Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao mba Hiasa Tsara ny Feon’ny Fieritreretako?

Inona no Azoko Atao mba Hiasa Tsara ny Feon’ny Fieritreretako?

 Azo oharina amin’inona ny feon’ny fieritreretana, araka ny hevitrao?

  •   sarintany

  •   fitaratra

  •   namana

  •   mpitsara

 Azo oharina amin’izy efatra ireo ny feon’ny fieritreretana. Manazava an’izany ity lahatsoratra ity.

 Inona no atao hoe feon’ny fieritreretana?

 Fahaizana voajanahary manampy ny olona hanavaka ny mety sy ny tsy mety ny feon’ny fieritreretana. Hazavain’ny Baiboly fa toy ny ‘lalàna voasoratra ao am-po’ izy io. (Romanina 2:15) Manampy anao hahita izy io raha mety na tsia ny zavatra nataonao na eritreretinao hatao.

  •   Hoatran’ny sarintany ny feon’ny fieritreretana. Manampy anao hahita ny lalana tokony halehanao izy io, amin’izay ianao tsy manana olana.

  •   Hoatran’ny fitaratra ny feon’ny fieritreretana. Manampy anao hahita ny tena toetranao izy io. Lasa fantatrao hoe olona hoatran’ny ahoana ianao.

  •   Hoatran’ny namana tsara ny feon’ny fieritreretana. Raha henoinao izy io, dia afaka manoro hevitra anao sy hanampy anao hahomby amin’izay ataonao.

  •   Hoatran’ny mpitsara ny feon’ny fieritreretana. Manameloka anao izy io rehefa manao zavatra tsy mety ianao.

Hahay hanapa-kevitra ianao raha miasa tsara ny feon’ny fieritreretanao

 Tadidio izao: Tena ilaina ny feon’ny fieritreretana, satria manampy anao 1) handray fanapahan-kevitra tsara ary 2) hanonitra ny zavatra tsy nety nataonao.

 Nahoana no tokony ho zarina hiasa tsara ny feon’ny fieritreretana?

 Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Manàna feon’ny fieritreretana madio.” (1 Petera 3:16) Tsy ho vitantsika anefa izany raha tsy zarintsika hiasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika.

 “Tsy nolazaiko tamin’i Dada sy Mama ny toerana nalehako, fa nandainga aho. Nanenjika ahy ny eritreritro tamin’ny voalohany. Tsy nampaninona ahy intsony anefa ilay izy rehefa nandeha ny fotoana.”Jennifer.

 Nihaino ny feon’ny fieritreretany ihany i Jennifer, tatỳ aoriana. Nolazainy tamin’ny ray aman-dreniny ny zavatra nataony, ary tsy namitaka azy ireo intsony izy.

 Eritrereto izao: Afaka nihaino ny feon’ny fieritreretany aloha kokoa ve i Jennifer? Mety hoe oviana izany?

 “Tsy mora sady mampitaintaina ilay hoe mody hendry. Raha vao mamela anao hanao zavatra ratsy ny feon’ny fieritreretanao, dia lasa mora aminao ny hanao zavatra ratsy hafa aorian’izay.”Matthew.

 Tsy miraharaha ny feon’ny fieritreretany mihitsy ny olona sasany. Milaza ny Baiboly hoe: “Efa tsy mahalala menatra intsony izy ireny.”—Efesianina 4:19.

 Eritrereto izao: Tsara kokoa ve ny fiainan’ny olona iray, raha tsy enjehin’ny eritreriny mihitsy izy noho ny ratsy nataony? Inona ny olana tsy maintsy hatrehiny?

 Tadidio izao: Raha tianao hiasa tsara foana ny feon’ny fieritreretanao, dia mila manana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” ianao.—Hebreo 5:14.

 Inona no azonao atao?

 Mila toro lalana mamaritra ny mety sy ny tsy mety ianao, raha tianao ho zarina hiasa tsara ny feon’ny fieritreretanao. Tokony hampifanarahinao amin’ireny toro lalana ireny avy eo ny zavatra ataonao. Avy amin’ireto ny toro lalana arahin’ny olona sasany:

  •   fianakaviana sy kolontsaina

  •   namana

  •   olo-malaza

 Tsara kokoa anefa ny toro lalana avy ao amin’ny Baiboly, satria avy amin’Andriamanitra izy io. Izy no namorona antsika sady mahafantatra izay tena mahasoa antsika.—2 Timoty 3:16.

 Ireto misy toro lalana vitsivitsy:

 TORO LALANA: “Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra [izahay].”—Hebreo 13:18.

  •   Nahoana io toro lalana io no manampy anao rehefa alaim-panahy hifraody ianao, na handainga amin’ny ray aman-dreninao, na hangalatra?

  •   Raha mandrisika anao hanao ny marina foana ny feon’ny fieritreretanao, inona ny soa horaisinao dieny izao sy amin’ny hoavy?

 TORO LALANA: “Andosiro ny fijangajangana.”—1 Korintianina 6:18.

  •   Nahoana io toro lalana io no manampy anao rehefa alaim-panahy hijery sary vetaveta ianao, na hanao firaisana alohan’ny fanambadiana?

  •   Raha mandrisika anao handositra ny fijangajangana ny feon’ny fieritreretanao, inona ny soa horaisinao dieny izao sy amin’ny hoavy?

 TORO LALANA: “Aoka ... ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.”—Efesianina 4:32.

  •   Nahoana io toro lalana io no manampy anao rehefa tsy mifanaraka ianao sy ny zokinao na zandrinao na namanao?

  •   Raha mandrisika anao hamela heloka ny feon’ny fieritreretanao, inona ny soa horaisinao dieny izao sy amin’ny hoavy?

 TORO LALANA: ‘Tena halan’i Jehovah ny olona tia herisetra.’—Salamo 11:5.

  •   Raha manaraka an’io toro lalana io ianao, dia inona no ho vokatr’izany eo amin’ny lalao video ataonao ary ny filma sy fandaharana jerenao?

  •   Raha misakana anao tsy hanao fialam-boly misy herisetra ny feon’ny fieritreretanao, inona ny soa horaisinao dieny izao sy amin’ny hoavy?

 TENA NISY: “Nanao lalao video misy herisetra ny namako, dia mba nanao koa aho. Tsy navelan’ny dadanay hanao an’ilay izy intsony anefa aho avy eo. Dia rehefa nankany amin’ny namako ihany aho vao nanao an’ilay izy. Nangingina aho rehefa tafody tany an-trano, satria nanafina momba an’ilay izy. Rehefa nanontany i Dada hoe inona ny olana, dia hozy foana aho hoe tsisy. Namaky ny Salamo 11:5 anefa aho, indray mandeha, dia nenjehin’ny eritreritro. Hitako hoe tsy tokony hanao an’ilay lalao video intsony aho. Najanoko tanteraka ilay izy! Tsy nanao an’ilay lalao video intsony koa ny namako iray rehefa nahita an’izany.”—Jeremy.

 Eritrereto izao: Oviana no nanomboka nanameloka an’i Jeremy ny feon’ny fieritreretany? Oviana izy no nanomboka nihaino azy io? Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Jeremy?

 Tadidio izao: Hita amin’ny fomba fiasan’ny feon’ny fieritreretanao hoe olona hoatran’ny ahoana ianao ary inona no zava-dehibe aminao. Diniho àry hoe olona hoatran’ny ahoana ianao.