Mpitoriteny 7:1-29

  • Laza tsara sy andro ahafatesana (1-4)

  • Anatra mafy omen’ny olon-kendry (5-7)

  • Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany (8-10)

  • Misy tombony ny fahendrena (11, 12)

  • Fotoana mahafaly sy fotoan-tsarotra (13-15)

  • Aza marina loatra na ratsy toetra loatra (16-22)

  • Fandinihana nataon’ilay mpamory vahoaka (23-29)

7  Aleo laza tsara* toy izay menaka manitra,+ ary aleo ny andro ahafatesana toy izay ny andro ahaterahana.  Aleo mankany amin’ny trano misy fisaonana toy izay mankany amin’ny trano misy fanasana,+ satria fahafatesana no hiafaran’ny olombelona rehetra, ka tokony hisaintsaina an’izany ny velona.  Aleo alahelo toy izay fihomehezana,+ satria mahatsara fo ny endrika malahelohelo.+  Ao amin’ny trano misy fisaonana ny fon’ny hendry, fa ao amin’ny trano misy fety* kosa ny fon’ny adala.+  Aleo mihaino ny anatra mafy omen’ny olon-kendry+ toy izay mihaino ny hiran’ny adala.  Fa toy ny tsilo mirehitra sady mipoapoaka ao ambany vilany ny fihomehezan’ny adala.+ Tsisy dikany koa izany.  Mety hanaonao foana anefa ny hendry rehefa ampijalina. Ary mety hanimba ny fo ny kolikoly.+  Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany. Aleo olona manam-paharetana toy izay olona manambony tena.+  Aza mora tezitra,+ fa toetran’ny adala* izany mora tezitra izany.+ 10  Aza miteny hoe: “Fa maninona re no tsara noho ny amin’izao ny taloha e?” Tsy fahendrena ho anao mantsy ny manontany an’izany.+ 11  Tsara sady tombony ho an’izay mahita masoandro* ny fahendrena raha mbola ampiana lova. 12  Fiarovana hoatran’ny vola+ ihany mantsy ny fahendrena.+ Izao anefa ny tombony azo amin’ny fahalalana: Rehefa ampiarahina amin’ny fahendrena izy io, dia miaro ny ain’izay manana azy.+ 13  Diniho ny asan’ilay tena Andriamanitra, fa iza no afaka manitsy an’izay efa nataony mibilaka?+ 14  Amin’ny fotoana mahafaly* dia mifalia ka manehoa toetra tsara.+ Amin’ny fotoan-tsarotra* kosa dia tadidio fa samy nataon’Andriamanitra ireo fotoana ireo+ mba tsy hahafantaran’ny* olona an’izay hitranga aminy any aoriana any.+ 15  Efa hitako daholo ny zava-drehetra, nandritra ny fiainana poakaty niainako.+ Hitako ny olo-marina maty nefa nanao ny tsara,+ ary hitako koa ny ratsy fanahy ela velona nefa manao ratsy.+ 16  Aza marina loatra,+ ary aza miseho ho hendry loatra.+ Fa nahoana ianao no dia mampidi-kizo ny tenanao?+ 17  Aza ratsy toetra loatra, ary aza manao adaladala.+ Fa nahoana ianao no ho faty aloha be?+ 18  Tena tsara raha arahinao ilay anatra voalohany, sady tsy lavinao koa ilay faharoa.+ Fa izay matahotra an’Andriamanitra no hanaraka an’ireo anatra roa ireo. 19  Ny fahendrena no mahatonga ny lehilahy hendry iray hahery kokoa noho ny lehilahy matanjaka folo ao amin’ny tanàna iray.+ 20  Tsy misy olo-marina mahavita manao ny tsara foana mantsy eto ambonin’ny tany, fa tsy maintsy manota ihany izy.+ 21  Aza raisina am-po daholo ny teny rehetra lazain’ny olona,+ sao ianao haheno ny mpanomponao manozona* anao. 22  Fantatrao tsara mantsy fa na ianao koa aza mba efa imbetsaka no nanozona ny hafa.+ 23  Nampiasa ny fahendreko aho ka nodinihiko izany rehetra izany. Dia hoy aho: “Ho hendry aho.” Tsy lasa hendry mihitsy anefa aho. 24  Tsy takatry ny saina ny zava-mitranga rehetra fa lalina dia lalina. Iza no mahatakatra an’izany?+ 25  Tapa-kevitra aho ny hamantatra sy handinika ary hikaroka ny atao hoe fahendrena sy ny antony mampisy ny zava-drehetra. Niezaka mafy koa aho ny hahatakatra fa ratsy ny hoe tsisy saina ary hadalana ny hoe very saina.+ 26  Dia izao no hitako: Mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy hoatran’ny harato famandrihana,* nefa koa ny fony toy ny harato tarihina, ary ny tanany toy ny gadra vy. Ny olona mampifaly an’ilay tena Andriamanitra no ho afaka hiala aminy,+ fa ny mpanota kosa azony.+ 27  “Izao no hitako”, hoy ilay mpamory vahoaka,+ “rehefa avy nodinihiko tsirairay ny zava-drehetra mba hahitako an’izay hamintinako azy, 28  nefa tsy hitako akory izay efa nokarohiko foana: Tamin’ny olona arivo, dia nahita lehilahy iray manao ny marina aho, fa tsy nahita vehivavy manao ny marina na iray aza. 29  Izao ihany no hitako: Mahitsy fo no nanaovan’ilay tena Andriamanitra ny olombelona,+ saingy naleon’izy ireo namorona tetika be dia be.”+

Fanamarihana

Na: “Aleo anarana.”
Na: “fifaliana; fialam-boly.”
Na mety hoe “fa mampiavaka ny adala.”
Izany hoe izay velona.
Na: “tsy hahitan’ny.”
Na: “andro isian’ny loza.”
Abt: “andro tsara.”
Na: “manaratsy.”
Na: “haraton’ny mpihaza.”