Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Mety ve ny Maka Tahaka Olona Amin’ny Tele? Fizarana 2: Ho An’ny Ankizilahy

Mety ve ny Maka Tahaka Olona Amin’ny Tele? Fizarana 2: Ho An’ny Ankizilahy

 Hoatran’ny ahoana matetika ny ankizilahy amin’ny tele?

 Vakio ireto, ary valio ny fanontaniana erỳ ambany:

Tsanganana 1

Tsanganana 2

Mpikomy

Manaja olona

Tia tena

Tsy mivadibadika

Mafy fo

Tsara fanahy

Kamo

Mazoto

Tsy mivaky loha

Mahay mandray andraikitra

Mpamitapitaka

Milaza ny marina

  1.   Hoatran’ny ahoana matetika ny ankizilahy amin’ny filma sy tele ary dokam-barotra, raha io tabilao io no jerena?

  2.   Iza amin’ireo no tianao hahafantarana anao?

 Azo antoka fa avy tao amin’ilay tsanganana 1 ny valin-teninao tamin’ilay fanontaniana voalohany, fa avy tao amin’ilay tsanganana 2 kosa ny valin-teninao tamin’ilay fanontaniana faharoa. Tsara izany. Azo inoana mantsy fa tsy hoatran’ireny ankizilahy amin’ny tele ireny ianao. Tsy tokony hitovy amin’izy ireny koa ianao. Fa nahoana?

  •   Aseho amin’ny filma sy tele fa mahery setra sady mpikomy ny ankizilahy. Milaza ny boky Why Boys Don’t Talk​—and Why It Matters fa izay lehilahy “matanjaka be sy mahery setra” no tena malaza amin’ireo mpilalao amin’ny tele sy filma ary amin’ny fanatanjahan-tena. “Ny tiana hampitaina amin’ny olona dia hoe tsy mahafinaritra ianao raha tsy miseho ho mafy be sy tia mikomy.”

     Eritrereto izao: Ho tia anao kokoa ve ny namanao na ny mpiara-miasa aminao na ny vadinao raha mahery setra ianao? Iza no azo lazaina hoe matanjaka: Izay olona mahavita mifehy hatezerana sa izay tsy mahavita fa mitroatra? Iza amin’ireo no tena matotra?

     Hoy ny Baiboly: “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.”—Ohabolana 16:32.

    Matanjaka noho ny miaramila mpiady izay mahafehy ny hatezerany

  •   Aseho amin’ny filma sy tele fa tsy mieritreritra afa-tsy firaisana ny ankizilahy. Hoy i Chris, ankizilahy 17 taona: “Misolosolo vehivavy foana ny ankizilahy ao amin’ny filma sy tele. Mbola imbetsaka noho ny misolo akanjo aza.” Hoy koa i Gary, 18 taona: “Firaisana foana no ao an-tsain’ny ankizilahy ao amin’ny filma sy tele.” Aseho amin’ny filma sasany, ohatra, fa tsy manan-tsaina afa-tsy ny hifety sy hisotro toaka ary hanao firaisana ny ankizilahy.

     Eritrereto izao: Izany ve no tianao hahafantarana anao? Ny lehilahy matotra ve manaja vehivavy sa mihevitra azy ireo ho fanaovana firaisana fotsiny?

     Hoy ny Baiboly: ‘Mahaiza mifehy tena, amin’ny fahamasinana sy ny haja, fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po.’—1 Tesalonianina 4:4, 5.

  •   Aseho amin’ny filma sy tele fa tsy mivaky loha ny ankizilahy. Hita matetika amin’ny filma malaza sy fandaharana amin’ny tele fa kamo sy tsy mahavita tsara ny zavatra ataony ny ankizilahy. Izany angamba no mahatonga ny olon-dehibe sasany tsy hatoky hoe hahavita zavatra tsara ny ankizilahy. Hoy ihany i Gary momba izay nahazo azy taloha: “Saika tsy nahita asa aho satria tsy te handray afa-tsy vehivavy ny orinasa atỳ aminay. Heverin-dry zareo hoe tsy mivaky loha sy tsy azo atokisana daholo raha vao ankizilahy.”

     Eritrereto izao: Rariny ve raha heverin’ny olona fa tsy mivaky loha sy tsy azo atokisana hoatran’ny aseho ao amin’ny tele ny ankizilahy? Ahoana no azonao ampisehoana hoe tsy hoatr’izany ianao?

     Hoy ny Baiboly: “Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao, fa aoka kosa ianao ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovam-pitondran-tena.”—1 Timoty 4:12.

 Tsara ho fantatra

  •   Mety hisy vokany be aminao ny filma sy tele. Mety lasa hieritreritra, ohatra, ianao hoe mila maharaka ny lamaody farany raha te ho be mpitia. Hoy i Colin, ankizilahy 17 taona: “Aseho amin’ny dokam-barotra hoe ahoana no tokony ho fiakanjon’ny ankizilahy, dia mody atao hoe itangoronan’ny ankizivavy izy. Dia lasa te hividy an’ilay akanjo avy eo izay ankizilahy mahita an’ilay izy. Izaho aza mba efa nanao an’izany koa!”

     Eritrereto izao: Manana ny maha ianao anao ve ianao sa maka tahaka fotsiny ny akanjon’ny olona? Iza no tena mahazo tombony raha mandany vola ianao satria hoe te haharaka ny lamaody farany?

     Hoy ny Baiboly: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity.”—Romanina 12:2.

  •   Vao mainka tsy ho tara aminao ny ankizivavy raha maka tahaka olona amin’ny filma sy tele ianao. Diniho ireto:

    •  “Aleoko ankizilahy tena manana ny maha izy azy toy izay ankizilahy maka tahaka olona fotsiny. Ihomehezan’ny olona fotsiny ny ankizilahy hoatr’izany.”—Anna.

    •  “Ataon’ny dokam-barotra izay hieritreretan’ny ankizilahy hoe misy fitaovana elektronika na akanjo na zavatra hafa tsy maintsy ananany vao ho tara aminy ny ankizivavy. Rehefa mihalehibe anefa ny ankizivavy, dia tsy ireny intsony no jereny amin’ny ankizilahy fa ny toetrany sy ny fomba ifandraisany amin’ny olona. Ankizilahy tsy mamitapitaka sy tsy mivadibadika, ohatra, no tian’ny ankizivavy.”​—Danielle.

    •  “Matetika ny ‘ankizilahy bôgôsy’ no miavonavona dia tsy tiako ny miaraka amin’olona hoatr’izany. Na bôgôsy be toy inona aza ianao dia tsy ho tiako mihitsy raha tsy arakarak’izay akory ny toetranao.”​—Diana.

     Eritrereto izao: Hoy ny Baiboly momba an’ilay ankizilahikely hoe Samoela: ‘Nihalehibe i Samoela sady vao mainka nahatehotia teo imason’i Jehovah sy teo imason’ny olona.’ (1 Samoela 2:26) Inona avy no toetra mila anananao raha te ho tsara laza toa azy ianao?

     Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ianareo hitomban-dahy hatrany.’—1 Korintianina 16:13.

 Inona no azonao atao?

  •   Aza maika haka tahaka an’izay aseho amin’ny tele. Tadidio ity andinin-teny ity: “Ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao.”—1 Jaona 2:16.

     Hararaotin’ny mpanao dokam-barotra ireo faniriana ireo ary ataony izay hahatonga anao hieritreritra hoe ara-dalàna ilay izy. Mandiniha tsara àry aloha fa aza tonga dia matimaty amin’izay zavatra aseho anao. Te hahazo vola fotsiny ny mpanao dokam-barotra matoa manao an’ireny.

  •   Miezaha hanana ny maha ianao anao. Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hitafy ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy’, fa tsy araka izay tian’ny mpanao dokam-barotra.—Kolosianina 3:10.

     Diniho indray ireo toetra tsara hitantsika terỳ am-piandohan’ity lahatsoratra ity, izany hoe ireo toetra tianao hahafantarana anao. Maninona raha miezaka hanana an’ireo toetra ireo? Na maninona raha hatsaraina izay toetra tsara efa anananao?

  •   Mitadiava olona tsara toetra azo tahafina. Hoy ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.” (Ohabolana 13:20) Iza no lehilahy hitanao hoe hendry eo amin’ny manodidina anao? Mety ho ny dadanao izany na ny dadatoanao na olon-kafa ao amin’ny fianakavianareo. Mety hisy lehilahy matotra koa amin’ny namanao na ny olom-pantatrao. Maro ny lehilahy toy izany ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy lehilahy azon’ny tanora tahafina koa ao amin’ny Baiboly, anisan’izany i Titosy.—Titosy 2:6-8.

     Soso-kevitra: Vakio ny boky Tahafo ny Finoan’izy Ireo, fa misy tantarana lehilahy ao amin’ny Baiboly. Azonao tahafina, ohatra, i Abela, Noa, Abrama, Samoela, Elia, Jona, Josefa, ary Petera.