahy ve Izany Aho?

 Tsy izany mihitsy!

 Zava-misy: Mandalo ihany matetika ny fitiavanao ankizilahy na ankizivavy toa anao.

 Izany no tsapan’i Lydia, 16 taona. Nisy fotoana izy tia ankizivavy iray. Hoy izy: ‘Nianarako tany am-pianarana fa mety hiovaova be ny habetsahan’ny hormonina raha mbola tanora. Tena mino aho fa raha betsaka kokoa ny ankizy mahalala tsara ny momba ny vatany, dia ho takany fa handalo ihany ny fitiavany lehilahy na vehivavy toa azy, ary tsy ho tsapany hoe tsy maintsy ho hoatr’izany izy.’

Tsy maintsy mifidy ny tanora rehetra, na hanaraka ny toe-tsaina maharikoriko eto amin’ity tontolo ity, na hanaraka ny fitsipika momba ny fitondran-tena, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra

 Ahoana anefa raha tsy mandalo fotsiny ilay fihetseham-ponao? Ratsy fanahy ve Andriamanitra satria tsy avelany hiaraka ny lehilahy mifankatia sy ny vehivavy mifankatia?

 Raha eny ny valin-teninao amin’io fanontaniana farany io, dia tokony ho fantatrao hoe diso hevitra ny olona mieritreritra fa tsy maintsy omena fahafaham-po ny faniriana hanao firaisana. Asehon’ny Baiboly fa manana ny fahamendrehany ny olombelona, matoa omeny toky fa afaka mifidy ny tsy hanaraka ny filan-dratsiny.​—Kolosianina 3:5.

 Tsy hentitra loatra ny Baiboly. Mitovy ihany ny zavatra takiny amin’ny rehetra, na lehilahy tia lehilahy io, na lehilahy tia vehivavy. Samy asainy ‘mandositra ny fijangajangana’ izy ireo. (1 Korintianina 6:18) An-tapitrisany ny lehilahy tia vehivavy na vehivavy tia lehilahy mifehy tena na dia misy fakam-panahy aza, satria te hankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Afaka manao toy izany koa ny lehilahy tia lehilahy na ny vehivavy tia vehivavy raha tena te hampifaly an’Andriamanitra.​—Deoteronomia 30:19.