Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Nahoana Aho no Tokony Hanampy Olona?

Nahoana Aho no Tokony Hanampy Olona?

Zavatra roa tsy hain’ny olona

  #1: Matetika no misy manampy ny olona tia manampy.

 Ho voamariky ny olona ianao hoe tia manome sy tia manampy. Halala-tanana aminao sy hanampy anao koa izy ireo. Hoy ny Baiboly:

  •  “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo. ... Araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.”—Lioka 6:38.

  •  “Izay ataonao amin’ny olona ihany no hataon’ny olona aminao.”—Lioka 6:38, Dikan-teny Anglisy Maoderina.

 #2: Manao soa ho an’ny tenanao ihany ianao rehefa manampy olona.

 Lasa afa-po sy mahatsapa hoe manana ny hajanao ianao rehefa manao zavatra tsara ho an’ny olona. Hoy ny Baiboly:

  •  “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

  •  ‘Ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba no asao, rehefa manasa olona hisakafo ianao. Amin’izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo.’—Lioka 14:13, 14.

 Tanora tia manome

 Betsaka ny tanora tia manome sy tia manampy olona. Diniho, ohatra, ireto:

 “Te hipetrapetraka hijery tele eo ambony sezalava aho indraindray, nefa mieritreritra hoe reraka be izao ry dada sy neny rehefa mody avy any am-piasana. Lasa àry aho mitsangana manasa vilia sy manadio trano. Anaovako kafe mafana koa ry zareo satria tena tia kafe. Hozy i Neny avy eo rehefa tonga: ‘Madio kosa izany trano izany an! Sady misy fofona manitra be. Misaotra akia a!’ Faly be foana aho rehefa manao zavatra hoatr’izany ho an’i Dada sy Neny.”—Casey.

 “Manampy ahy foana ry Dada sy Neny ka manome an’izay rehetra ilaiko. Mba nanampy an-dry zareo koa àry aho tamin’ny herintaona rehefa nanana olana ry zareo. Simba be ny aotomobilin-dry zareo tamin’izay ka izaho no niantoka ny nanamboarana azy, na dia lafo be sy tsy maintsy nihena be aza ny tahiriko. Tsy nanaiky ry zareo tamin’ny voalohany, nefa nisisika ihany aho. Mbola betsaka noho izany aza no tokony hataoko amin-dry zareo. Sady tiako erỳ ilay manome zavatra ho an-dry zareo.”​—Holly.

 Fantatrao ve? Maro amin’ny tanora Vavolombelon’i Jehovah no faly satria manampy olona hianatra Baiboly. Misy aza mifindra any amin’ny tany ilana mpampianatra Baiboly mihitsy.

 “Avy any Etazonia aho no nifindra tany Meksika mba hampianatra Baiboly. Tsy manam-bola firy aho ka tsy dia afaka manome vola na zavatra ho an’olona. Fantatro anefa hoe rehefa manome ny fotoanako sy ny heriko hampianarana olona aho, dia izany no tena ilaina noho ny hoe manome vola na zavatra.”​—Evan.

 Ahoana no azoko anampiana olona?

 Mba te hahatsapa an’izany hoe faly manampy olona izany koa ve ianao? Misy zavatra sasany azonao atao ireto:

 Ho an’ny olona ao an-tranonareo:

  •  Aza miandry irahina fa tonga dia sasao ny vilia na diovy ny trano sy ny tokotany

  •  Andrahoy ny sakafo

  •  Manorata karta kely ho fisaorana ny ray aman-dreninao

  •  Ampio ny iray tam-po aminao rehefa manao ny devoarany

 Ho an’ny olon-kafa:

  •  Andefaso karta kely ny olona tsy salama

  •  Manaova zavatra hanampiana ny olona be taona eny akaikinareo

  •  Tsidiho ny olona marary tsy afaka mivoaka ny trano

  •  Mividiana zavatra hatao fanomezana ho an’olona hitanao hoe kivikivy

 Soso-kevitra: Mitadiava hevitra hanampiana olona, ary ataovy izay anampiana olona iray amin’ity herinandro ity. Tena ho faly ianao raha manao an’izany.

 “Faly ianao rehefa avy manampy olona. Tsapanao hoe nanao zavatra be ianao, ary ny olona koa mankasitraka an’ilay izy. Mety ho nahafinaritra ny nanao an’ilay izy na dia tsy nieritreritra an’izany aza ianao tamin’ny voalohany. Mety tsy ho tsapanao akory hoe nisy zavatra nafoinao, satria afa-po be ianao avy eo.”—Alana.