Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Tokony Hatao Batisa ve Aho?​—Fizarana 1: Inona no Dikan’ny hoe Batisa?

Tokony Hatao Batisa ve Aho?​—Fizarana 1: Inona no Dikan’ny hoe Batisa?

 Betsaka ny tanora vita batisa isan-taona. Misy amin’izy ireny notezain’ny ray aman-dreniny tao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mieritreritra ny hatao batisa koa ve ianao? Raha izany, dia mila fantatrao aloha ny dikan’ny hoe manokan-tena sy atao batisa.

 Inona no atao hoe batisa?

 Alentika tanteraka ao anaty rano ny olona atao batisa, raha ny Baiboly no jerena, fa tsy hoe fafazana rano kely fotsiny. Misy dikany be mantsy ilay hoe alentika tanteraka ao anaty rano.

  •   Rehefa alentika tanteraka ao anaty rano ianao, dia asehonao amin’ny olona hoe tsy izay tianao intsony no hataonao.

  •   Rehefa avoaka avy ao anaty rano indray ianao, dia manomboka fiainana vaovao, ka izay ampifaliana an’Andriamanitra no tena ifantohanao.

 Rehefa atao batisa ianao, dia mampiseho amin’ny olona fa i Jehovah no manana fahefana hamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy, ary mampahafantatra ny voady nataonao hoe vonona hanao ny sitrapony foana ianao.

 Eritrereto izao: Nahoana no mila asehonao amin’ny olona hoe efa nivoady ianao fa hankatò an’i Jehovah foana? Jereo ny 1 Jaona 4:19 sy ny Apokalypsy 4:11.

 Inona no atao hoe manokan-tena?

 Mila manokan-tena ho an’i Jehovah aloha ianao, izay vao azo atao batisa. Ahoana izany?

 Mivavaka manokana amin’i Jehovah ianao, dia mampanantena azy hoe hanompo azy mandrakizay sady hanao izay tiany foana, na inona na inona hitranga ary na inona na inona safidy ataon’ny hafa.

 Rehefa atao batisa indray ianao, dia mampiseho amin’ny olona rehetra fa efa nanokan-tena ho an’i Jehovah. Ho hita amin’izay fa tsy izay tianao intsony no hataonao satria efa an’i Jehovah ianao.​—Matio 16:24.

 Eritrereto izao: Nahoana no ho tsara kokoa ny fiainanao rehefa natokanao ho an’i Jehovah? Jereo ny Isaia 48:17, 18 sy ny Hebreo 11:6.

 Nahoana no tena ilaina ny batisa?

 Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy atao batisa izay te ho lasa mpianany. (Matio 28:19, 20) Tsy maintsy atao batisa àry ny olona iray raha te ho lasa Kristianina. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa mila atao batisa izay te ho voavonjy.​—1 Petera 3:21.

 Tokony hoe noho ianao tia an’i Jehovah sy noho ianao mankasitraka an’izay nataony anefa no tena mahatonga anao hatao batisa. Tokony hitovy amin’ity voalazan’ny mpanao salamo ity ny toe-tsainao: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko? ... Ny anaran’i Jehovah no hantsoiko. Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho.”​—Salamo 116:12-14.

 Eritrereto izao: Inona no soa efa nataon’i Jehovah ho anao, ary inona no havalinao azy? Jereo ny Deoteronomia 10:12, 13 sy ny Romanina 12:1.