Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Ataoko fa Tsy Voafehiko ny Hatezerako?

Inona no Ataoko fa Tsy Voafehiko ny Hatezerako?

 Diniho ny tenanao

  •  Impiry ianao no tezitra?

    •  mahalana

    •  indraindray

    •  isan’andro

  •  Hoatran’ny ahoana ny hamafin’ny hatezeranao?

    •  antonontonony

    •  mafy

    •  tsy voafehy mihitsy

  •  Amin’iza ianao matetika no tezitra?

    •  Dada na Neny

    •  iray tam-po

    •  namana

 Hanampy anao ity lahatsoratra ity, raha tsy voafehinao ny hatezeranao. Andeha aloha hodinihintsika hoe nahoana no tsara ny tony foana rehefa misy mampahatezitra.

 Nahoana izany no ilaina fantarina?

 Ny fahasalamanao. Hoy ny Ohabolana 14:30: “Mamelombelona ny vatana ny fo tony.” Milaza kosa ny Journal of Medicine and Life fa “mety hiteraka aretim-po ny hatezerana.”

 Ny namanao. Hoy ny Baiboly: “Aza minamana amin’ny olona mora tezitra, ary aza mifanerasera amin’ny olona mora misafoaka.” (Ohabolana 22:24) Raha mora tezitra àry ianao, dia aza gaga raha mihatakataka aminao ny olona. Hoy ilay tovovavy atao hoe Jasmine: “Ho very namana ianao, raha tsy mianatra mifehy ny hatezeranao.”

 Ny lazanao. Hoy i Ethan, 17 taona: “Raha tsy mahafehy ny hatezeranao ianao, dia ho fantatry ny olona izany, ary hisy vokany amin’ny fiheverany anao.” Saintsaino àry hoe: ‘Olona tsy tia ady sa olona mora tezitra no tiako hahafantaran’ny olona ahy?’ Hoy ny Baiboly: “Ny olona tsy mora tezitra dia tena manana fahaiza-manavaka, fa mampiharihary ny hadalany kosa ny olona tsy manam-paharetana.”—Ohabolana 14:29.

Ihatakatahan’ny hafa ny olona mora tezitra

 Inona no azonao atao?

 Diniho ireto andinin-teny ireto sy ny tenin’ny olona eo ambaniny, ary saintsaino ireo fanontaniana miaraka aminy.

  •   Ohabolana 29:22: “Izay mora tezitra mampisy fifandirana, ary izay mora misafoaka dia be fahadisoana.”

     “Tena tsy nahafehy ny hatezerako aho tamin’izaho folo taona mahery kely. Hoatr’izany koa ny havan’i Dada. Hoatran’ny hoe ao amin’ny ranay mihitsy ilay izy. Sarotra aminay ny mifehy hatezerana.”—Kerri.

     Mora tezitra ve aho? Raha vitako ny miezaka hanana toetra tsara, nahoana moa no tsy ho vitako ny hifehy ny hatezerako?

  •   Ohabolana 15:1: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.”

     “Mila mianatra mifehy ny fihetseham-ponao ianao. Ho afaka hifehy ny hatezeranao ianao, raha miezaka ny halemy fanahy sy hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra.”—Daryl.

     Nahoana aho no mila mitandrina amin’izay mety ho fihetsiko voalohany, rehefa misy mampahatezitra ahy?

  •   Ohabolana 26:20: “Maty ny afo rehefa tsy misy kitay.”

     “Na tezitra aza ilay olona miresaka amiko, dia matetika no lasa tony izy rehefa tsara fanahy aminy aho. Voafehy ilay hatezerana avy eo, dia afaka miresaka tsara izahay.”—Jasmine.

     Rehefa maninona ny teniko na ny fihetsiko no mety hoe vao mainka mampahatezitra ny hafa?

  •   Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”

     “Indraindray aho mila miala teo mihitsy aloha, dia misaintsaina an’ilay zava-nitranga. Afaka mandamina an’ilay izy aho avy eo rehefa tony tsara.”—Gary.

     Rahoviana aho no tokony hiala rehefa misy zavatra mahatezitra, nefa tsy hoatran’ny hoe manao tsinontsinona an’ilay olona niresaka tamiko?

  •   Jakoba 3:2: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’

     “Tokony hanenina isika rehefa diso, nefa koa mila mandray lesona avy amin’ilay izy. Tsy tokony ho kivy isika raha namerina an’ilay fahadisoana, fa tokony ho tapa-kevitra ny hihatsara foana.”—Kerri.

 Soso-kevitra: Manàna tanjona, ohatra hoe mba tsy hisafoaka mandritra ny fotoana kelikely, angamba iray volana. Soraty amin’ny karine ny fandrosoana vitanao.