Hijery ny anatiny

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Manana Aretina Mitaiza Aho?

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Manana Aretina Mitaiza Aho?

Valiny ara-baiboly

 Eny. Mikarakara an’izay mpanompony marary Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany.” (Salamo 41:3) Misy zavatra telo afaka manampy anao ireto raha manana aretina mitaiza ianao:

  1.   Mangataha hery amin’Andriamanitra. Hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” ianao amin’izay, ka hahavita hiaritra sy tsy hanahy be loatra.—Filipianina 4:6, 7.

  2.   Miezaha ho falifaly foana. Hoy ny Baiboly: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana, fa ny fahakiviana kosa mahamaina taolana.” (Ohabolana 17:22) Miezaha ho tia vazivazy. Tsy halahelo be loatra ianao raha manao izany sady ho salama tsara koa.

  3.   Manàna fanantenana. Raha manana fanantenana ianao, dia ho falifaly foana na dia manana aretina mitaiza aza. (Romanina 12:12) Milaza ny Baiboly fa amin’ny hoavy dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’” (Isaia 33:24) Hositranin’Andriamanitra ny aretina mitaiza, izay tsy vitan’ny dokotera ankehitriny ny manasitrana azy. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa tsy hihantitra toy ny amin’izao intsony ny olona amin’izany fa hihatanora indray. Hoy ny Joba 33:25: “Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora, ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.”

 Fanamarihana: Miaiky izahay Vavolombelon’i Jehovah hoe manampy Andriamanitra. Mitsabo tena any amin’ny dokotera koa izahay raha manana aretina mitaiza. (Marka 2:17) Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana anefa izahay, fa ilay marary ihany no hanapa-kevitra ny amin’izany.