Ho An’ny Filipianina 4:1-23

  • Miraisa saina, mifalia, zavatra tsara saintsainina (1-9)

    • Aza manahy na amin’inona na amin’inona (6, 7)

  • Fankasitrahana ny fanomezan’ny Filipianina (10-20)

  • Firarian-tsoa (21-23)

4  Noho izany, ry rahalahy tena tiako sy mahamanina ahy, ry fifaliako sy satroboninahitro,+ ry malalako, miezaha ho mafy orina+ toy izany ao amin’ny Tompo.  Mampirisika an’i Eodia aho, sady mampirisika an’i Syntyke koa, mba hiray saina ao amin’ny Tompo.+  Ary mangataka anao aho, ry ilay tena mpiara-miasa* amiko, mba hanampy azy roa vavy foana. Niezaka be* nitory ny vaovao tsara niaraka tamiko mantsy izy roa vavy, sady niaraka tamin’i Klementa sy ny mpiara-miasa amiko hafa, izay samy voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana.+  Mifalia foana noho ny amin’ny Tompo. Averiko ihany hoe: Mifalia!+  Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja*+ ianareo. Akaiky ny Tompo.  Aza manahy na amin’inona na amin’inona,+ fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana.+  Ary ny fiadanan’Andriamanitra,+ izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo+ sy ny sainareo* amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.  Ary farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe,* na inona na inona mety,* na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona mendrika, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana saintsainina.*+  Ataovy foana izay zavatra nianaranareo sady nekenareo sy henonareo ary hitanareo tamiko.+ Ary hitahy anareo anie ilay Andriamanitry ny fiadanana! 10  Tena faly be aho noho ny amin’ny Tompo, satria ela ny ela ka lasa mieritreritra an’izay mahasoa ahy indray ianareo izao.+ Efa tena nieritreritra ny hanampy ahy ihany ianareo, saingy tsy nahita hirika. 11  Tsy hoe sahirana aho matoa miteny an’izany. Efa nianatra ny hianina* amin’izay zava-misy eo mantsy aho.+ 12  Haiko ny hoe mihafy,+ nefa haiko koa ny hoe manam-be. Nianatra ny ho afa-po* foana aho na voky na noana, ary na manam-be na tsy manana mihitsy, na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainako. 13  Fa manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.+ 14  Na izany aza, dia tsara ny nataonareo satria nanampy ahy tamin’ny fahoriako ianareo. 15  Fantatrareo Filipianina koa fa tsy mba nisy fiangonana nanampy ahy na nanaiky hampiako, afa-tsy ianareo ihany, tamin’ianareo vao naheno momba ny vaovao tsara, rehefa niala tany Makedonia aho.+ 16  Tamin’izaho mbola tany Tesalonika mantsy, dia nandefa zavatra ho ahy ianareo, ary tsy indray mandeha fotsiny fa indroa, mba hahazoako an’izay nilaiko. 17  Tsy hoe te hahazo fanomezana aho, fa tiako raha mba manao zavatra tsara foana ianareo mba hitombo ny harenanareo.* 18  Manana an’izay rehetra ilaiko anefa aho, ary mihoatra aza. Tsy misy mahory ahy mihitsy izao, satria voaraiko ny zavatra nampitondrainareo an’i Epafrodito.+ Hanitra mahafinaritra+ sy sorona ankasitrahan’Andriamanitra ireny zavatra ireny sady tena mahafaly azy. 19  Ary ilay Andriamanitro izay manan-karena voninahitra kosa no hanome anareo an’izay ilainareo,+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. 20  Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena. 21  Mampamangy any amin’ny olona masina rehetra tafaray amin’i Kristy Jesosy. Mampamangy, hono, ianareo, hoy ireo rahalahy eto amiko. 22  Mampamangy, hono, ianareo, hoy ny olona masina rehetra, indrindra fa izay ao an-dapan’i* Kaisara.+ 23  Enga anie ianareo hanehoan’i Jesosy Kristy Tompo hatsaram-panahy miavaka satria manana toe-tsaina tsara!

Fanamarihana

Abt: “mpiray zioga.”
Na: “Niady mafy.”
Na: “mandefitra.”
Na: “ny eritreritrareo.”
Na: “eritreretina; atao an-tsaina.”
Na: “mendri-kaja.”
Na: “mety eo imason’Andriamanitra.”
Na: “ho afa-po.”
Na: “Nianatra ny tsiambaratelon’ny hoe afa-po.”
Toy ny hoe ampitomboin’Andriamanitra ny vola ao amin’ny kaontin’ny Filipianina, noho ny zavatra tsara ataony.
Abt: “ny ankohonan’i.”