Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Tokony Hisaraka ve Izahay? (Fizarana 1)

Tokony Hisaraka ve Izahay? (Fizarana 1)

 Misy mahatsara azy indraindray ny misaraka. Diniho izay nanjo an’i Fatima. Hoy izy: “Nanontany foana izay nalehako sy izay nataoko ary izay olona niaraka tamiko, ilay ankizilahy niarahako. Tiako izany tamin’ny voalohany. Tafahoatra anefa ny nataony tatỳ aoriana, satria tsy nahazo niaraka tamin’iza na iza afa-tsy izy aho. Hatramin’ny fianakaviako aza nahasaro-piaro azy, indrindra fa dadanay. Nisaraka taminy aho nony farany. Hoatran’ny hoe nisy entana mavesatra be nesorina tamiko!”

 Jereo koa ny nanjo an’i Sarah. Tsikariny fa tia manesoeso sy sarotsarotiny ary tsy mahalala fomba i Jaona, ilay ankizilahy niarahany. Hoy i Sarah: “Nifanao fotoana tao an-trano izahay indray mandeha. Tara adiny telo be izao izy! Mamanay no nampandroso azy nefa tsy noarahabainy akory, fa tonga dia hoy izy tamiko: ‘Andao fa tara isika.’ Tsy izy no nolazainy fa tara, fa izahay sy izy. Tokony ho niala tsiny izy, na mba nanazava ny antony nahatara azy. Fa ny tena tsy tantiko dia mamanay tsy nohajainy akory!”

 Tsy hoe tsy maintsy misaraka anefa ianareo, raha indray mandeha monja ilay olona no nahatezitra anao. (Salamo 130:3) Hitan’i Sarah anefa fa hay efa tsy mpanaja olona mihitsy i Jaona. Tapa-kevitra àry izy fa hisaraka aminy.

 Ahoana raha hitanao koa fa tsy ho vady tsara ilay olona miaraka aminao? Aza odiana tsy fantatra izany! Aleo misaraka, na dia tena mafy aza ilay izy. Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.”

 Marina fa tsy ho mora izany. Natao haharitra anefa ny fanambadiana, ka aleo mijaly vetivety toy izay hanenina mandra-pahafaty!