Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 2: Tena Mitombina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona?

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 2: Tena Mitombina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona?

Nino i Alex hatramin’izay fa misy Andriamanitra ary nisy namorona izao rehetra izao. Sahiran-tsaina anefa izy izao. Nanizingizina mantsy ny mpampianatra siansa an-dry zareo hoe nivoatra miandalana izao rehetra izao, ary manaporofo an’izany ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana. Matahotra i Alex sao dia hatao hoe adala izy raha tsy mino an’izany. Hoy izy: ‘Ry zareo manam-pahaizana aza efa nahita porofo hoe nivoatra miandalana izao rehetra izao, dia izaho indray ve no hiana-kendry handa an’izany?’

 Hoatr’izany koa ve ianao? Efa hatramin’izay angamba ianao no nino an’ilay hoe: “Namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Nisy olona niezaka nandresy lahatra anao anefa tato ho ato fa angano ny hoe nisy namorona izao rehetra izao. Ny evolisiona, hono, no tena marina. Tokony hino an-dry zareo ve ianao? Nahoana ianao no tokony handinika tsara raha marina na tsia ny fampianarana momba ny evolisiona?

 Antony roa tokony handinihana raha marina na tsia ny fampianarana momba ny evolisiona

  1.   Tsy mitovy hevitra momba ny evolisiona ny mpahay siansa. Efa am-polony taona maro izy ireo no nanao fikarohana, nefa mbola tsy mitovy hevitra ihany rehefa manazava momba ny evolisiona.

     Eritrereto izao: Ny mpahay siansa, izay azo lazaina hoe manam-pahaizana be, aza tsy mitovy hevitra momba ny evolisiona, dia diso ve ianao raha misalasala hoe marina ve ny evolisiona sa tsia?—Salamo 10:4.

  2.   Misy vokany aminao izay inoanao. Hoy ny ankizilahy iray atao hoe Zachary: “Raha tongatonga ho azy ny fiainana, dia tsisy dikany izany ny fiainantsika sy izao rehetra izao.” Tena marina izany teniny izany. Raha marina tokoa mantsy ny evolisiona, dia tsy ho nisy tanjona ny fiainana. (1 Korintianina 15:32) Raha marina kosa hoe nisy namorona ny zava-drehetra, dia ho azontsika hoe nahoana isika no nisy ary inona no hitranga amin’ny hoavy.—Jeremia 29:11.

     Eritrereto izao: Hanao ahoana ny fiainanao raha fantatrao ny marina momba ny evolisiona sy ny famoronana?—Hebreo 11:1.

 Fanontaniana tsara eritreretina

 MISY MILAZA FA ‘nisy zavatra nipoaka be tampoka, dia izay no nampisy an’izao rehetra izao.’

  •   Iza na inona no nahatonga an’ilay zavatra hipoaka?

  •   Inona no mitombina kokoa aminao: Avy amin’ny tsy misy izao rehetra izao sa avy amin’ny zavatra na olona iray?

 MISY MILAZA FA ‘avy amin’ny biby ny olona.’

  •   Raha avy amin’ny biby ny olona, ohatra hoe avy amin’ny rajako, nahoana no samy hafa be ny fahaizan’ny olona sy ny rajako? a

  •   Nahoana no tena be pitsiny na dia ny zavamananaina lazaina fa faran’izay “tsotra” aza? b

 MISY MILAZA FA ‘voaporofo hoe marina ny evolisiona.’

  •   Efa nanamarina an’ilay porofo mihitsy ve ilay olona nilaza an’izany?

  •   Firy ny olona mino ny evolisiona satria fotsiny hoe nisy niteny taminy fa mino an’izany daholo ny manam-pahaizana?

a Misy milaza fa mahay noho ny rajako ny olona satria lehibe kokoa ny atidohany. Tsy mitombina anefa izany. Manazava ny antony ny bokikely Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, pejy 28.

b Jereo ny bokikely Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, pejy 8-12.