Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hataoko mba Tsy Hifamaly Amin’ny Ray Aman-dreniko Aho?

Inona no Hataoko mba Tsy Hifamaly Amin’ny Ray Aman-dreniko Aho?

 Diniho ny tenanao

  •   Iza no tena mifamaly aminao?

    •  Dada

    •  Neny

  •   Impiry ianao no mifamaly aminy?

    •  Mahalana

    •  Tsindraindray

    •  Matetika

  •   Maharitra ve ilay fifamaliana?

    •  Vetivety dia voalamina.

    •  Milamina ihany rehefa avy mifanazava ela be.

    •  Tsy mety milamina mihitsy na dia efa mifanazava ela be aza.

 Raha hoatran’ny tsy mety mifanaraka mihitsy ianao sy ny ray aman-dreninao, dia mety hieritreritra ianao hoe izy ireo no mila manao zavatra mba handaminana an’ilay izy. Misy zavatra azonao atao anefa mba tsy hahatonga anao sy ny ray aman-dreninao hifamaly matetika na hifamaly be. Voalohany, diniho ireto:

 Inona no mampifamaly anareo?

  •   Fomba fisaina. Lasa mandinika kokoa ianao rehefa mihalehibe fa tsy hoatran’ny tamin’ny mbola kely. Manomboka manana ny hevitrao koa ianao ary mety tsy heken’ny ray aman-dreninao ilay izy. Milaza anefa ny Baiboly hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.”—Eksodosy 20:12.

     Zava-misy: Ilana fahamatorana sy fahaizana ny hoe tsy manaiky ny hevitry ny olon-kafa nefa tsy tezitra.

  •   Te hahaleo tena. Rehefa mihamatotra ianao dia mety homen’ny ray aman-dreninao fahafahana bebe kokoa. Mety tsy ho betsaka araka izay tianao anefa ilay izy na tsy ho azonao eo no ho eo. Izay ilay mampifamaly. Na izany aza dia milaza ny Baiboly hoe: “Ankatoavy ny ray aman-dreninareo.”—Efesianina 6:1.

     Zava-misy: Arakaraka ny fomba ampiasanao ny fahafahana efa omen’ny ray aman-dreninao anao no anomezany anao fahafahana bebe kokoa.

 Inona no azonao atao?

  •   Ataovy izay hampisy fihavanana. Aza ny ray aman-dreninao foana no lazaina fa mahatonga an’ilay fifamaliana. Eritrereto kosa hoe inona no azonao atao mba tsy hisian’izany. Hoy ny tovolahy iray atao hoe Jeffrey: “Tsy ny zavatra lazain’ny ray aman-dreninao foana no mahatonga an’ilay olana, fa ny fomba amalianao azy. Hilamina ho azy ilay izy raha tony tsara ianao rehefa miresaka.”

     Hoy ny Baiboly: ‘Raha mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna.’—Romanina 12:18.

  •   Mihainoa. Hoy i Samantha, tovovavy iray 17 taona: “Hitako hoe izany no sarotra indrindra. Tsapako anefa hoe vonona hihaino ahy kokoa ny ray aman-dreniko rehefa hitany fa mihaino azy aho.”

     Hoy ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

    Toy ny afo ny fifamaliana. Raha tsy sakanana ilay izy dia mety hitatra be

  •   Ataovy toy ny hoe ekipa iray ianareo. Eritrereto hoe miara-manao spaoro ianao sy ny ray aman-dreninao, ohatra hoe tenisy. Aza ny ray aman-dreninao anefa no atao mpifanandrina aminao, rehefa mifamaly ianareo, fa ilay olana. Hoy ny tovolahy iray atao hoe Adam: “Mieritreritra izay hahasoa ny zanany ny ray aman-dreny rehefa miteny azy. Ny zanaka koa mieritreritra izay hahasoa ny tenany. Mitovy ihany ny tanjon’izy ireo raha ny marina.”

     Hoy ny Baiboly: ‘Aoka isika hiezaka hampisy fihavanana.’—Romanina 14:19.

  •   Miezaha hahatakatra ny zava-misy. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Sarah: “Manampy ahy ny mitadidy hoe mba manana ny manahirana azy hoatran’ahy koa ny ray aman-dreniko.” Hoy koa i Carla: “Miezaka mipetraka eo amin’ny toeran’ny ray aman-dreniko aho. Eritreretiko hoe: ‘Inona no ho nataoko raha nanan-janaka aho ary nanana olana hoatr’izao? Inona no tena hahasoa ny zanako?’”

     Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

  •   Ankatoavy ny ray aman-dreninao. Izany no asain’ny Baiboly ataonao. (Kolosianina 3:20) Tsy dia hifamaly ianareo raha mankatò ianao. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Karen: “Milamina kokoa ny fiainako rehefa mankatò an’i Dada sy Neny aho. Efa be dia be ny zavatra nataon’izy ireo ho an’ahy, ka anisan’ny valim-babena kely mba azoko atao ny hoe mankatò.” Fomba tsara indrindra hisorohana fifamaliana ny fankatoavana.

     Hoy ny Baiboly: “Maty ny afo rehefa tsy misy kitay.”—Ohabolana 26:20.

 Andramo izao. Raha hitanao hoe sarotra aminao ny miresaka izay ao an-tsainao, dia soraty amin’ny taratasy na amin’ny sms ilay izy. Hoy ny tovovavy atao hoe Alyssa: “Izany no ataoko rehefa hitako hoe tsy te hiresaka aho. Amin’izay aho afaka maneho hevitra tsara nefa tsy mivazavaza na miteny zavatra mety hanenenako.”