Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Fametavetana? Fizarana 2: Ahoana Raha Efa Niharan’izany Aho?

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Fametavetana? Fizarana 2: Ahoana Raha Efa Niharan’izany Aho?

 Aza manamelo-tena

 Tena mahamenatra an’ireo olona nisy nametaveta ny zava-nitranga taminy. Misy aza manamelo-tena mihitsy. Anisan’izany i Karen, 19 taona. Nisy nametaveta foana izy tamin’izy 6 taona ka hatramin’ny 13 taona. Hoy izy: “Manome tsiny ny tenako aho, ka izany no tena mafy amiko. Lasa saina aho hoe naninona àry aho no nanaiky hovetavetain’ny olona hoatr’ireny, nandritra ny taona maro?”

 Mety hanampy anao ireto fanazavana ireto, raha manamelo-tena toy izany koa ianao:

  •   Mbola tsy vonona hanao firaisana mihitsy ny ankizy, na ara-batana izany na ara-pihetseham-po. Tsy misy fantany ny momba ny firaisana, ka tsy ho sitrapony mihitsy ny hanao an’ilay izy. Tsy fahadisoan’ilay ankizy àry raha misy mametaveta izy.

  •   Matoky an’ireo olon-dehibe ny ankizy sady tsotra loatra, ka tsy maharaka ny hafetsifetsen’ny olon-dratsy. Izany no mahatonga azy ho mora lasibatra. Hoy ny boky The Right to Innocence: “‘Mpamitaka gaigilahy’ ny mpametaveta, ka tsy ampy amidiny mihitsy ny ankizy.”

  •   Mety hahatsapa fahafinaretana ny ankizy rehefa misy mametaveta. Tadidio fa zavatra mandeha ho azy izany, rehefa voakasikasika ny faritra sasany amin’ny vatana. Tsy midika anefa izany hoe diso ianao, na nanaiky an-tsitrapo hanao an’ilay izy.

 Andramo izao: Mieritrereta ankizikely iray mitovy taona aminao tamin’ianao nisy nametaveta. Ho rariny ve ny hanomezana tsiny an’io zaza io, raha misy mametaveta izy?

 Hoatran’izany no nataon’i Karen tamin’izy nikarama nitaiza ankizy anankitelo. Efa ho enin-taona ny iray tamin’izy ireo, izany hoe nitovy taona taminy tamin’izy nanomboka nisy nametaveta. Hoy i Karen: “Hitako hoe tena mora hararaotina ny ankizy amin’io taonany io, ary hoatr’izany mihitsy aho tamin’izay.”

 Tsara ho fantatra: Ilay mpametaveta no diso. Hoy ny Baiboly: “Ny ratsy fanahy ihany no hizaka ny vokatry ny faharatsiany.”—Ezekiela 18:20.

 Miresaha amin’ny olona azonao itokisana

 Mety hahatsiaro ho maivamaivana ianao raha manao an’izany. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

 Ara-dalàna raha mieritreritra ianao hoe aleo tsy miteniteny. Hoatran’ny hoe manangana manda fiarovana ianao amin’izany. Tadidio anefa fa izany koa no mety hisakana anao tsy hahazo fanampiana.

Hoatran’ny hoe manangana manda fiarovana ianao rehefa tsy miteniteny. Tadidio anefa fa izany koa no mety hisakana anao tsy hahazo fanampiana

 Nahatsiaro ho maivamaivana ny tovovavy atao hoe Janet, rehefa noresahiny tamin’olona ny zava-nitranga taminy. Hoy izy: “Olona fantatro sy tena natokisako no nametaveta ahy tamin’izaho mbola kely, ary tsy noteneniko tamin’iza n’iza izany nandritra ny taona maro. Hoatran’ny hoe nisy enta-mavesatra nesorina anefa tamiko rehefa noresahiko tamin’i Neny ilay izy.”

 Azon’i Janet tsara hoe nahoana no tsy sahy miresaka an’ilay izy ny olona sasany. Hoy izy: “Zavatra mahamenatra be izany miresaka fametavetana izany. Hitako anefa hoe nijaly be aho rehefa nokoboniko ho ahy samirery ilay izy. Tsy tokony ho niandry ela aho vao niresaka.”

 “Misy fotoana anasitranana”

 Mety hanana hevi-diso ianao rehefa nisy nametaveta. Mety hieritreritra, ohatra, ianao hoe potika ny fiainanao, tsy misy dikany intsony ianao, na ataon’ny olona fanaovana firaisana fotsiny. Fantaro anefa fa misy ny “fotoana anasitranana”, ka afaka miala amin’izany hevi-diso izany ianao. (Mpitoriteny 3:3) Inona no hanampy anao amin’izany?

 Fianarana Baiboly. Hitantsika ao amin’ny Baiboly ny hevitr’Andriamanitra. Tena “mahery” izy io, ka afaka ‘mandrava zavatra efa mafy orina’, anisan’izany ireo hevi-diso momba ny tenanao. (2 Korintianina 10:4, 5) Azonao vakina sy saintsainina, ohatra, ireto andinin-teny ireto: Isaia 41:10; Jeremia 31:3; Malakia 3:16, 17; Lioka 12:6, 7; 1 Jaona 3:19, 20.

 Vavaka. “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao”, raha manamelo-tena ianao na mahatsiaro ho tsy misy vidiny. (Salamo 55:22) Eo anilanao foana izy.

 Anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Efa nahazo fampiofanana ireo lehilahy kristianina ireo, mba ho “fierena amin’ny rivotra, sy fialofana amin’ny oram-baratra.” (Isaia 32:2) Afaka manampy anao izy ireo, mba tsy hanamelo-tena be loatra ianao ka hanana fiainana ara-dalàna indray.

 Namana tsara. Diniho ny fiainan’ireo lehilahy sy vehivavy manome ohatra tsara. Hoatran’ny ahoana ny fomba ifampitondrany? Ho hitanao avy amin’izany fa tsy ny olona rehetra no manararaotra ny olona tiany.

 Nahatsapa an’izany mihitsy ilay tovovavy atao hoe Tanya. Lehilahy maro no nametaveta azy tamin’izy mbola kely. Hoy izy: “Izay lehilahy nifandray am-po tamiko dia namadika ahy daholo.” Tsapan’i Tanya anefa, tatỳ aoriana, hoe misy ihany ny lehilahy tena tia fa tsy mihatsaravelatsihy. Ahoana no nahitany an’izany?

 Nifanerasera tamin’ny mpivady Kristianina iray i Tanya. Hoy izy: “Hitako tamin’ny zavatra nataon’ny vadin’ilay vehivavy fa tsy ny lehilahy rehetra no mpanararaotra. Niaro ny vadiny izy, ary izany mihitsy no tian’Andriamanitra hataon’ny lehilahy.” aEfesianina 5:28, 29.

a Mila manatona dokotera ianao raha ketraka lava, tsy mazoto homana foana, mampijaly tena, tia mihinana fanafody fampitonena, tsy dia mahita tory, na mitady hamono tena.