Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana Raha Ratsy Foana ny Naotiko?

Ahoana Raha Ratsy Foana ny Naotiko?

 “Misy mpiara-mianatra aminay tsy mitondra kahie akory rehefa mankany am-pianarana. Tsy manaraka ny fanazavan’ny mpampianatra ry zareo fa ilaozany mihaino hira amin’ny ‘écouteur.’ Ry zareo indray avy eo no gaga rehefa ratsy ny naotiny. Misy indray hoatra an’ahy: Mba mikofoka mafy erỳ nefa mbola ratsy naoty ihany. Tsy azoko mihitsy hoe inona no mahatonga an’ilay izy. Kivy be aho rehefa mahazo naoty ratsy, nefa izaho efa mba niari-tory nianatra lesona nandritra ny herinandro.”—Yolanda.

 Hoatran’ny an’i Yolanda koa ve ny mahazo anao? Tena mahakivy ilay hoe mahazo naoty ratsy, na indray mandeha izany na imbetsaka.

 Kivy ny ankizy sasany rehefa tratran’izany, dia tsy miezaka hanatsara ny naotiny intsony. Misy aza tsy mety mankany am-pianarana intsony. Tsy voatery manao an’ireo anefa ianao. Mbola misy zavatra azonao atao mba hanatsarana ny naotinao. Miresaka enina amin’izany ity lahatsoratra ity.

 Inona no azonao atao?

  •   Aza manapatapaka fianarana. Azo antoka hoe ho ratsy ny naotinao raha manapatapaka matetika ianao.

     “Ny ankizy mpingitrika matetika no ratsy naoty tany am-pianaranay. Mizaka ny vokany anefa ry zareo avy eo.”—Matthew.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

  •   Manaraha tsara rehefa ao am-pianarana. Efa tsara aloha ilay hoe tonga any am-pianarana e! Miezaha koa anefa mba hanaraka tsara rehefa any. Mandraisa naoty. Ataovy izay hahazoana tsara an’izay zavatra hazavain’ny mpampianatra. Mametraha fanontaniana raha azo atao.

     “Mametraka fanontaniana be dia be aho rehefa any am-pianarana. Rehefa fantatry ny mpampianatra mantsy hoe misy ankizy tsy mahazo an’ilay lesona, dia hazavainy tsara kokoa ilay izy.”—Olivia.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.”—Lioka 8:18.

  •   Aza mifraody. Tsy manao ny marina ny olona mifraody. Misy karazany maro ny fraody, anisan’izany ny hoe mangala tahaka. Mamita-tena ny olona manao an’izany. Tsy vitan’ny hoe tsy manao ny marina mantsy izy, fa tsy mampahay azy koa ilay izy.

     “Aza mangala tahaka rehefa misy tsy hainao amin’ny fanadinana. Ianao ihany no ho voa raha mangala tahaka. Tsy mba mianatra mamaha olana samirery mantsy ianao, fa lasa zatra miantehitra amin’ny hafa.”—Jonathan.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ataovy tsara ny asanao, mba hisy hireharehanao.”—Galatianina 6:4, Dikan-teny Anglisy Maoderina.

  •   Ny devoaranao foana no ataovy voalohany. Ataovy aloha ny devoara, izay vao manao zavatra hafa, indrindra fa ny fialam-boly. a Vao mainka ianao hankafy an’izay fialam-boly ataonao, raha efa vita ny devoaranao.

     “Ny devoarako foana no nataoko voalohany, dia lasa nihatsara ny naotiko. Te haka aina aho na te hihaino mozika rehefa tonga ao an-trano. Naleoko anefa aloha nanao devoara izay vao niala voly.”—Calvin.

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

  •   Mangataha fanampiana. Aza menatra mitady fanampiana. Anontanio ny ray aman-dreninao hoe inona no azonao atao. Mangataha fanampiana amin’ny mpampianatra anao. Mety ho tsara koa ny manao cours indraindray.

     “Tonga dia miresaha amin’ny mpampianatra anareo. Teneno izy hoe te hahazo tsara kokoa an’ilay lesona ianao, sady te hanatsara ny naotinao. Azo antoka hoe ho faly izy rehefa hitany hoe tena te hiezaka ianao, dia ho vonona hanampy anao izy.”—David.

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Tanteraka ny fikasana raha maro ny mpanolo-tsaina.’—Ohabolana 15:22.

  •   Hararaoty izay fomba azo anatsarana ny naotinao. Misy fanontaniana fanampiny afaka mampitombo naoty, ohatra, amin’ny fanadinana any amin’ny tany sasany. Ahazoana naoty koa ny famelabelarana na zavatra hafa atao any am-pianarana. Maninona raha manararaotra rehefa misy hoatr’izany? Mety ho afaka hamerina ny fanadinana sasany koa ianao, raha tsy afaka tamin’ilay izy.

    Hoatran’ny mianatra mitendry zava-maneno ianao, rehefa miezaka hahazo naoty tsara kokoa. Mila ezaka be ilay izy, nefa tsy ho very maina izany

     “Izaho mihitsy aloha no mila manao zavatra, raha tiako hihatsara ny naotiko amin’ny taranja iray. Anontaniako ny mpampianatra anay sao dia misy famelabelarana azoko atao, na misy fanadinana azoko averina mba ho tsara kokoa ny naotiko.”—Mackenzie.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ahitana tombontsoa ny fisasarana rehetra.”—Ohabolana 14:23.

a Misy torohevitra hanampy anao ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora ... Ahoana no Hamitako ny Devoarako?