Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 1: Tohizo Izao Efa Ataonao Izao

Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 1: Tohizo Izao Efa Ataonao Izao

 Raha manana zavatra sarobidy, hoatran’ny hoe trano na aotomobilina, ianao dia mila kojakojaina tsara ilay izy. Hoatr’izany koa ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Ahoana no hahatonga anao hifandray tsara aminy foana aorianan’ny batisanao?

Ho hitantsika ato hoe:

 Ianaro foana ny Tenin’Andriamanitra

 Andinin-teny tsara hotadidina: ‘Amin’izay ianareo dia hamokatra voa tsara ka hanao ny tsara foana, ary vao mainka hahalala tsara an’Andriamanitra.’​—Kolosianina 1:10.

 Inona no dikan’izany? Mbola mila mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay ianaranao foana ianao, na dia efa vita batisa aza.​—Salamo 25:4; 119:97.

 Inona no mety ho olana? Indraindray mety hoe kamo be ianao hanao an’izany. Mety hieritreritra tsinona ianao hoe tsy karazan’ilay olona tia mianatra be ireny ianao.

 Inona no azonao atao? Izay foto-kevitra mahaliana anao anaovana fikarohana. Eritrereto hoe isaky ny inona ianao no hianatra samirery, ary ahoana no hanaovanao an’ilay izy. Rehefa manana fandaharam-potoana mety tsara aminao ianao, dia hahafinaritra anao ny mianatra. Rehefa mianatra ianao, dia ataovy izay hahatonga anao ho tia be an’i Jehovah sy ny Teniny. Mahasoa anao izany sady hahafinaritra be anao.​—Salamo 16:11.

 Soso-kevitra: Mitadiava toerana mangina sy tsy misy manelingelina, amin’izay ho afaka hifantoka tsara amin’ilay fianarana ianao.

 Hevitra hafa mety hanampy:

 Mivavaha amin’i Jehovah foana

 Andinin-teny tsara hotadidina: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana.”​—Filipianina 4:6.

 Inona no dikan’izany? Hoatr’izao ilay hoe mifampiresaka amin’Andriamanitra: Mihaino azy ianao rehefa mamaky ny Teniny ary miresaka aminy ianao rehefa mivavaka. Tsy hoe mangataka an’izay ilainao fotsiny anefa ianao rehefa mivavaka fa mba misaotra koa. Be dia be mantsy ny zavatra omeny anao.

 Inona no mety ho olana? Mety ho efa mandeha ho azy fotsiny ny vavaka ataonao indraindray. Mety hisalasala mihitsy aza ianao hoe mba mihaino ahy àry ve i Jehovah, dia hoe mba mahaliana azy àry ve izay zavatra teneniko.​—Salamo 10:1.

 Inona no azonao atao? Eritrereto mandritra ny andro hoe inona no azonao resahina amin’i Jehovah. Raha mbola tsy afaka mivavaka elaela ianao amin’iny fotoana iny dia tadidio fotsiny ilay izy, dia resaho aminy avy eo. Aza izay zavatra ilainao ihany anefa no resahina aminy, fa mivavaha koa ho an’ny hafa.​—Filipianina 2:4.

 Soso-kevitra: Azonao resahina aminy mihitsy raha ohatra ka hitanao hoe efa lasa mandeha ho azy fotsiny ny vavaka ataonao. Te hihaino an’izay zavatra rehetra mampanahy anao izy, anisan’izany izay olana mifandray amin’ny vavaka ataonao.​—1 Jaona 5:14.

 Hevitra hafa mety hanampy:

 Mazotoa mitory foana

 Andinin-teny tsara hotadidina: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy izay zavatra ampianarinao. . . . Raha manao an’izany ianao, dia ho voavonjy ianao sy izay mihaino anao.”​—1 Timoty 4:16.

 Inona no dikan’izany? Lasa matanjaka koa ny finoanao rehefa mitory ianao. Mety hamonjy ny tenanao sy ilay olona itorianao àry ianao.

 Inona no mety ho olana? Indraindray ianao mety tsy te hitory izany, indrindra moa fa any am-pianarana satria matahotra.

 Inona no azonao atao? Aza avela hisy hisakana anao tsy hitory, anisan’izany ny tahotra. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly: “Na tsy an-tsitrapo aza [no itoriako], dia mbola manana asa nampiandraiketina ahy ihany aho.”​—1 Korintianina 9:16, 17.

 Soso-kevitra: Mierà amin’ny dadanareo sy neninareo, dia mitadiava mpiara-manompo afaka manampy anao. Olona tia manompo jerena.​—Ohabolana 27:17.

 Hevitra hafa mety hanampy:

 Mazotoa mivory foana

 Andinin-teny tsara hotadidina: “Andao . . . isika hifampiahy mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.”​—Hebreo 10:24, 25.

 Inona no dikan’izany? Marina hoe ny hanompo an’i Jehovah no tena mahatonga antsika handeha hivory. Misy antony hafa koa anefa: Voalohany, hahazo fampaherezana avy amin’ny mpiara-manompo ianao. Faharoa, hampahery an-dry zareo koa ianao raha tonga sady mandray anjara.​—Romanina 1:11, 12.

 Inona no mety ho olana? Indraindray mety tsy ho ao tsara ny sainao mandritra ny fivoriana fa mieritreritra zavatra hafa ianao, dia lasa misy zavatra mahasoa anao nefa tsy voarainao. Mety halaim-panahy tsy handeha hivory koa ianao rehefa sahirana, ohatra hoe be devoara be.

 Inona no azonao atao? Aza atao tsirambina ny devoaranao, kanefa koa miezaha hivory foana. Miezaha koa hifantoka tsara rehefa any, dia manomeza valin-teny. Ataovy tanjona koa ny hisaotra olona anankiray, fara fahakeliny, raha hoe nanao anjara izy na namaly teny.

 Soso-kevitra: Omano ny fivoriana. Alaivo ilay programa hoe JW Library®, ary jereo ao amin’ilay hoe “Fivoriana” (Réunions) mba hahafantaranao an’izay hodinihina any.

 Hevitra hafa mety hanampy: