Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Mahatsara ny Mianatra Fiteny Hafa?

Inona no Mahatsara ny Mianatra Fiteny Hafa?

 Ho hita raha mahay mifehy tena sy mahay manetry tena ianao rehefa mianatra fiteny hafa. Mila ezaka be mantsy ilay izy. Ho afa-po tokoa anefa ve ianao rehefa miezaka hianatra fiteny hafa? Betsaka ny tanora hamaly hoe eny! Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe nahoana izy ireo no tia mianatra fiteny hafa.

 Nahoana no tsara ny mianatra fiteny hafa?

 Maro no mianatra fiteny hafa satria tsy maintsy ianarana any am-pianarana ilay izy. Ny an’ny sasany indray safidy ilay izy. Jereo, ohatra, ireto:

  •   Nanapa-kevitra ny hianatra teny letonianina i Anna, tovovavy any Aostralia. Io mantsy no fitenin-drazan’ny reniny. Hoy izy: “Handeha ho any Letonia izahay, dia tiako raha mba afaka mifampiresaka amin’ireo havanay any aho rehefa mamangy an-dry zareo.”

  •   Nianatra Tenin’ny Tanana Amerikanina (ASL) i Gina. Vavolombelon’i Jehovah avy any Etazonia izy, ary nifindra any Belize mba hitory any. Hoy izy: “Vitsy ny olona mahay tenin’ny tanana, dia izy ireny ihany no mba azon’ny marenina ifampiresahana. Tena faly àry ny marenina rehefa ilazako fa nianatra ASL aho mba hampianarana azy ireo Baiboly.”

 Fantatrao ve? Nilaza mialoha ny Baiboly fa hotorina amin’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny” ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 14:6) Maro àry ny tanora Vavolombelon’i Jehovah mianatra fiteny hafa mba hitoriana bebe kokoa any amin’ny tany misy azy na any an-tany hafa.

 Inona no mety ho zava-tsarotra?

 Tsy mora ny mianatra fiteny hafa. Hoy ny tanora iray atao hoe Corrina: “Nieritreritra aho hoe mianatra teny vaovao fotsiny ilay izy. Hay kay mianatra kolontsaina vaovao sy fomba fisainana vaovao mihitsy ianao rehefa mianatra fiteny hafa. Tsy vita vetivety izany.”

 Mila manetry tena koa ianao. Hoy i James, tovolahy nianatra teny espaniola: “Tsy maintsy manao diso be dia be ianao, dia ihomehezo fotsiny ilay izy. Izany mantsy ilay hoe mianatra.”

 Tadidio izao: Raha tsy mora kivy ianao rehefa manao diso, dia azo inoana fa ho vitanao ny hianatra an’ilay fiteny.

 Soso-kevitra: Aza kivy raha elaela kokoa noho ny hafa ianao vao mahay an’ilay fiteny. Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ... ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”—Galatianina 6:4.

 Inona ny soa horaisinao?

 Betsaka ny soa horaisinao rehefa mianatra fiteny hafa ianao. Hoy i Olivia: “Lasa mahazo namana ianao sady mahay mifandray amin’ny olona betsaka kokoa rehefa mianatra fiteny hafa.”

 Lasa natoky tena kokoa ny tanora iray atao hoe Mary rehefa nianatra fiteny hafa. Hoy izy: “Sarotra amiko ilay hoe faly rehefa misy zavatra vitako. Izao anefa aho faly be isaky ny mahay teny vaovao amin’ilay fiteny ianarako. Lasa matoky tena kokoa aho.”

 Lasa faly kokoa i Gina, ilay voaresaka tetsy aloha, rehefa mampianatra Baiboly amin’ny tenin’ny tanana. Nilaza izy hoe: “Faly be ny olona rehefa iresahako Baiboly amin’ny fiteniny. Dia ilay mahita an’izany no valisoa lehibe indrindra ho an’ahy.”

 Tadidio izao: Raha mianatra fiteny hafa ianao, dia hanana namana bebe kokoa, hatoky tena kokoa, ary ho faly kokoa rehefa mitory sy mampianatra. Ny mianatra fiteny hafa mantsy no fomba iray lehibe ahafahana mitory ny vaovao tsara amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.”—Apokalypsy 7:9.