Hijery ny anatiny

Fahasalamana

Jereo ato hoe inona no azonao atao mba ho salama tsara foana na mba hiatrehana aretina manahirana. Misy torohevitra afaka manampy anao havitribitrika araka izay azo atao ao amin’ny Baiboly, na salama ianao na misy aretina mahazo anao.

Olana

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 1)

Mitantara ny tanora efatra hoe inona no nanampy azy hiatrika ny aretiny sy ho falifaly foana.

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 2)

Vakio ato ny tenin’ny tanora sasany marary mafy, nefa mbola manana fanantenana ihany.

Ahoana no Hiatrehako ny Aretiko? (Fizarana 3)

Mety hanampy anao hiatrika ny aretina mahazo anao ny tantaran’ireo tanora telo resahina ato.

Ahoana no Hiatrehako ny Fiovana eo Amin’ny Vatako?

Ho hitanao ato hoe inona avy ireo fiovana eo aminao sy ny fomba hiatrehanao azy ireny.

Ahoana no Hiatrehako ny Fiovana eo Amin’ny Vatako?

Hanampy anao hiatrika an’ireo fiovana eo amin’ny vatanao ity fampiasana ity.

Mety Hankarary

Ahoana no Ataoko mba Tsy ho Reraka Be Loatra?

Inona no mahatonga ny ankizy ho reraka be loatra? Mety ho hoatr’izany koa ve ianao? Inona àry no azonao atao?

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Toaka?

Fantaro ato hoe inona no tokony hataonao raha tsy tianao ny hosazin’ny lalàna, na ho ratsy laza, na hisy hametaveta, na ho lasa andevozin’ny toaka, na ho faty.

Inona no Hataonao Raha Misy Misotro Toaka?

Hanampy anao ity fampiasana ity mba hahafantatra izay tokony hataonao, raha teren’ny ankizy hisotro toaka ianao.

Mba Mailomailo Amin’ny Resaka Toaka!

Be dia be no lasa manaonao foana rehefa misotro, na mety hiteny zavatra mety hanenenany any aoriana. Inona no tokony hataonao raha tsy tianao ny hahita loza amin’ny fisotroana be loatra?

Aza Simbana Amin’ny Setroka ny Fiainanao

Be dia be izao no mifoka sigara. Betsaka koa anefa no efa niala tamin’izany ary maro no mbola miady mafy. Nahoana? Tena ratsy ve ny mifoka sigara?

Inona no Tsara ho Fantatro Momba ny Fifohana Sigara sy Rongony ary Sigara Elektronika?

Rehefa mijery ny olo-malaza na ny namanao ianao dia hoatran’ny hoe mahafinaritra be ilay izy. Aza sodokan’izany anefa fa fantaro hoe inona avy no mety ho vokatr’ilay izy dia ahoana no ialana amin’izany.

Fahazarana Mahasalama

Tanora Miresaka An’izay Tokony Hatao mba ho Salama

Mazoto homana be ve ianao, sady tsy dia tia manao spaoro? Asehon’ity video ity izay ataon’ny tanora sasany mba ho salama foana.

Inona no Azoko Atao mba ho Ampy Torimaso Aho?

Misy torohevitra fito hanampy anao ho ampy torimaso ato.

Inona no Azoko Atao mba ho Tia Manao Fanatanjahan-tena Aho?

Ho salama kokoa ianao raha manao fanatanjahan-tena. Tsy izay ihany anefa ny soa horaisinao.

Ahoana no Hahaizako Mandanjalanja Amin’ny Resaka Sakafo?

Raha zatra mihinana sakafo tsy mahasalama ianao izao, dia ho hoatr’izany koa rehefa lehibe. Amin’izao àry ianao no mila miezaka hanana fahazarana tsara.

Inona no Azoko Atao fa Te Hihena Aho?

Te hihena ve ianao? Aza mifantoka be loatra amin’ny resaka sakafo, fa ny fomba fiainanao mihitsy ovana.

Hendry Ianao Raha Madio

Raha madio sy milamina ianao, dia handray soa ianao sy ny manodidina anao. Ho salama ianao amin’izay sady tsy hiady saina be.