Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Ataoko fa Tsy Nanaraka ny Fitsipika Napetrak’i Dada sy Neny Aho?

Ahoana no Ataoko fa Tsy Nanaraka ny Fitsipika Napetrak’i Dada sy Neny Aho?

 Saika manana fitsipika daholo ny fianakaviana rehetra, ohatra hoe momba ny ora hodiana ao an-trano, ny fampiasana fitaovana elektronika, ary ny fahalalam-pomba.

 Dia ahoana raha tsy nanaraka ny fitsipika napetraky ny ray aman-dreninao ianao? Rano raraka tsy azo raofina intsony izany. Raha tsy tianao hitatra be anefa ilay olana, dia mila manao zavatra ianao. Hanampy anao amin’izany ity lahatsoratra ity.

 Inona no tsy tokony hataonao?

  •   Raha tsy fantatry ny ray aman-dreninao hoe tsy nanaraka ny fitsipika napetraky ry zareo ianao, dia mety halaim-panahy hanafina an’ilay izy.

  •   Raha fantany indray ilay izy, dia mety hanamarin-tena ianao, na hanilika an’ilay izy amin’ny olon-kafa.

 Samy tsy mety ireo. Fa maninona? Satria raha manafina ny zavatra tsy nety nataonao ianao, na manamarin-tena, dia mampiseho izany hoe tsy matotra ianao. Raha manao an’izany ianao dia hoatran’ny miteny amin’ny ray aman-dreninao hoe mbola tsy matotra tsara.

 “Tsy vahaolana mihitsy ny mandainga. Tsy maintsy ho fantatry ny ray aman-dreninao mantsy ny marina, na ho ela na ho haingana. Ho mafimafy kokoa ny sazy homeny anao amin’izay satria ianao tsy nitsotra ny marina hatramin’ny voalohany.”—Diana

 Inona no azonao atao?

  •   Tsory amin’ny ray aman-dreninao ny marina. Hoy ny Baiboly: “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby.” (Ohabolana 28:13) Fantatry ny ray aman-dreninao hoe tsy lavorary ianao. Tian-dry zareo anefa raha milaza ny marina ianao fa tsy mandainga.

     “Ho vonona kokoa hamela anao ny ray aman-dreninao, raha mitsotra ny marina ianao. Vao mainka ianao hatokisan-dry zareo raha tonga dia milaza ny marina.”—Olivia.

  •   Mahaiza miala tsiny. Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ianareo samy hitafy fanetren-tena.” (1 Petera 5:5) Mila manetry tena ianao raha tsy te hanamarin-tena sy hahavita hiteny hoe: “Azafady fa diso aho.”

     “Raha zatra manamarin-tena foana ny olona anankiray, dia tsy hiasa tsara intsony ny feon’ny fieritreretany rehefa manao zavatra tsy mety izy. Mety tsy hampaninona an’azy intsony mihitsy aza ny manao zavatra ratsy, amin’ny farany.”—Heather.

  •    Ekeo izay sazy azonao. Hoy ny Baiboly: “Mihainoa anatra.” (Ohabolana 8:33) Aza mimenomenona fa tonga dia ekeo izay sazy omen’ny ray aman-dreninao anao.

     “Vao mainka hitatra ilay olana raha mimenomenona ianao rehefa omena sazy. Ekeo fotsiny izay sazy omena anao, dia aza mifantoka amin’izay zavatra tsy avelan’ny ray aman-dreninao hataonao.”—Jason.

  •   Ataovy izay hahatonga ny ray aman-dreninao hatoky anao indray. Milaza ny Baiboly hoe: ‘Esory ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny.’ (Efesianina 4:22) Mahaiza manapa-kevitra tsara, dia hatoky anao indray ny ray aman-dreninao.

     “Raha mahay manapa-kevitra foana ianao, sady mampiseho amin’ny ray aman-dreninao hoe tsy hamerina an’ilay fahadisoana intsony, dia hatoky anao indray ry zareo.”—Karen.

 SOSO-KEVITRA: Manaova mihoatra noho izay asaina ataonao, amin’izay ho hitan’ny ray aman-dreninao hoe azo itokisana ianao. Raha misy alehanao, ohatra, amin’ny manaraka, dia antsoy ny ray aman-dreninao rehefa eny an-dalana hody ianao. Teneno ry zareo hoe efa ho avy ianao, na dia tsy hoe ho taraiky be akory aza. Hoatran’ny miteny amin-dry zareo mantsy ianao amin’izay hoe: ‘Tiako aho raha mba atokisanareo indray.’