Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 2)

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 2)

 Samy hafa ny aretina mahazo ny olona.

  •   Vao jerena ny olona sasany dia tonga dia hita hoe marary. Misy kosa tsy hita soritra etỳ ivelany mihitsy ny aretiny.

  •   Misy koa aretina “manao an’androny”, ka tsindraindray ihany vao mihetsika. Ny an’ny hafa indray anefa “aretina mitaiza”, ka tsy maintsy iaretana eny isan’andro.

  •   Azo sitranina ny aretina sasany, na mba atao fotsiny izay tsy hampihetsika be an’ilay izy. Misy anefa vao mainka miharatsy ary mety hahafaty mihitsy.

 Tanora maro no miatrika aretina toy ireo. Andeha isika hijery ny tenin’ny tanora efatra. Hampahery anao izany, raha marary koa ianao.

 GUÉNAELLE

 Ny tena mafy amiko dia ny mieritreritra hoe tsy mba afaka manao an’izay fanaon’ny olona aho. Be dia be ny zavatra tiako hatao, nefa tsy maintsy amboariko ny saiko hoe tsy ho vitako ilay izy.

 Tsy tena afaka mibaiko tsara ny hozatra amin’ny vatako ny atidohako, ka lasa tsy mahahetsika tampoka ny tongotro na ny tanako, fa mangovitra fotsiny. Indraindray aza zavatra tsotra kely dia efa sarotra amiko, ohatra hoe mihetsika, miresaka, mamaky teny, na manoratra. Misy fotoana koa aho tsy mahazo resaka mihitsy. Rehefa mihetsika be ny aretiko, dia miara-mivavaka amiko ny anti-panahin’ny fiangonana. Dia mihatony aho avy eo.

 Tsapako hoe n’inona n’inona mahazo ahy, dia eo foana i Jehovah Andriamanitra hanampy ahy. Na dia marary aza aho, dia ataoko foana izay hanompoana azy amin’ny foko manontolo. Miezaka foana aho manampy olona hianatra Baiboly. Tsy ataoko ambanin-javatra mihitsy izany, satria amin’izay fantatr’izy ireo fa tsy ho ela i Jehovah dia hanova ny tany ho paradisa ka tsy hisy intsony ny fijaliana.—Apokalypsy 21:1-4.

 Eritrereto izao: Inona no azonao atao mba hanampiana ny hafa, toy ny nataon’i Guénaelle?—1 Korintianina 10:24.

 ZACHARY

 Niteny ny dokotera, tamin’izaho 16 taona, hoe misy kansera ao amin’ny atidohako. Efa tena ratsy be ilay izy, ka nilaza ry zareo hoe afaka valo volana aho dia ho faty. Ady mafy ny fiainako nanomboka teo.

 Tsy mahavita mihetsika ny ilako ankavanana, ka tsy afaka mandeha aho. Mila olona foana aho mba hanampy ahy ato an-trano.

 Izaho anefa taloha tsy mba nipetrapetraka izany mihitsy. Nanao baskety sy voley aho, sady nanao ski teny ambony rano. Vavolombelon’i Jehovah koa aho ka tena nazoto nitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Niharatsy foana anefa ny aretiko ka lasa tsy nazava tsara intsony ny teniko. Mino aho fa maro no tsy hahatsapa mihitsy hoe hoatran’ny ahoana izany hoe tsy mahavita intsony an’izay zavatra tena tianao izany.

 Tena mampahery ahy ny Isaia 57:15 satria manome toky fa eo foana i Jehovah hanampy ahy. Lazainy ao tsinona hoe miahy an’ireo “torotoro fo” izy. Milaza koa ny Isaia 35:6 fa mampanantena i Jehovah hoe mbola ho salama sy handeha indray aho, ka ho afaka hanompo azy araka izay tiako.

 Tena mijaly be aho indraindray, nefa matoky aho fa manohana ahy i Jehovah. Mivavaka aminy aho rehefa kivy be ka mila olona hiresahana, na koa rehefa mieritreritra hoe izaho ve dia ho faty. Tsapako mihitsy hoe tena tia ahy foana i Jehovah, n’inona n’inona mahazo ahy.—Romanina 8:39.

 Mampalahelo fa nodimandry i Zachary tamin’izy 18 taona, roa volana taorian’ny nilazany an’ireo teny ireo. Nino foana izy mandra-pahafatiny hoe mbola hatsangan’i Jehovah ny maty, ka hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany.

 Eritrereto izao: Nahoana ny vavaka no hanampy anao hatoky, toa an’i Zachary, hoe tena tia anao i Jehovah?

 ANAÏS

 Vao teraka andro vitsivitsy aho, dia nisy nandeha ra tao anaty atidohako. Lasa tsy afaka nihetsika àry ny vatako, indrindra fa ny tongotro.

 Efa afaka mamindra kely aho izao raha misy zavatra itazonana. Tsy maintsy mampiasa seza mikorisa anefa aho vao afaka mandehandeha. Mikainkona tampoka koa ny hozatro ka misy zavatra sasany lasa sarotra amiko, ohatra hoe manoratra.

 Ny aretiko efa mahakivy nefa ilay fitsaboana koa tena mandreraka. Niotra foana aho efa hatramin’ny mbola kely. Dimy taona aho dia efa nodidiana, ary mbola nisy fandidiana lehibe telo koa natao tatỳ aoriana. Ny fandidiana roa farany no tena mafy tamiko. Tsy navela nody manko aho raha tsy afaka telo volana, satria mbola nila fanaraha-maso.

 Soa ihany fa tena manampy ahy ny fianakaviako. Mihomehy foana izahay, ka mba hadinodinoko ny zavatra mahakivy ahy. Tsy afaka mikarakara tena koa aho, dia mamanay sy ny zokiko vavy ary ilay kambana amiko no manamboamboatra ny paoziko. Malahelo erỳ aho fa tsy mba afaka manao an’ireny kiraro avo ireny. Soa ihany aloha fa efa nanao ihany aho tamin’ny mbola zazakely e. Natsofoko tamin’ny tanako roa ny ilany sy ny ilany, dia nandady aho! Toran’ny hehy daholo ny tao an-trano!

 Tsy mifantoka be amin’ny aretiko anefa aho, fa aleoko mianatra teny vahiny. Milomano koa aho, satria efa tsy afaka manao ski ihany! Izaho moa Vavolombelon’i Jehovah, dia tena tiako koa ny mandeha mitory. Sady mba hoatran’ny liana ihany ny olona, rehefa izaho no miresaka amin-dry zareo.

 Mbola kely aho dia efa nampianarin’ny dadanay sy mamanay hoe mbola ho sitrana aho. Efa hatramin’izany aho no nino an’i Jehovah sady natoky hoe mbola hofoanany ny fanaintainana, ka anisan’izany ny aretiko. Izany no mahatonga ahy tsy ho kivy be.—Apokalypsy 21:3, 4.

 Eritrereto izao: Inona no azonao atao mba tsy hifantoka be loatra amin’ny aretinao, fa hanahaka an’i Anaïs?

 JULIANA

 Mampijaly be ny aretiko satria ny hery fiarovana ao anatiko ihany no manapotika ny sela amin’ny voako. Mety ho tratra koa anefa ny foko sy ny havokavoko ary ny rako.

 Vao folo taona aho dia efa voan’ilay aretina. Sady mampanaintaina ilay izy, no mandreraka be. Izaho koa lasa mora malahelo sy kivy. Imbetsaka aho no mahatsiaro hoe tsy misy dikany intsony.

 Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory tamiko, tamin’izaho 13 taona. Novakiny ilay tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 41:10 hoe: “Aza matahotra fa momba anao aho. ... Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho taorian’izay. Efa valo taona izay no lasa, ary manompo an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho izao. Tapa-kevitra aho hoe tsy ny aretiko mihitsy no avelako hibaiko ny fiainako. Tsapako fa manome ahy “hery fanampiny” i Jehovah, ka tsy kivy be aho fa mba mieritreritra zavatra tsara foana.—2 Korintianina 4:7.

 Eritrereto izao: Nahoana no hanampy anao hifantoka amin’ny zavatra tsara foana ny Isaia 41:10, toy ny nataon’i Juliana?