Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 1)

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 1)

 Mahafantatra tanora mijaly noho ny aretina ve ianao? Manana aretina na kilema ve ianao, ka tsy mahavita ny zavatra vitan’ny tanora toa anao?

 Raha izany no izy, dia ara-dalàna raha kivy ianao indraindray. Misy hevitra roa tena mampahery anefa ao amin’ny Baiboly.

  •   Fantatr’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona ny manjo anao. Tsy vitan’izay fa ‘miahy anao’ izy.—1 Petera 5:7.

  •   Mikasa hanasitrana ny aretina rehetra i Jehovah Andriamanitra. Azonao vakina ao amin’ny Baiboly izany, ao amin’ny Isaia 33:24 sy Apokalypsy 21:1-4.

 Hitan’ny tanora maro tsy salama fa nanampy azy ireo ny finoana an’Andriamanitra sy ny fampanantenany. Diniho ireto ohatra efatra ireto.

 YEIMY

 Tsy maintsy nandeha tamin’ny seza misy kodiarana aho, tamin’izaho 11 taona. Na zavatra tsotra aza tsy vitako, ohatra hoe manainga zavatra maivana kely.

 Hita fa voan’ny aretin-kozatra aho tamin’izaho dimy taona. Mihombo tsikelikely ilay izy ka lasa be dia be ny zavatra tsy vitako. Kivy aho indraindray satria tsy mahavita ny zavatra vitan’ny tanora toa ahy. Nanampy sy nampahery ahy anefa ny ray aman-dreniko sy ny olona teo anivon’ny fiangonana, sady nanatanjaka ny finoako. Mpitory manontolo andro aho ary ireo Kristianina namako matetika no miara-mampianatra Baiboly amiko.

 Nilaza i Jesosy fa misy zavatra mampanahy foana isan’andro. (Matio 6:34) Miezaka àry aho mba tsy hanahy ny amin’ny ampitso. Zavatra hitako hoe ho vitako no nataoko tanjona. Tsy andriko ny hahatongavan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Tsy harary intsony aho amin’izay fa ho afaka hankafy ny “tena fiainana.”—1 Timoty 6:19.

 Eritrereto izao: Hitan’i Yeimy hoe nanampy azy ny nanatratra ‘tanjona hitany hoe ho vitany.’ Ahoana no azonao anahafana azy?—1 Korintianina 9:26.

 MATTEO

 Nanaintaina ny lamosiko tamin’izaho enin-taona. Nilaza ny dokotera tamin’ny voalohany hoe vokatry ny fitomboana izany. Hitan’izy ireo anefa, herintaona tatỳ aoriana, hoe nisy fivontosana nitombo tao amin’ny hazondamosiko.

 Nodidiana aho nefa ny 40 isan-jaton’ilay fivontosana ihany no azo nesorina. Roa volana monja dia niverina toy ny teo aloha indray ny haben’ilay izy. Maro ny fitiliana sy karazana fitsaboana natao tamiko, nanomboka teo, ary imbetsaka aho no diso fanantenana.

 Manaintaina be toy ny tsindronina amin’ny antsy ny vatako manontolo indraindray, indrindra fa ny lamosiko sy ny tratrako. Miezaka anefa aho mba tsy ho kivy loatra. Mieritreritra aho hoe maro koa no miaritra ny mafy nefa mbola falifaly foana. Izao no tena nanampy ahy tsy ho kivy: Matoky aho fa mbola hotanterahin’i Jehovah Andriamanitra ilay fampanantenany hoe hofaranany ny fijaliana rehetra.—Apokalypsy 21:4.

 Eritrereto izao: Nanampy an’i Matteo hiaritra ny nisaintsaina an’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hofaranany ny fijaliana. Nahoana no hanampy anao koa izany?—Isaia 65:17.

 BRUNA

 Tsy hita etỳ ivelany ny aretiko ka mety hieritreritra ny olona sasany hoe kamo aho. Ny tena marina anefa dia sarotra amiko daholo ny manao ny zava-drehetra, anisan’izany ny manao raharaha, ny mianatra, ary na dia ny mitsangana avy eo am-pandriana aza.

 Hita fa voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra aho tamin’izaho 16 taona, ary mampahalemy tsikelikely izy io. Misy vokany eo amin’ny asako izany ary lasa tsy afaka manompo an’Andriamanitra araka izay tiako aho. Vakiko foana ny 1 Petera 5:7, izay milaza hoe: “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” Mampahery ahy ny mieritreritra hoe miahy antsika tsirairay i Jehovah. Mbola mampahery ahy foana izany hatramin’izao.

 Eritrereto izao: Nametraka an’izay nampanahy azy tamin’i Jehovah i Bruna. Inona no soa horaisinao raha manao toy izany koa ianao?—Salamo 55:22.

 ANDRÉ

 Ataon’ny olona sasany hoatran’ny ankizy folo taona aho. Tsy omeko tsiny anefa ry zareo satria hoatr’izany mihitsy ny paoziko.

 Hita fa voan’ny kanseran’ny tsokan-damosina aho tamin’izaho roa taona. Mitatra tsikelikely mankany amin’ny atidoha izy io. Vitan’ny dokotera ny nitsabo an’ilay izy, nefa nisy vokany teo amin’ny fitomboako ilay fitsaboana. Mirefy 1,37 metatra monja aho. Betsaka no mieritreritra fa mandainga aho rehefa miteny hoe 18 taona.

 Manaja ahy ny olona eo anivon’ny fiangonana. Tsy mananihany ahy hoatran’ny ankizy any am-pianarana ry zareo. Miezaka ny ho falifaly foana aho. Lasa nahafantatra an’i Jehovah aho, ary izany no zavatra tsara indrindra eo amin’ny fiainana. Matoky aho fa mikarakara ahy i Jehovah Andriamanitra, na inona na inona tsy maintsy hiaretako. Falifaly foana aho rehefa misaintsaina an’ilay tontolo vaovao mahafinaritra ampanantenainy.—Isaia 33:24.

 Eritrereto izao: Milaza i André fa “zavatra tsara indrindra eo amin’ny fiainana” ny hoe lasa mahafantatra an’i Jehovah. Nahoana?—Jaona 17:3.