Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Mety ve Ilay hoe Manao Zavatra Be dia Be Indray Miaraka?

Mety ve Ilay hoe Manao Zavatra Be dia Be Indray Miaraka?

 Mahay manao zavatra be dia be indray miaraka ve ianao?

 Betsaka no mieritreritra hoe raha mbola kely izy dia efa zatra mampiasa fitaovana maoderina, dia ho mora kokoa aminy ny manao zavatra be dia be indray miaraka. Raha efa lehibe kosa izy vao mampiasa fitaovana maoderina, dia ho sarotra aminy ny manao zavatra be dia be indray miaraka. Tena marina ve anefa izany?

 MARINA sa DISO?

  •   Mitsitsy fotoana ianao rehefa manao zavatra be dia be indray miaraka

  •   Lasa betsaka kokoa ny zavatra vitanao indray miaraka, arakaraka ny anaovanao an’ilay izy

  •   Ny tanora no tena mahay an’ilay izy raha oharina amin’ny olon-dehibe

 Raha mieritreritra ianao hoe “marina” ny iray amin’ireo na izy rehetra, dia azo lazaina hoe diso hevitra ianao.

 Hevi-diso

 Mieritreritra ve ianao hoe afaka manenjika bitro roa? Mety ho vitanao ihany ilay izy raha tsy mila ifantohana be ilay anankiray. Raha sady mihaino hira, ohatra, ianao no manadio trano, dia mety ho voadionao tsara ihany ilay trano.

 Ahoana anefa raha samy mila ifantohana ilay zavatra tianao hatao? Mety tsy ho vitanao tsara izy roa. Niresaka momba an’izany ny tovovavy iray atao hoe Katherine. Izao no nolazainy: “Vitanao daholo ilay izy, fa vitanao kitoatoa.”

 “Nisy fotoana aho sady niresaka tamin’ny olona no niezaka namaly sms. Tsisy henoko ny ankamaroan’ny zavatra notenenin’ilay olona, sady diso koa ny ankamaroan’ny zavatra nosoratako tao amin’ilay sms.”—Caleb.

 Izao no nosoratan’ny manam-pahaizana iray atao hoe Sherry Turkle: “Rehefa manao zavatra be dia be indray miaraka ianao, ... dia tsy vitanao tsara intsony ilay zavatra ataonao. Miasa be mantsy ny atidohanao, dia mieritreritra ianao hoe mahavita zavatra tsara kokoa nefa ny mifanohitra amin’izay no izy.” a

 “Misy fotoana aho mieritreritra hoe sady mahavita mandefa sms no miresaka amin’ny olona. Avy eo anefa ny zavatra tokony hosoratako amin’ilay sms indray no lasa teneniko amin’ilay olona, dia ny zavatra tokony hoteneniko amin’ilay olona indray no lasa soratako ao amin’ilay sms!”—Tamara.

 Manasaro-javatra ny olona manao zavatra be dia be indray miaraka. Ela kokoa, ohatra, izy vao mahavita ny devoarany, na tsy maintsy averiny indray ilay izy satria tsy vitany tsara. Lasa tsy manam-potoana hanaovana zavatra hafa izy noho izany.

 Izao no nolazain’i Thomas Kersting, mpitsabo aretin-tsaina sady mpanome torohevitra ny mpianatra: “Hoatran’ny toerana fampirimana taratasy ny atidoha. Tokony hilamina tsara ilay izy. Mikorontana be anefa ny an’ny olona manao zavatra be dia be indray miaraka.” b

 “Rehefa manao zavatra be dia be indray miaraka ianao, dia lasa misy tsipirian-javatra tsy hitanao nefa tena ilaina. Lasa tsy maintsy miezaka be ianao, dia betsaka kokoa ny fotoana laninao amin’ilay izy.”—Teresa.

Hoatran’ny hoe miezaka mitondra fiara amin’ny lalana roa samy hafa ianao rehefa manao zavatra be dia be indray miaraka.

 Inona no tsara kokoa?

  •   Zavatra iray ihany ifantohana. Mety ho sarotra izany raha efa zatra nanao zavatra be dia be indray miaraka ianao. Ohatra hoe sady manao devoara no mandefa sms. Milaza anefa ny Baiboly hoe: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Ahoana raha mila manao zavatra be dia be ianao? Jereo izay zava-dehibe kokoa, dia iny atao voalohany. Mifantoha amin’iny zavatra iny avy eo mandra-pahavitan’ilay izy.

     “Azo oharina amin’ny zazakely ny atidohanao rehefa tsy mifantoka. Mila mifehy azy ianao, na dia mora kokoa aza ny mamela azy hanao izay tiany.”—Maria.

  •   Esory izay zavatra manelingelina. Te hijery ny telefaoninao foana ve ianao rehefa manao devoara? Aza avela ao amin’ny efitra misy anao ilay izy. Vonoy ny tele, ary aza mieritreritra ny hijery tambazotran-tserasera mihitsy! Milaza ny Baiboly hoe: “Mahaiza manararaotra fotoana.”—Kolosianina 4:5.

     “Tena mety be amiko ilay hoe zavatra iray ihany no ifantohana. Falifaly kokoa aho rehefa mahavita zavatra iray, dia mifindra amin’ny zavatra hafa. Tena afa-po be aho avy eo.”—Onya.

  •   Mifantoha amin’ilay olona iresahanao. Raha sady mikitikitika telefaonina ianao no miresaka amin’ny olona, dia lasa tsy mahafinaritra ny resakareo. Tsy mahalala fomba koa ianao raha manao an’izany. Milaza ny Baiboly hoe izay tiantsika hataon’ny olona amintsika no tokony hataontsika aminy.—Matio 7:12.

     “Misy fotoana aho miresaka amin’ny zandrinay vavy, dia ilaozany mandefa sms na manao zavatra hafa amin’ny telefaoniny. Sorena be aho rehefa hoatr’izany! Izaho koa anefa aloha manao hoatr’izany ihany indraindray e!—David.

a Avy amin’ilay boky hoe Reclaiming Conversation.

b Avy amin’ilay boky hoe Disconnected.