Apokalypsy 21:1-27

  • Lanitra vaovao sy tany vaovao (1-8)

    • Tsy hisy intsony ny fahafatesana (4)

    • Atao vaovao ny zava-drehetra (5)

  • Jerosalema Vaovao (9-27)

21  Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao+ aho, fa efa lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha,+ sady tsy nisy ranomasina+ intsony.  Hitako nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra+ koa ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao, ary efa voaomana hoatran’ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny.+  Tamin’izay dia naheno feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana aho, nanao hoe: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ka ho eo amin’izy ireo izy, dia ho vahoakany ireo. Ary Andriamanitra mihitsy no hiaraka aminy.+  Dia hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo,+ ary tsy hisy intsony ny fahafatesana,+ sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana,+ fa efa lasa ny zavatra taloha.”  Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana:+ “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.”+ Hoy koa izy: “Soraty fa azo antoka* sady marina ireo teny ireo.”  Hoy ihany izy tamiko: “Efa tanteraka izany! Izaho no Alfa sy Omega,* ny fiandohana sy ny fiafarana.+ Izay mangetaheta dia homeko rano maimaim-poana* avy amin’ny loharanon’ny ranon’aina.+  Izay mandresy dia handova an’ireo zavatra ireo, ka ho Andriamaniny aho ary izy ho zanako.  Fa ny kanosa, ny tsy manam-pinoana,+ ny olona maloto sady maharikoriko, ny mpamono olona,+ ny mpijangajanga,*+ ny mpilalao ody, ny mpanompo sampy, ary ny mpandainga+ rehetra kosa, dia hatsipy ao amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara.+ Izany dia ny fahafatesana faharoa.”+  Ary tonga ny iray tamin’ireo anjely fito nanana vilia fito feno ny loza fito farany,+ ka niteny tamiko hoe: “Avia fa hasehoko anao ny ampakarina, ilay vadin’ny Zanak’ondry.”+ 10  Dia nentiny tamin’ny herin’ny fanahy nankeo amin’ny tendrombohitra ngezabe sady avo aho, dia nasehony ahy i Jerosalema, ilay tanàna masina, izay nidina avy any an-danitra avy tany amin’Andriamanitra.+ 11  Feno ny voninahitr’Andriamanitra+ izy io, ary hoatran’ny vatosoa faran’izay tsara ny famirapiratany, hoatran’ny vato jaspa mamirapiratra tahaka ny kristaly.+ 12  Nisy manda lehibe sady avo sy vavahady 12 izy io. Nisy anjely 12 teo amin’ireo vavahady ireo, ary nosoratana teo ny anaran’ny foko 12 teo amin’ny zanak’Israely. 13  Nisy vavahady+ telo teo atsinanana, telo teo avaratra, telo teo atsimo, ary telo teo andrefana. 14  Nisy vato fototra 12 koa ny mandan’ilay tanàna, ary teo amin’ireo vato ireo ny anarana roa ambin’ny folon’ny apostoly 12,+ dia ny apostolin’ny Zanak’ondry. 15  Nitazona bararata volamena fandrefesana ilay niresaka tamiko tamin’izay, mba handrefesany an’ilay tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany.+ 16  Efamira ilay tanàna, ka mitovy ny lavany sy ny sakany. Dia norefesiny tamin’ilay bararata ilay tanàna, ka 12 000 stadio,* ary mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. 17  Norefesiny koa ny mandany, ka 144 hakiho,* araka ny fandrefesana fampiasan’ny olona sady fampiasan’ny anjely. 18  Jaspa+ no nanaovana an’ilay manda, ary volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra madio ilay tanàna. 19  Voaravaka vatosoa isan-karazany ny fototry ny mandan’ilay tanàna. Ny fototra voalohany dia jaspa, ny faharoa safira, ny fahatelo kalsedoanina, ny fahefatra emeraoda, 20  ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina sardoanina, ny fahafito krizolita, ny fahavalo berila, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krizoprazy, ny faha-11 hiasinta, ary ny faha-12 ametista. 21  Perla 12 koa ny vavahadiny 12, ka perla iray no nanaovana ny vavahady tsirairay. Ary volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra tantera-pahazavana ny lalamben’ilay tanàna. 22  Tsy nahita tempoly tao aho, fa i Jehovah* Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra,+ sy ny Zanak’ondry, no tempolin’ilay tanàna. 23  Ary tsy nila ny masoandro na ny volana hanazava azy ilay tanàna, fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy,+ ary ny Zanak’ondry no jirony.+ 24  Hanazava ny lalana halehan’ireo firenena ny hazavan’ilay tanàna,+ ary hoentin’ny mpanjakan’ny tany ao ny voninahiny. 25  Tsy hohidiana mihitsy ny vavahadiny mandritra ny andro, ary tsy hisy alina ao.+ 26  Ary hoentin’izy ireo ao ny voninahitry ny firenena sy ny hajany.+ 27  Tsy hiditra ao mihitsy kosa izay zavatra maloto sy izay olona manao zava-maharikoriko sy mamitaka.+ Fa izay voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry, ihany no hiditra ao.+

Fanamarihana

Na: “azo atokisana.”
Na: “no A sy Z.” Litera voalohany sy farany amin’ny abidy grika ny Alfa sy Omega.
Na: “tsy andoavam-bola.”
2 200 km eo ho eo. 1 stadio = 185 m. Jereo F.F. B14.
64 m eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Jereo F.F. A5.