Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE...

Fa Maninona Aho no Lasa Mampijaly Tena?

Fa Maninona Aho no Lasa Mampijaly Tena?

 Inona no ataon’ny tanora mampijaly tena?

 Rehefa mampijaly tena ny ankizy dia fanahy iniany kapohina ny vatany, na ataony mangana, na koa dorany. Misy koa mandidy ny tenany amin’ny zava-maranitra, ka io no tena horesahina ato. Natao ho an’ny tanora rehetra mampijaly tena koa anefa ity lahatsoratra ity.

 Marina sa Diso:

  1.   Ny ankizivavy ihany no manao an’izany.

  2.   Izay tanora mandidy ny tenany, dia tsy mankatò an’ilay lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Levitikosy 19:28 hoe: “Aza didididiana ny vatanareo.”

 Valiny:

  1.   Diso. Misy koa ankizilahy mandidididy ny vatany, na dia ny ankizivavy aza no tena betsaka manao an’ilay izy.

  2.   Diso. Fombafomban’ny mpanompo sampy no resahin’ny Levitikosy 19:28, fa tsy ilay hoe olona mampijaly tena tsotra fotsiny. Hitantsika avy amin’io andininy io ihany anefa fa tia antsika ny Mpamorona, ka malahelo izy raha mampijaly tena isika.—1 Korintianina 6:12; 2 Korintianina 7:1; 1 Jaona 4:8.

 Inona ny antony?

 Araka ny hevitrao, iza amin’ireto no marina?

 Mandidididy ny tenany ny olona satria...

  1.   kivy be izy, ka izany no hitany hoe mba mampitonitony azy.

  2.   te hamono tena izy.

 Valiny: A. Tsy hoe te hamono tena ny ankamaroan’ireny olona ireny, fa tiany fotsiny raha mba afaka ny alahelony.

 Izao no nolazain’ny ankizy sasany efa nandidy ny tenany:

 Celia: “Mahatsiaro ho maivamaivana aho rehefa avy manao an’ilay izy.”

 Tamara: “Hoatran’ny hoe fanafody mba mampitonitony ahy ilay izy. Aleoko tsinona ny vatako no mijaly toy izay ny foko.”

 Carrie: “Rehefa ny vatako no mijaly, dia mba hoatran’ny tsy marary loatra ny foko. Mankaleo be ange ilay kivy e.”

 Jerrine: “Rehefa mampijaly ny tenako aho, dia mba hadinodinoko ny olana mahazo ahy. Dia hoatran’ny mba tsy miady saina be amin’ilay izy aho.”

 Ahoana no hialana amin’ilay izy?

 Tena manampy ny mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra. Hoy ny 1 Petera 5:7: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”

 Soso-kevitra: Teny kely fotsiny aloha lazaina amin’ny voalohany, ohatra hoe: “Jehovah ô, izaho mba ampio!” Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho mora kokoa aminao ny hiresaka an’izay rehetra ao am-ponao amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”—2 Korintianina 1:3, 4.

 Tsy hoe atao handaminana saina fotsiny akory ny vavaka, fa tena resaka ataonao amin’ilay Rainao any an-danitra. Ary mampanantena mihitsy izy hoe: ‘Hanampy anao aho. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.’—Isaia 41:10.

 Maro koa no nahatsapa fa tena nanampy azy ny niresaka tamin’ny rainy na ny reniny na olon-dehibe hafa azony itokisana. Andao hojerentsika ny tenin’ny tanora anankitelo nanao an’izany.

 Saintsaino izao:

  • Raha mba te hitady fanampiana ianao, iza no azonao iresahana?

  • Rehefa mivavaka ianao, inona no tianao holazaina amin’i Jehovah momba ny olana mahazo anao?

  • Inona ny zavatra roa mba azonao atao (nefa tsy mampijaly tena), rehefa miady saina na kivy ianao?