Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hataoko Raha Tsy Mitovy Amin’ny Ankizy Hafa Aho?

Ahoana no Hataoko Raha Tsy Mitovy Amin’ny Ankizy Hafa Aho?

 “Raha tsy mitovy amin’ny hafa ianao dia tsy hana-namana, hankaleo be ny fiainanao, sady ho ratsy be ny hoavinao. Ho hadinon’ny olona ianao, dia ho tavela irery eo.”—Carl.

 Manitatra angamba i Carl amin’ireo teniny ireo. Manao izay rehetra azony atao anefa ny olona sasany mba tsy ho tratran’ireo. Ianao koa ve hoatr’izany? Te hahazo namana ve ianao? Hanampy anao ity lahatsoratra ity.

 Maninona ny olona no miezaka hitovy amin’ny hafa?

  •   Tsy te hihatakatahan’ny namany. “Nahita sarin’ankizy maromaro fantatro aho tao amin’ny tambazotran-tserasera. Niaraka nanao zavatra ry zareo, dia tsy mba nasainy aho. Hozy aho hoe izaho mihitsy angamba no olana. Nieritreritra foana aho hoe tsy mba tian-dry zareo, dia tena nahakivy ahy izany.”—Natalie.

     ERITRERETO IZAO: Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe nihatakatahan’ny hafa? Inona no nataonao tamin’izay? Niezaka be ve ianao mba ho tian-dry zareo?

  •   Tsy te hiavaka. “Tsy avelan’ny dadanay sy mamanay mampiasa telefaonina aho. Rehefa mangataka ny nomeraoko ny ankizy, dia miteny foana aho hoe izaho tsy manana telefaonina. Dia hozy ry zareo hoe: ‘Aiza koa! Fa firy taona indrỳ?’ Mahaleho an’ahy ry zareo rehefa miteny aho hoe 13 taona.”—Mary.

     ERITRERETO IZAO: Inona ny zavatra tsy avelan’ny ray aman-dreninao ataonao, ka mahatonga anao hahatsapa hoe tsy mitovy amin’ny hafa ianao? Ahoana no ataonao?

  •   Tsy te hampijalian’ny ankizy hafa. “Tsy tian’ny ankizy any am-pianarana ianao rehefa tsy mitovy amin’ny azy ny zavatra ataonao, ny fomba firesakao, na ny fivavahanao. Tonga dia miavaka ianao rehefa hoatr’izany, dia hampijalijalian-dry zareo.”—Olivia.

     ERITRERETO IZAO: Efa nisy nampijaly ve ianao satria tsy mitovy amin’ny hafa? Ahoana no nataonao tamin’izay?

  •   Tsy te ho very namana. “Niezaka ny hitovy tamin’ny namako foana aho. Naka tahaka ny fomba fiteniny, ohatra, aho. Mba nihomehy koa aho rehefa nisy zavatra nampihomehy an-dry zareo, na dia tsy tena nampihomehy akory aza ilay izy. Mba naneso koa aho rehefa naneso olona ry zareo, na dia fantatro aza hoe hampalahelo an’ilay olona izany.”—Rachel.

     ERITRERETO IZAO: Tena te ho tian’ny namanao ve ianao? Efa nanova ny toetranao ve ianao amin’izay mitovy amin-dry zareo?

 Tsara ho fantatrao

 Mety hisy vokany ratsy ilay hoe miezaka be mba hitovy amin’ny hafa. Nahoana?

  •   Mety vao mainka ianao tsy ho tiany. Hain’ny olona foana mantsy rehefa mody manao hoatr’azy fotsiny ianao. Hoy i Brian, 20 taona: “Vao mainka aho tsy tian’ny mpiara-mianatra tamiko, rehefa mody nanao hoatran-dry zareo.” Hoy ihany izy: “Hain’ny olona foana rehefa maka tahaka an-dry zareo fotsiny ianao. Aleo tsy manova ny maha izy anao.”

     IZAO KOSA ATAO: Eritrereto hoe inona no zava-dehibe indrindra aminao. Milaza ny Baiboly hoe tokony ‘hamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa’ isika. (Filipianina 1:10) Eritrereto àry hoe inona no zava-dehibe kokoa aminao: Manana ny maha izy anao sa miezaka hitovy amin’ny olona tsy manaraka ny fitsipika arahinao.

     “Tsisy dikany ilay hoe miezaka hitovy amin’ny hafa. Tsy hoe ho tian’izy ireo kokoa ianao, na ho lasa tsara toetra kokoa.”—James.

  •   Lasa tsy afaka mampiseho ny toetra tsaranao ianao. Te hanao izay hampifaly ny hafa fotsiny ianao, dia lasa tsy manana ny maha izy anao intsony fa manaraka ny sitrapony. Hoy i Jeremy: “Nanao izay rehetra azoko natao aho mba ho tian’ny hafa, na dia nahatonga ahy ho ratsy laza aza izany.” Hoy ihany izy: “Lasa hoatran’ny saribakoly aho, satria nanaraka ny sitrapon-dry zareo fotsiny.”

     IZAO KOSA ATAO: Fantaro ny fitsipika arahinao, dia aza miala amin’izay. Aza miovaova hoatran’ny tanalahy. Tsy mahagaga raha mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Aza manaraka ny maro mba hanao ratsy.”—Eksodosy 23:2.

     “Niezaka aho mba ho tia an’izay rehetra tian-dry zareo. Ohatra hoe mozika, fialam-boly, akanjo, makiazy ... Te hitovy tamin-dry zareo mihitsy aho. Efa hain-dry zareo angamba tamin’izay hoe mody nanao hoatran’azy fotsiny aho. Ny olona rehetra mihitsy angamba no nahalala an’izany. Na izaho koa aza! Lasa kivy be aho sady nahatsiaro ho irery. Na ny tena maha izy an’ahy aza lasa tsy haiko intsony. Tsy haiko intsony hoe inona ny zavatra tiako, sady tsy mba nanana ny hevitro intsony aho. Hitako hoe tsy voatery hitovy amin’ny olona rehetra ianao, dia ny olona koa tsy voatery ho tia anao. Izany anefa tsy midika hoe tsy tokony hitady namana mihitsy ianao. Mila fotoana fotsiny ianao vao hahazo namana, sady elaela vao hahafantatra tsara ny tenanao.”—Melinda.

  •   Mety ho lasa ratsy fitondran-tena ianao. Nanao hoatr’izany ny havan’ny tovolahy iray atao hoe Chris. Hoy i Chris momba azy io: “Te ho tian’ny hafa izy dia lasa nanao zavatra tsy fanaony mihitsy, ohatra hoe nifoka rongony. ... Lasa nandevozin’ny rongony izy. Saika potika ny fiainany.”

     IZAO KOSA ATAO: Aza mifanerasera amin’ny olona hitanao hoe manao zavatra ratsy. Hoy ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Ohabolana 13:20.

     “Tsara aloha indraindray ilay hoe miezaka hifandray amin’ny hafa sy miezaka hitovy aminy. Aleo anefa tsy manao an’izany, raha mahatonga anao hanao zavatra tsy mety ilay izy. Tsy hanery anao hiova mihitsy ny olona iray raha tena namana tsara.”—Melanie.

     Soso-kevitra: Rehefa miezaka hahazo namana ianao, dia tsy ampy ny mijery hoe mitovy ve ny zavatra tianareo. Jereo koa hoe manaraka ny fitsipika arahinao ve izy, ohatra hoe eo amin’ny resaka fivavahana, fitondran-tena, na amin’izay heverina hoe tsara sy ratsy.

    Tsy voatery hanendrika anao daholo ny akanjo rehetra. Tsy ny namana rehetra koa no hanampy anao hanana toetra tsara