Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao fa Te Hihena Aho?

Inona no Azoko Atao fa Te Hihena Aho?

 Tena mila mihena ve aho?

 Misy tanora milaza hoe te hihena. Izao anefa ny olana:

  •   Ny ho tsara bika no tanjony fa tsy ny ho salama. Te hihena haingana ny sasany, ka mihinana fanafody mampihena. Ny hafa indray manapatapaka sakafo, ohatra hoe tsy mihinana sakafo maraina na hariva. Matetika anefa izany no tsy mahomby akory, sady mety hampidi-doza mihitsy.

     “Tsy mihinan-kanina mihitsy ny ankizivavy sasany, amin’izay mihena haingana. Misy vokany ratsy anefa izany, dia ela be ny vatany vao miverina amin’ny laoniny indray.”—Hailey.

  •   Efa mety tsara ny habeny. Mety hieritreritra izy ireo hoe matavy, satria mampitaha ny tenany amin’ny namany. Mampitaha ny tenany amin’ireo olona amin’ny tele sy internet ary boky koa angamba izy ireo. Aseho amin’izy ireny mantsy hoe ny olona mahia kely, hono, no tsara bika.

     “Nampitaha ny tenako tamin’ny namako aho tamin’izaho 13 taona. Nieritreritra aho hoe ho tian-dry zareo kokoa aho izao raha mitovy aminy. Tsy maintsy nanao mahia kely hoatran’ny tahon-kifafa anefa aho raha izay.”—Paola.

 Ny tanora hafa indray tena mila mihena. Izao ny tatitra navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana:

  •   Tanora 5 ka hatramin’ny 19 taona miisa 340 tapitrisa eo ho eo eran-tany no matavy loatra.

  •   Ny 4 isan-jaton’ny tanora 5 ka hatramin’ny 19 taona ihany no matavy loatra, tamin’ny 1975. Lasa 18 isan-jato anefa izany tamin’ny 2016.

  •   Fahita kokoa ny olona matavy loatra noho ny olona mahia, any amin’ny tany maro.

  •   Betsaka koa ny olona matavy loatra, na dia any amin’ny tany mahantra aza. Misy amin’izy ireny aza anisan’ny fianakaviana ampy sakafo tsara. Ny karazana sakafo haniny fotsiny no tsy ampy otrikaina, dia izay no mampahatavy azy.

 Inona no zavatra tsara indrindra azo atao raha te hihena?

 Iza amin’ireto no hofidinao?

  1.   Manapatapaka sakafo.

  2.   Manao fanatanjahan-tena sady mihinana sakafo mahasalama.

  3.   Mihinana fanafody mampihena.

 Valiny marina: 2. Manao fanatanjahan-tena sady mihinana sakafo mahasalama.

 Misy olona te hihena haingana, ka tsy mihinana karazana sakafo sasany. Misy indray manapatapaka sakafo, ohatra hoe tsy mihinana sakafo maraina na hariva. Mety hankarary anefa izany. Hiverina amin’ny lanjany teo aloha koa izy rehefa misakafo hoatran’ny mahazatra indray.

 Raha ny ho salama anefa no hataonao tanjona, dia tsy vitan’ny hoe ho lasa salama ianao fa ho tsara koa ny bikanao. “Ny fomba fiainanao mihitsy no mila ovana, ary tokony hoe azonao tohizina foana ilay izy. ... Izany no fomba azo antoka sy mahasalama indrindra sady misy vokany maharitra indrindra”, araka ny tenin’ny Dr. Michael Bradley. a Inona no tiany holazaina? Tsy tokony hifantoka be loatra amin’ny resaka sakafo ianao raha te hihena, fa ny fomba fiainanao mihitsy no mila ovana.

 Ahoana no hanaovana azy?

 Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hahay handanjalanja eo amin’izay zavatra fanaontsika’, anisan’izany ny resaka sakafo. (1 Timoty 3:11) Milaza mihitsy aza izy io hoe mila mitandrina isika mba tsy hihinana tafahoatra. (Ohabolana 23:20; Lioka 21:34) Tadidio tsara ireo toro lalana ireo, ary araho ireto torohevitra ireto raha te ho salama ianao:

  •   Fantaro hoe inona no sakafo mahasalama.

     Tsy voatery handalina be momba ny sakafo ianao, na hoe izany foana no resahinao sy eritreretinao. Azonao atao anefa ny miezaka hahalala ny otrikaina ao amin’ny sakafo. Hanampy anao hihinana sakafo mahasalama izany, ka ho antoniny foana ny lanjanao.

  •   Manaova fanatanjahan-tena matetika.

     Sao dia azonao ovana, ohatra, ny zavatra fanaonao? Raha azo atao, maninona raha mandeha an-tongotra fa tsy mandeha bisy? Raha manam-potoana hijerena tele mandritra ny antsasak’adiny ianao, tsy aleo ve mandeha mihazakazaka kely mandritra an’izay?

  •   Aza mihinana haninkanina fa mihinàna sakafo mahasalama.

     Hoy i Sophia: “Asiako sakafo mahasalama eny akaikikaiky eny, ohatra hoe voankazo na legioma. Amin’izay aho tsy halaim-panahy hihinana sakafo tsy mahasalama.”

  •   Mihinàna milamina tsara rehefa misakafo.

     Misy olona mihinana haingana be rehefa misakafo, ka tsy tsapany akory hoe efa voky izy. Aza maimaika àry rehefa misakafo. Tsara raha miandry kely ianao vao manampy. Mety ho hitanao amin’izay hoe tsy mila manampy akory ianao.

  •   Aza atao be loatra ny sakafo matavy na mamy haninao.

     Jereo eo amin’ny fonon’ny sakafo vidinao ny habetsahan’ny siramamy na menaka ao amin’ilay izy. Ireto no anisan’ny sakafo mampahatavy satria be menaka na siramamy: Hani-masaka, mofomamy, gilasy, ary zava-pisotro mamy misy gazy.

  •   Mahaiza mandanjalanja.

     Hoy i Sara, 16 taona: “Lasa tafahoatra ny zavatra nataoko. Isaky ny nahita sakafo aho, dia nieritreritra foana hoe ‘hoatran’ny ahoana izao ny habetsahan’ny siramamy na menaka ao amin’io.’ ” Tsy tsara anefa ny manao hoatr’izany. Afaka mihinana an’izay zavatra tianao hohanina ihany ianao indraindray na dia mampahatavy aza ilay izy.

 Soso-kevitra: Manatòna dokotera ary resaho aminy hoe te hihena ianao. Afaka mijery izy hoe hoatran’ny ahoana ny toe-batanao, ary hatorony anao izay fahazarana tokony hanananao.

a Avy amin’ilay boky hoe When Things Get Crazy With Your Teen.