Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 1: Haiko ve ny Manaporofo fa Misy Andriamanitra?

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 1: Haiko ve ny Manaporofo fa Misy Andriamanitra?

 Nisy ho azy ve ny fiainana sa noforonina?

 Mino ve ianao fa Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao? Raha izany, dia betsaka ny tanora (sy olon-dehibe) mitovy hevitra aminao. Misy koa anefa milaza fa nisy ho azy teo ny fiainana sy ny zava-drehetra, fa tsy nisy namorona.

 Fantatrao ve? Rehefa miady hevitra momba an’izany ny olona, dia matetika no lazainy fotsiny hoe inona ny heviny, fa tsy fantany akory hoe nahoana izy no mino an’izany. Samy manao an’izany na ireo mino ny evolisiona na ireo mino ny famoronana.

  •   Misy olona mino ny famoronana, satria fotsiny hoe izay no nampianarina azy tany am-piangonana.

  •   Misy olona mino ny evolisiona, satria fotsiny hoe izay no nampianarina azy tany an-tsekoly.

 Hanampy anao ity lahatsoratra ity sy ny fizarana manaraka, mba ho azonao tsara ny fampianaran’ny Baiboly momba ny famoronana, sady ho hainao ny manazava azy. Misy fanontaniana tokony hoeritreretinao anefa alohan’izay.

 Nahoana aho no mino an’Andriamanitra?

 Nahoana ianao no tena mila mieritreritra an’izany? Satria milaza ny Baiboly fa mila ‘mampiasa ny sainao’ ianao, fa tsy minomino fotsiny. (Romanina 12:1) Tokony ho efa nisaina tsara àry ianao vao mino an’Andriamanitra, fa tsy hoe...

  •  entin’ny fihetseham-po fotsiny (Hoatran’ny tsapako hoe misy Andriamanitra mahery any ho any)

  •  mahita ny ataon’ny hafa fotsiny (Mpivavaka daholo ny olona atỳ aminay)

  •  ampirisihin’ny olona fotsiny (Efa izay no nitaizan’ny dadanay sy mamanay an’ahy)

 Mila porofo mitombina tsara ianao, amin’izay ianao mihitsy no resy lahatra fa misy Andriamanitra.

 Inona àry no naharesy lahatra anao fa tena misy Andriamanitra? Hanampy anao amin’izany ilay fampiasana hoe: “Nahoana Aho no Mino An’Andriamanitra?” Jereo koa ny tenin’ireto tanora vitsivitsy ireto:

 “Rehefa mihaino ny mpampianatra anay manazava momba ny vatan’olombelona aho, dia tonga dia resy lahatra hoe misy ny Mpamorona. Efa samy manana ny anjara asany ny zava-drehetra ao amin’ny vatantsika, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra. Matetika anefa no tsy tsapantsika akory ny fiasany. Tena mahavariana ilay izy!”​—Teresa.

 “Rehefa mahita tranobe aho, na sambo, na fiara, dia lasa saina hoe: ‘Mba iza àry no nanao an’itony?’ Olona mahay be, ohatra, vao mahavita fiara. Misy zavatra kely be dia be tsinona ao anatiny, nefa tsy maintsy mety tsara daholo ireny, izay vao mandeha ilay izy. Koa raha ny fiara aza nisy nanao, mainka moa fa ny olombelona?”​—Richard.

 “Eritrereto ange e! Ny manam-pahaizana be aza tsy nahalala ny fomba fiasan’izao rehetra izao, raha tsy nikaroka an-jatony taona, sady amin’izay vao kely fotsiny no fantatr’izy ireo! Dia zavatra hoatr’izany ve dia hoe tsy nisy nanao fa nisy ho azy teo? Tsy mitombina mihitsy izany amiko!”​—Karen.

 “Arakaraka ny nianarako siansa no nahitako fa tsy marina ny evolisiona. Be dia be amin’ny zavatra eo amin’ny natiora, ohatra, no tsy miovaova sy marina foana, ka azo atao kajy mihitsy aza. Tena miavaka koa isika olombelona satria isika ihany, ohatra, no manontany tena hoe inona no dikan’izao fiainana izao, ahoana no nampisy azy, ary hanao ahoana ny hoavy. Milaza ireo mino ny evolisiona fa karazana biby ny olombelona. Tsy hain’izy ireo hazavaina anefa hoe nahoana ny olona ihany no manontany an’ireo, fa tsy ny biby. Ny evolisiona amiko no sarotra ‘inoana’ kokoa, noho ny hoe misy ny Mpamorona.”​—Anthony.

 Ahoana no hanazavako ny hevitro?

 Ahoana raha misy mpiara-mianatra maneso anao hoe zavatra tsy hita maso akory dia inoanao? Ahoana raha milaza izy ireo hoe efa “voaporofon’ny siansa” fa marina ny evolisiona?

 Matokia fa tena marina ny zavatra inoanao. Aza menatra na matahotra mihitsy! (Romanina 1:16) Tadidio koa izao:

  1.   Be dia be ny olona mino an’Andriamanitra, fa tsy hoe ianao irery. Anisan’izany ny manam-pahaizana sy mpikaroka efa matihanina.

  2.   Tsy voatery hoe tena tsy mino an’Andriamanitra ny olona sasany, fa tsy azony fotsiny ny zavatra ataon’Andriamanitra. Tsy manome porofo manohana ny heviny àry izy, fa manontany kosa hoe: “Raha tena misy Andriamanitra, nahoana ny olona no avelany hijaly?” Malahelo izy ireo, raha ny marina, satria be dia be no mijaly, ka tonga dia manatsoaka hevitra izy hoe tsy misy izany Andriamanitra izany.

  3.   Tsy sakafo na zavatra hafa hita maso ihany no ilain’ny olona. (Matio 5:3) Ilainy koa ny mivavaka, izany hoe mifandray amin’Andriamanitra. Raha misy miteny àry hoe tsy misy Andriamanitra, dia izy fa tsy ianao no tokony hanazava ny antony ilazany an’izany.—Romanina 1:18-20.

  4.   Tsy minomino foana izay mino an’Andriamanitra, satria mitombina tsara izany. Efa voaporofo mantsy hoe tsy mivadika ho mananaina ho azy eo fotsiny ny zavatra tsy misy aina. Midika izany fa matoa misy ny fiainana, dia tsy maintsy nisy namorona.

 Ahoana àry raha tafaresaka amin’olona tsy mino an’Andriamanitra ianao? Ireto misy hevitra azonao avaly azy.

 Raha misy miteny hoe: “Ny olona tsy nianatra ihany no mino an’Andriamanitra.”

 Afaka mamaly ianao hoe: “Dia izany tokoa ve ny eritreritrao? Izaho indray aloha tsy manaiky an’izany e! Rehefa nanontaniana mantsy ny mpampianatra siansa 1600 mahery, avy any amin’ny oniversite malaza maromaro, dia ny ampahatelony no nilaza hoe mino an’Andriamanitra. a Dia mihevitra ve ianao fa tsy mahay n’inona n’inona ireny olona ireny?”

 Raha misy miteny hoe: “Raha tena misy ve Andriamanitra, dia ho be dia be ny olona mijaly?”

 Afaka mamaly ianao hoe: “Ny tianao holazaina ve dia hoe tsy azonao ny zavatra ataon’Andriamanitra? Hoe maninona izy no hoatran’ny tsy manao n’inona n’inona, nefa isika mijaly? [Avelao izy hamaly.] Efa nokarohiko mihitsy hoe inona no mahatonga ny fijaliana, dia nahita valiny mahafa-po aho. Mila mandinika hevitra maromaro ao amin’ny Baiboly anefa ianao vao hahay an’ilay izy. Tianao ve raha hazavaiko aminao izany?”

 Hazavain’ny fizarana manaraka hoe nahoana no tsy marim-pototra akory ny porofo omen’ireo olona mino ny evolisiona.

a Loharanon-kevitra: “Religion and Spirituality Among University Scientists”, nosoratan’i Elaine Ecklund, 5 Febroary 2007.