Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 3)

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 3)

 Salama sy tomady ary hoatran’ny tsy mety reraka mihitsy ny tanora amin’ny ankapobeny. Marary be anefa ny tanora sasany. Izany koa ve no mahazo anao? Raha izany dia mety hampahery anao ny tantaran’i V’loria sy Justin ary Nisa, izay samy Vavolombelon’i Jehovah. Diniho hoe ahoana no nahavitan’izy ireo niatrika ny aretiny.

 V’loria

 Voan’ny aretin-kozatra aho nanomboka tamin’izaho 14 taona. Voan’ny aretin’ny tonon-taolana sy aretin-koditra ary aretin’i Lyme koa aho tamin’izaho 20 taona. Sarotra aminao ny manao izay tianao rehefa mahatsapa foana ianao hoe kely hery. Tsy afaka mihetsika indraindray ny tapako ambany, dia mampiasa seza misy kodiarana aho.

 Mbola ratsy kokoa noho izany aza ny vokatr’ilay izy eo amin’ny saiko. Lasa manamelo-tena mantsy aho satria na zavatra tsotra kely aza tsy vitako, ohatra hoe manoratra na manokatra jaogy. Rehefa mahita ankizy mandehandeha aho, dia lasa saina hoe maninona aho no sahirana be vao mahavita an’izany. Hoatran’ny tsy mahavita n’inon’inona mihitsy aho.

 Soa ihany fa manampy ahy ny fianakaviako sy ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah misy ahy. Mitsidika ahy matetika ny mpiara-mivavaka amiko, ka tsy dia mahatsiaro ho manirery aho. Misy koa manasa ahy hiara-hikorana aminy, na dia tsy mora aza ny mibata ahy avy eo ambony seza misy kodiarana sy mampiditra ahy ao anaty fiara, dia avy eo indray mamoaka ahy avy ao.

 Ny zokiolona eo anivon’ny fiangonana no tena manampy ahy satria fantatry ry zareo tsara izany hoe marary izany. Ampian-dry zareo aho mba hanaiky fa voafetra ny zavatra vitako, sady tsy hanamelo-tena na dia tsy mahavita zavatra betsaka hoatran’ny hafa aza. Rehefa mandeha mivory sy manompo aho no tena faly. (Hebreo 10:25) Amin’ireny tsinona no ahitako hoe mba hoatran’ny olon-drehetra ihany aho na dia marary aza.

 Miezaka mitadidy aho hoe manome izay ilaintsika i Jehovah mba hahafahantsika hiaritra. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa na mihaosa aza ny tenan’ny olona ivelany, dia “havaozina isan’andro” ny ao anatiny. (2 Korintianina 4:16) Izany mihitsy no tsapako.

 Eritrereto izao: Raha manana aretina lehibe ianao, nahoana no zava-dehibe ny miezaka mifandray amin’ny hafa? Raha salama ianao, ahoana no azonao anampiana olona marary?—Ohabolana 17:17.

 Justin

 Nianjera aho indray mandeha dia tsy tafatsangana. Narary be ny tratrako sady tsy afaka nihetsika aho. Tonga aho dia nentina tany amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina. Tsy hitan’ny dokotera, tamin’ny voalohany, izay tena nahazo ahy. Nisy soritr’aretina maromaro niseho anefa tatỳ aoriana, ka fantatry ry zareo ihany hoe voan’ny aretin’i Lyme aho.

 Nisy vokany ratsy teo amin’ny rafi-pitatitro ilay aretiko. Efa taona maro lasa izay no nahitana an’ilay aretina, nefa mbola mangovingovitra be foana aho sady tsy voafehy mihitsy ilay izy indraindray. Misy fotoana koa manaintaina be ny vatako na ny rantsantanako, dia tsy vitako ny manetsika azy. Hoatran’ny hoe harafesina daholo ny tonon-taolako.

 Hozy foana aho taloha: ‘Tsy tokony harary hoatr’izao aho fa mbola tanora loatra.’ Nahatezitra ahy ny nieritreritra an’izany. Sady nitomany aho isan’andro no niteny tamin’Andriamanitra hoe: “Fa maninona aho no tratran’izao?” Nanomboka nieritreritra mihitsy aza aho hoe nanary ahy Andriamanitra. Fa avy eo aho nisaintsaina momba an’i Joba, ilay ao amin’ny Baiboly. Tsy tena azony hoe nahoana izy no niatrika olana be dia be. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra anefa izy. Raha i Joba aza nahavita an’izany, izaho ve dia tsy hahavita?

 Tena nanohana ahy ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana misy ahy. Mitsidika ahy foana ry zareo sady manontany ny fahasalamako. Nisy anti-panahy iray nilaza tamiko hoe afaka miantso azy foana aho rehefa te hiresaka, na amin’ny firy na amin’ny firy. Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho nomeny namana hoatr’ireny.—Isaia 32:1, 2.

 Rehefa miatrika aretina lehibe isika, dia hadinontsika indraindray hoe fantatr’i Jehovah ny mahazo antsika. Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Miezaka manao an’izany aho isan’andro.

 Eritrereto izao: Nahoana no afaka manampy anao hiaritra ny aretina mahazo anao ny olona tia anao?—Ohabolana 24:10; 1 Tesalonianina 5:11.

 Nisa

 Fantatra hoe voan’ny aretin’i Marfan aho tamin’izaho 15 taona teo ho eo. Mampahalemy ny tonon-taolana io aretina io, sady mety hisy vokany amin’ny fo sy ny maso ary ny taova hafa. Tsy isan’andro akory aho no manaintaina, nefa rehefa mihetsika ilay aretina dia marary be mihitsy.

 Nigogogogo nitomany aho tamin’ny vao nahafantatra hoe voan’ilay aretina. Nanahy aho satria mety tsy ho afaka hanao ny zavatra tiako intsony. Tia mandihy, ohatra, aho, nefa raha manao an’izany aho any aoriana any dia mety hanaintaina be ny vatako. Mety tsy ho vitako hatramin’ny mamindra aza. Matahotra aho rehefa mieritreritra an’izany.

 Tena nanohana ahy ny zokiko vavy. Nanampy ahy tsy hitsetra tena intsony izy. Niteny tamiko izy hoe tsy tokony hatahotra aho satria hampijaly ahy fotsiny izany. Nampirisihiny hazoto hivavaka koa aho, satria i Jehovah no tena mahalala sy mahatakatra ny manjo ahy.—1 Petera 5:7.

 Anisan’ny tena mampahery ahy ny Salamo 18:6 hoe: “Niantso an’i Jehovah foana aho, tao anatin’ny fahoriako. Ilay Andriamanitro no nilako vonjy. Tao an-tempoliny izy no nandre ny feoko, ary ren’ny sofiny aho rehefa niantso vonjy.” Lasa fantatro hoe hihaino sy hanampy ahy i Jehovah rehefa mivavaka aminy sy mangataka ny fanampiany aho. Eo foana izy rehefa mila azy aho.

 Nianarako hoe ara-dalàna raha malahelo sy kivy isika rehefa misy olana mahazo antsika. Tsy tokony havelantsika hahazo vahana eo amin’ny fiainantsika anefa ireo fihetseham-po ireo, na hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Tsy izy no mahatonga ny olana mahazo antsika, ary tsy handao antsika mihitsy izy raha mifandray tsara aminy foana isika.—Jakoba 4:8.

 Eritrereto izao: Andriamanitra ve no mahatonga antsika hijaly?—Jakoba 1:13.