Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana Raha Tsy Mifanaraka Izaho sy ny Iray Tam-po Amiko?

Ahoana Raha Tsy Mifanaraka Izaho sy ny Iray Tam-po Amiko?

 Mifankatia nefa miady foana

 Azo antoka fa mifankatia ianao sy ny iray tam-po aminao, nefa misy fotoana koa ianareo miady. Hoy i Helena, 18 taona: “Mahatsiravina an’ahy mihitsy ny zandriko lahy. Fantany tsara mihitsy hoe inona no tenenina sy atao mba hampahatezitra an’ahy. Ary hainy koa ny fotoana anaovana an’izany.”

 Azo atao ny mandamina ny adinareo sasany, raha mifampiresaka tsara ianareo. Eritrereto, ohatra, ireto:

  •   Mety hiady ianao sy ny rahalahinao raha iray efitra ianareo. Tianareo mantsy raha samy manana ny fiainanareo ianareo. Inona no azonareo atao? Mianara mifandefitra sy tsy midikiditra amin’ny fiainan’ny anankiray. Ampiharo ilay toro lalan’ny Baiboly ao amin’ny Lioka 6:31.

  •   Mety “hindrana” ny akanjon’ny rahavavinao ianao nefa tsy niera taminy akory. Ary izy koa mety hanao hoatr’izany. Inona no azonareo atao? Mifampiresaha ary mifanaraha tsara. Ampiharo ilay toro lalan’ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 2:24.

 Indraindray mety ho lehibe kokoa ilay olana eo amin’ny mpiray tam-po, ary mety hisy vokany tena ratsy. Ireto misy ohatra avy ao amin’ny Baiboly:

  •   Nialona an’i Mosesy i Arona sy Miriama iray tam-po aminy, ka tena ratsy be ny vokany. Vakio ilay tantara ao amin’ny Nomery 12:1-15. Eritrereto izao: ‘Ahoana no hataoko mba tsy hialona ny iray tam-po amiko aho?’

  •   Tezitra be i Kaina ka vitany mihitsy ny namono an’i Abela rahalahiny. Vakio ilay tantara ao amin’ny Genesisy 4:1-12. Eritrereto izao: ‘Ahoana no hataoko mba tsy ho tezitra be amin’ny iray tam-po amiko aho?’

 Nahoana ianareo no tokony hifandamina?

 Marina aloha fa tsy mora ilay hoe hifanaraka foana amin’ny iray tam-po aminao. Ireto anefa misy antony roa, fara fahakeliny, mahatsara ny hanaovana an’izany:

  1.   Matotra ianao raha manao an’izany. Hoy ny ankizilahy iray atao hoe Alex: “Taloha aho mora tezitra be tamin’ny zandriko vavy anankiroa. Fa izaho kosa aho mandefitra kokoa amin-dry zareo sady tsy mora tezitra intsony. Efa nihamatotra aho e!”

     Hoy ny Baiboly: “Ny olona tsy mora tezitra dia tena manana fahaiza-manavaka, fa mampiharihary ny hadalany kosa ny olona tsy manam-paharetana.”—Ohabolana 14:29.

  2.   Mampiofana anao amin’ny fiainanao ho avy ilay izy. Raha tsy vitanao ny mandefitra amin’ny toetra ratsin’ny iray tam-po aminao, dia ho vitanao ve izany rehefa miaraka amin’ny vadinao, na mpiara-miasa aminao, na mpampiasa anao, na amin’ny olon-kafa ifaneraseranao ianao?

     Zava-misy: Hifandray tsara amin’ny olona rehetra ianao raha mahay mifampiresaka sy mifanaraka amin-dry zareo. Ianao mbola mipetraka ao amin’ny ray aman-dreninao anefa dia efa tokony hianatra hanao an’izany.

     Hoy ny Baiboly: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—Romanina 12:18.

 Azonao atao foana àry ny mifandamina amin’ny iray tam-po aminao. Tianao ve ny hahazo fanazavana bebe kokoa momba izany? Vakio ilay hoe “Ny hevitry ny tanora toa anao”, ary jereo ilay fampiasana hoe “Mahaiza Mifanaraka Amin’ny Iray Tam-po Aminao.”