Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 3: Ataovy Izay Handraisana Soa Faran’izay Betsaka Rehefa Mamaky Baiboly

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 3: Ataovy Izay Handraisana Soa Faran’izay Betsaka Rehefa Mamaky Baiboly

 Soratra be dia be no ho hitanao rehefa manokatra Baiboly ianao. Aza atao mahakivy anao anefa izany, fa ataovy hoatran’ny hoe latabatra feno sakafo isan-karazany ny Baiboly. Tsy ho laninao daholo izay hitan’ny masonao, nefa afaka mifantina an’izay hahavoky tsara anao ianao.

 Mila mifantoka amin’izay vakinao ianao raha te handray soa feno rehefa mamaky Baiboly. Hanampy anao amin’izany ity lahatsoratra ity.

Ho hitantsika ato ireto:

 Fa maninona ianao no mila mifantoka tsara amin’izay vakinao?

 Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia arakaraka ny ezaka ataonao ny soa ho azonao. Eritrereto, ohatra, hoe hisotro dite ianao dia mampiasa an’ireny ravina dite ao anaty fonosana kely ireny. Raha atsobokao vetivety fotsiny ao anaty rano mafana ilay fonosana kely, dia hisy tsirony kely ihany ilay dite. Vao mainka hatsiro anefa ilay izy raha avelanao hilona elaela ao ilay fonosana kely.

 Tsy misy hafa amin’izany ny famakiana Baiboly. Aza maimaika ny hahavita fotsiny, fa makà fotoana hisaintsaina an’izay vakinao. Izany no nataon’ilay mpanoratra ny Salamo faha-119. Nilaza izy hoe ‘saintsaininy tontolo andro’ ny lalàn’Andriamanitra.​—Salamo 119:97.

 Midika ve izany hoe mila manokana iray andro tontolo ianao mba hamakiana Baiboly sy hisaintsainana an’izay vakinao? Mazava ho azy fa tsia. Ny tokony hotadidina dia hoe nanokana fotoana hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra ilay mpanao salamo. Lasa nahay nanapa-kevitra izy rehefa nanao an’izany.​—Salamo 119:98-100.

 “Izao no notenenin’ny mamanay tamiko, indray mandeha izay: ‘Manana fito andro be izao indrỳ ao anatin’ny herinandro, dia efa anaovan-drỳ zavatra ho an-drỳ manokana ny ankamaroany. Ka maninona moa raha mba asiana fotoana kely ho an’i Jehovah? Tsy hitan-drỳ hoe rariny ve izany?’”​—Melanie.

 Rehefa misaintsaina ny toro lalan’ny Baiboly ianao dia hahay hanapa-kevitra kokoa, ohatra hoe rehefa mifidy namana na rehefa alaim-panahy hanao ratsy.

 Inona no tokony hataonao raha te handray soa faran’izay betsaka ianao rehefa mamaky Baiboly?

  •   Manaova fandaharana mialoha. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Julia: “Manaova fandaharana raikitra hamakiana Baiboly. Fantaro mialoha hoe inona ilay hovakinao, rahoviana ilay izy no hovakina, dia aiza ianao no hamaky azy.”

  •   Aza avela hisy hanelingelina anao. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Gianna: “Mitadiava toerana mangina. Ampahafantaro koa ny ao amin’ny fianakavianao hoe isaky ny inona ianao no mamaky Baiboly, amin’izay ry zareo tsy hanakotaba anao.”

     Raha mampiasa fitaovana elektronika ianao, dia vonoy daholo ny filazana hafatra. Afaka manandrana mampiasa Baiboly vita pirinty mihitsy aza ianao. Hita tamin’ny fikarohana mantsy hoe mora azo kokoa ny zavatra vakina rehefa boky vita pirinty no amakiana azy. Mety tsy hahavita hifantoka be kosa ianao raha fitaovana elektronika no ampiasainao.

     “Mora miriorio be ny saiko rehefa fitaovana elektronika no amakiako teny. Misy hafatra kely mipoitra mantsy indraindray, na lany ny bateria, na tapaka ny Internet. Tsisy an’izany rehetra izany anefa rehefa boky vita pirinty no ampiasaiko. Toerana mazava fotsiny no ilaiko dia izay.”​—Elena.

  •   Mivavaha aloha. Angataho i Jehovah hanampy anao hahazo tsara an’ilay ampahany tianao hovakina ao amin’ny Baiboly sy hitadidy an’ilay izy ary handray soa avy amin’ilay izy.​—Jakoba 1:5.

     Ahoana no ampisehoanao hoe tianao ho tanteraka ilay vavaka? Fakafakao tsara ilay tantara vakinao. Raha mampiasa an’ilay programa hoe JW Library, ohatra, ianao na mamaky Baiboly ao amin’ny Internet, dia azonao tsindriana eo amin’izay andininy mahaliana anao. Hahita fanazavana fanampiny sy lahatsoratra momba an’ilay izy ianao avy eo.

  •   Mametraha fanontaniana. Ohatra hoe: ‘Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah? Misy toetran’i Jehovah azoko tahafina ve eto?’ (Efesianina 5:1) ‘Inona no lesona avy amin’ity tantara ity ka azoko ampiharina eo amin’ny fiainako?’ (Salamo 119:105) ‘Mety ho azoko ampiasaina mba hanampiana olona ve ity zavatra vakiko ity?’​—Romanina 1:11.

     Eritrereto koa hoe: ‘Inona no ifandraisan’ity zavatra vakiko ity amin’ny foto-kevitry ny Baiboly?’ Tena zava-dehibe io fanontaniana io. Mifandray amin’ny foto-kevitra iray daholo mantsy ny zavatra resahin’ny Baiboly, manomboka any amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Tsy inona izany fa ny hoe hampiasa an’ilay Fanjakany any an-danitra i Jehovah mba hanamasinana ny anarany, ary hoporofoiny hoe izy no manan-jo hitondra sy mahay mitondra indrindra.