Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 3: Nisy Namorona Tokoa ve Izao Rehetra Izao?

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 3: Nisy Namorona Tokoa ve Izao Rehetra Izao?

“Raha mino ianao hoe nisy namorona izao rehetra izao, dia mety hoeritreretin’ny olona hoe vendrana, na hoe manaiky befahatany ny zavatra nampianarin’ny ray aman-dreninao, na voasasan’ny fivavahana ny atidohanao.”​—Jeanette.

 Mitovy hevitra amin’i Jeanette ve ianao? Raha izany no izy, dia mety ho lasa hisalasala ianao hoe nisy namorona tokoa ve izao rehetra izao sa tsia. Ianao rahateo tsy te hatao hoe vendrana. Inona no hanampy anao?

 Olana

 1. Raha mino ianao hoe nisy namorona izao rehetra izao, dia holazain’ny olona fa tsy ekenao ny zavatra hitan’ny mpahay siansa.

 “Hozy ny mpampianatra anay hoe ny olona kamo hieritreritra, hono, no mino hoe nisy namorona ny zava-drehetra. Tsy vitany, hono, ny manazava hoe ahoana no nampisy an’izao rehetra izao.”​—Maria.

 Tsara ho fantatra: Tsy mahalala ny tena marina ny olona miteny an’izany. Ny mpahay siansa malaza toa an’i Galilée sy Isaac Newton aza nino hoe nisy namorona izao rehetra izao. Tsy nifanohitra tamin’izay nianarany tamin’ny siansa mihitsy ny zavatra ninoany. Misy mpahay siansa mino koa ankehitriny hoe nisy namorona ny zava-drehetra.

 Andramo izao: Midira ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah, ary soraty ny hoe “miresaka ny finoany ilay” (asio farango sosona). Ho hitanao ao hoe maro ny mpitsabo sy mpahay siansa miaiky fa nisy namorona izao rehetra izao. Mariho hoe inona no nanampy azy ireo hiaiky an’izany.

 Fehiny: Tsy hoe lasa manohitra ny siansa akory ianao raha mino hoe nisy namorona ny zava-drehetra. Vao mainka aza ianao hino hoe nisy namorona izao rehetra izao arakaraka ny ianaranao momba ny zavaboary.​—Romanina 1:20.

2. Raha mino ny tantara momba ny famoronana ao amin’ny Baiboly ianao, dia hoheverin’ny olona hoe mafana fo loatra amin’ny fivavahana.

 “Be dia be ny olona miteny hoe angano fotsiny ilay tantara ao amin’ny Genesisy, dia mampihomehy an-dry zareo izay mino hoe nisy namorona izao rehetra izao.”​—Jasmine.

 Tsara ho fantatra: Matetika ny olona no diso fandray an’ilay fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny famoronana. Misy milaza, ohatra, fa vao haingana no noforonina ny tany. Misy koa miteny hoe enina andro nisy 24 ora avy no namoronana ny zavaboary. Tsy milaza an’izany mihitsy ny Baiboly.

  •   Milaza fotsiny ny Genesisy 1:1 hoe: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Hitan’ny mpahay siansa fa efa an’arivony tapitrisa taona izay no nisian’ny tany. Tsy mifanohitra amin’izany mihitsy io Genesisy 1:1 io.

  •   Fotoana lava be no tian’ny Genesisy holazaina amin’ny hoe “andro” fa tsy 24 ora fotsiny. Natao fotsiny hoe “andro”, ohatra, ireo enina andro namoronana ny zava-drehetra, ao amin’ny Genesisy 2:4.

 Fehiny: Tsy mifanohitra amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa ny tantara momba ny famoronana ao amin’ny Baiboly.

 Diniho ny zavatra inoanao

 Tsy “minomino foana” izay mino hoe nisy namorona izao rehetra izao fa manana porofo marim-pototra. Diniho izao:

 Rehefa mijery ny zava-drehetra manodidina anao ianao, dia fantatrao hoe nisy nanamboatra daholo izy ireny. Rehefa mahita fakan-tsary na fiaramanidina na trano, ohatra, ianao, dia manaiky hoe tsy maintsy nisy namorona ilay izy. Koa raha ireo aza mampiaiky anao hoe nisy namorona, nahoana moa no hoe tsy nisy namorona ny maso na ny vorona na ny planeta Tany?

 Eritrereto izao: Matetika no maka tahaka ny zavaboary ny manam-pahaizana mba hanatsarana ny zavatra namboariny, ary ara-dalàna raha tiany hiaiky ny olona hoe tena mahay izy. Araka ny hevitrao, mety ve ny miaiky hoe nisy namorona ny zavatra iray sady tena mahay ilay nanao azy, nefa tsy miaiky hoe nisy namorona izao rehetra izao, sady tena mahay lavitra noho ny olombelona izy?

Ny fiaramanidina ve nisy namorona dia ny vorona indray no tsy nisy nanao?

 Fitaovana hanampy anao

 Rehefa mandinika ny zavaboary ianao dia vao mainka hino hoe misy ny Mpamorona.

 Andramo izao: Midira ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah, ary soraty ny hoe “nisy namorona ve” (asio farango sosona). Fidio izay mahaliana anao amin’ireo lahatsoratra hoe “Nisy Namorona Ve?”, ao amin’ny Mifohaza! Jereo hoe inona no mahavariana amin’ireo zavaboary voaresaka ao, ary nahoana izany no mandresy lahatra anao hoe nisy namorona ilay izy.

 Miezaha handalina: Jereo ireto bokikely ireto raha te hitady porofo bebe kokoa ianao hoe misy ny Mpamorona.

  •  Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?

    •   Mety tsara ny toerana misy ny tany, ary azo iainana tsara eto.​—Jereo ny pejy 4-​10.

    •   Hita eo amin’ny zavaboary hoe mahay ilay nanao azy.​—Jereo ny pejy 11-​17.

    •   Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa ny tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy.—Jereo ny pejy 24-​28.

  •  Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina

    •   Tsy nipoitra ho azy avy tamin-javatra tsy mananaina ny zavamananaina.—Jereo ny pejy 4-7.

    •   Be pitsiny ny zavamananaina ka tsy marina ny hoe zavatra nitranga ho azy no nampisy azy.—Jereo ny pejy 8-12.

    •   Be lavitra noho ny zavatra voatahirin’ny fitaovana maoderina ny zavatra voatahiry ao amin’ny ADN.—Jereo ny pejy 13-21.

    •   Tsy iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra. Hita avy amin’ny fôsily fa nipoitra tampoka ny karazam-biby fa tsy hoe niova miandalana avy tamin-javatra hafa.—Jereo ny pejy 22-29.

 “Ny tena naharesy lahatra ahy indrindra hoe misy Andriamanitra, dia ny zavaboary. Eo, ohatra, ny biby eto an-tany, fa eo koa ny zavatra eny amin’ny lanitra, izay hita hoe milamina tsara.”​—Thomas.