Hijery ny anatiny

Ahoana Raha Mankaleo Ahy ny Mianatra?

Ahoana Raha Mankaleo Ahy ny Mianatra?

Ireto no ilainao

 Mijery ny lafy tsarany amin’ny fianarana. Mijere lavitra. Toa misy taranja tsy tena ilaina akory, fara faharatsiny, amin’izao fotoana izao. Hahalala kokoa ny tontolo manodidina anao anefa ianao, raha mianatra zavatra isan-karazany. Ho ‘tonga zava-drehetra amin’ny karazan’olona rehetra’ ianao, ka hahay hiresaka amin’ny olona samihafa. (1 Korintianina 9:22) Hahay hisaina kokoa ianao, ary tena hahasoa anao izany any aoriana any.

Mila mampiasa fitaovana tena mety ianao, raha te ho tafavoaka avy ao anaty ala mikitroka. Mila mampihatra soso-kevitra tena mahomby koa ianao, raha te hamita tsara ny fianaranao

 Mijery ny lafy tsarany amin’ny mpampianatra. Raha hitanao hoe mampatory be ny mpampianatra anareo, dia aza izy no ifantohana fa izay ampianariny. Tadidio fa kilasy be dia be, angamba aman-jatony mihitsy aza, no efa nampianariny an’ilay taranja ka mety tsy hafana fo hoatran’ny tamin’ny voalohany intsony izy rehefa manazava azy.

 Soso-kevitra: Raiso an-tsoratra ny fanazavany, mametraha fanontaniana amim-panajana, ary mazotoa mandray anjara amin’ilay taranja. Mety hazoto kokoa ilay mpampianatra amin’izay.

 Mijery ny lafy tsarany amin’ny fahaizanao. Manampy anao hahita ny talenta anananao ny fianarana any an-tsekoly. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: ‘Ataovy miredareda toy ny afo ilay fanomezan’Andriamanitra, izay noraisinao.’ (2 Timoty 1:6) Nahazo fanomezana avy amin’ny fanahy masina i Timoty. Nila nanatsara ny ‘fanomezana’ na ny talentany anefa izy, mba tsy ho very fotsiny izany. Marina fa raha mahay ianao any am-pianarana, dia tsy midika izany hoe Andriamanitra no mampahay anao. Manana talenta tsy ananan’olon-kafa anefa ianao, na dia tsy fantatrao aza. Manampy anao hahita sy hanatsara azy ireny ny fianarana any an-tsekoly.