Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Tsy Mora Kivy ve Aho?

Tsy Mora Kivy ve Aho?

 Tsy mora kivy ve ianao? Nanao ahoana ianao rehefa...

  •   maty ny olona iray akaiky anao?

  •   narary nandritra ny fotoana ela be?

  •   nisy rivo-doza, tondra-drano, na loza hafa tany aminareo?

 Resahin’ny mpikaroka hoe tsy amin’ny olana lehibe ihany isika no tokony tsy ho mora kivy. Na ny adin-tsaina noho ny olana madinika aza mantsy dia efa mety hankarary. Tena ilaina àry ilay hoe mianatra ny tsy ho mora kivy, na kely na lehibe ny olana atrehintsika.

 Hoatran’ny ahoana ilay hoe tsy mora kivy?

 Mahavita miatrika ny fiovana na ny olana eo amin’ny fiainana ny olona tsy mora kivy. Manana olana hoatran’ny olon-drehetra ihany izy. Vitany anefa ny miatrika an’ilay izy, sady lasa matanja-tsaina kokoa izy.

Mijoro tsara indray ny hazo sasany rehefa lasa ny rivo-doza. Afaka miarina koa ianao rehefa avy niatrika olana

 Nahoana no ilaina io toetra io?

  •   Tsy maintsy misy foana ny olana. Hoy ny Baiboly: “Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ... ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka, satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mpitoriteny 9:11) Inona no dikan’izany? Na ny olona tsara fanahy aza mety hijaly. Matetika no tsy ny fahadisoana nataony no mahatonga an’izany.

  •   Miaro anao ilay hoe tsy mora kivy. Hoy ny lehilahy iray mpanolo-tsaina any amin’ny lise: “Lasa be dia be izao ny ankizy malahelo be na tezitra be rehefa tonga ao amin’ny biraoko. Tsy noho ny antony lehibe ilay izy, fa satria fotsiny hoe ratsy ny naotiny, na nisy olona nanaratsy azy tao amin’ny tambazotran-tserasera.” Nilaza koa izy hoe rehefa tsy mahay miatrika olana ny ankizy, na dia amin’ny zavatra madinika hoatr’ireo aza, dia mety hisy “vokany ratsy amin’ny sainy sy ny fihetseham-pony” izany. a

  •   Manampy anao izany dieny izao sy rehefa lehibe. Niresaka momba ny fahadisoam-panantenana ny Dr. Richard Lerner. Hoy izy: “Misy zavatra maromaro amantarana ny olon-dehibe mahomby. Mahavita miarina, ohatra, izy na dia diso fanantenana aza. Mitady fomba hafa hanatratrarana ny tanjony koa izy, na miezaka manatratra tanjona vaovao.” b

 Inona no azonao atao mba tsy ho mora kivy ianao?

  •   Fantaro raha tena olana be ilay izy na tsia. Mila mahay manavaka ianao hoe inona no olana lehibe ary inona no olana kely. Hoy ny Baiboly: “Ny olona adala no mampiseho avy hatrany ny fahasosorany, fa ny malina kosa mifehy tena mba tsy ho afa-baraka.” (Ohabolana 12:16) Tsy voatery hataonao mahakivy anao daholo izay olana rehetra mitranga.

     “Zavatra kely fotsiny dia efa mampitaraina ny ankizy any am-pianaranay. Hoatran’ireny olana be ireny ilay izy aminy. Manoratra ao amin’ny tambazotran-tserasera koa ny namany avy eo hoe rariny izy raha mitaraina, dia vao mainka izy romotra. Lasa tsy hainy ny manavaka hoe olana be ve ilay izy sa tsia.”—Joanne.

  •   Miezaha hiana-javatra avy amin’ny hafa. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny vy no mampaharanitra ny vy, ary olona ihany koa no mampaharanitra ny tarehin’ny olona.” (Ohabolana 27:17) Efa niatrika olana be ny olona sasany. Afaka miana-javatra avy amin’izy ireny ianao.

     “Rehefa miresaka amin’ny hafa ianao, dia ho hitanao hoe hay ry zareo efa niatrika olana be dia be. Tsy mahakivy an-dry zareo intsony anefa ireny olana ireny, fa falifaly ry zareo izao. Miresaha aminy, dia ho hitanao hoe inona no nataony ary inona no tsy nataony, mba hiatrehana an’ilay olana.”—Julia.

  •   Miezaha hanana faharetana. Hoy ny Baiboly: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” (Ohabolana 24:16) Mety ho elaela ianao vao hiaiky hoe tsy araka ny nieritreretanao azy ny zava-mitranga. Ara-dalàna àry raha malahelo ianao indraindray. Miezaha anefa ‘hiarina’, satria izany no tena zava-dehibe.

     “Mila fotoana ianao vao tsy malahelo be intsony rehefa avy niatrika olana. Ho tafarina tsikelikely ianao rehefa mandeha ny fotoana. Efa niaina an’izany aho.”—Andrea.

  •   Miezaha hahay hankasitraka. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.” (Kolosianina 3:15) Na mafy be aza ny olana atrehinao, dia misy zavatra tsara ihany eo amin’ny fiainanao. Mieritrereta zavatra telo mahatonga anao hahatsapa hoe mamy ny miaina.

     “Rehefa miatrika olana ianao, dia matetika no tafateny hoe: ‘Fa maninona no izaho no tratran’izao?’ Tsy mifantoka amin’ny olana mahazo azy ny olona tsy mora kivy, fa miezaka mifaly amin’izay ananany na amin’izay azony atao.”—Samantha.

  •   Ekeo ny zava-misy. Hoy ny apostoly Paoly: “Efa nianatra ny hianina aho na inona na inona toe-javatra misy ahy.” (Filipianina 4:11) Nahay ‘nianina’ izy, izany hoe nanaiky ny zava-misy. Tsy azon’i Paoly nialana ny olana natrehiny. Afaka nifidy ny fomba niatrehany an’ilay izy anefa izy. Naleony nanaiky ny zava-misy.

     “Tonga dia nanao zavatra aho taloha rehefa nisy olana. Matetika anefa no tsy nety ny fihetsiko rehefa hoatr’izany. Miezaka aho izao mba hifantoka amin’izay zavatra mahafaly, na inona na inona mitranga. Misy vokany tsara amiko sy amin’ny olona mifanerasera amiko izany.”—Matthew.

  •   Mivavaha. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.” (Salamo 55:22) Tsy zavatra manampy anao ho maivamaivana fotsiny ny vavaka. Resaka atao amin’ilay Mpamorona izy io, ary tena ‘miahy anao’ izy.—1 Petera 5:7.

     “Tsy voatery hiady irery aho. Mivavaka amin’Andriamanitra aho, dia resahiko aminy daholo ny olana mahazo ahy. Isaorako koa izy noho ireo fitahiana nomeny. Tsy kivy intsony aho rehefa mifantoka amin’ny zavatra tsara ataony ho ahy. Hitako hoe tena ilaina ny mivavaka.”—Carlos.

a Avy amin’ilay boky hoe Disconnected, nosoratan’i Thomas Kersting.

b Avy amin’ilay boky hoe The Good Teen—Rescuing Adolescence From the Myths of the Storm and Stress Years.