Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azonao Atao Raha Lasa Narary Tampoka Ianao na ny Olona Akaiky Anao?

Inona no Azonao Atao Raha Lasa Narary Tampoka Ianao na ny Olona Akaiky Anao?

 Niharatsy tampoka ve ny fahasalamanao? Raha izany, dia azo antoka fa hainao tsara hoe tena mahakivy sy mandrera-tsaina izany hoe marary izany. Ny vola lany koa tsy lazaina intsony. Inona àry no hanampy anao hiatrika ny aretinao? Inona no azonao atao mba hanampiana ny havanao na ny namanao marary? Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly, nefa misy toro lalana azonao arahina ao mba hahavitanao hiatrika ny olana mahazo anao.

Soso-kevitra hanampy anao hiatrika ny aretinao

  •   Manatòna dokotera

     Izay lazain’ny Baiboly: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”—Matio 9:12.

     Fampiharana: Manatòna dokotera raha ilaina izany.

     Andramo izao: Tadiavo izay fitsaboana tsara indrindra takatry ny volanao. Tsara kokoa indraindray raha tsy dokotera iray ihany no hatonina. (Ohabolana 14:15) Mifampiresaha tsara amin’ireo mpitsabo anao. Miezaha hahazo tsara ny zavatra lazainy, dia hazavao tsara koa hoe ahoana ny fisehon’ilay aretina. (Ohabolana 15:22) Fantaro ny mombamomba an’ilay aretinao, ohatra hoe inona avy ny fitsaboana azonao arahina. Rehefa fantatrao tsara ny momba an’ilay aretina, dia ho vonona kokoa hiatrika an’ilay izy ianao ary ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara.

  •   Miezaha hanana fahazarana tsara

     Izay lazain’ny Baiboly: “Mahasoa ... ny fampiasan-tena.”—1 Timoty 4:8.

     Fampiharana: Handray soa ianao raha manana fahazarana tsara, ohatra hoe manao fanatanjahan-tena matetika.

     Andramo izao: Manaova fanatanjahan-tena matetika, mihinàna sakafo mahasalama, ary miezaha ho ampy torimaso tsara. Marina fa mety mbola mizatra an’ilay aretinao ianao. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa tsy very maina ny ezaka ataonao mba hanana fahazarana tsara. Mila jerenao anefa sao dia vao mainka hankarary anao ilay fanatanjahan-tena ataonao, na tsy mifanaraka amin’ny fitsaboana arahinao.

  •   Mangataha fanampiana amin’ny hafa

     Izay lazain’ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

     Fampiharana: Afaka manampy anao hiatrika olana ny namanao.

     Andramo izao: Miresaha amin’ny namana iray itokisanao sy azonao iresahana an’izay ao am-ponao. Hanampy anao hizaka ny hakiviana sy ny adin-tsaina vokatr’ilay aretina ny miresaka hoatr’izany. Mety te hanampy anao amin’ny fomba hafa koa ny havanao sy ny namanao, saingy tsy hainy hoe inona no azony atao. Resaho tsara amin’izy ireo àry hoe ahoana no azony anampiana anao. Aza manantena zavatra be loatra, ary ankasitraho foana izay fanampiana omeny. Tadidio anefa hoe na dia te hanampy anao aza ny namanao, dia mety hisy zavatra mila feranao ihany, ohatra hoe impiry ry zareo no afaka mamangy anao, ary tokony haharitra hafiriana ilay izy. Mety ho reraka be mantsy ianao raha misesisesy be ny fahatongavany, na mijanona ela be loatra ry zareo.

  •   Miezaha ho falifaly sy be fanantenana

     Izay lazain’ny Baiboly: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana, fa ny fahakiviana kosa mahamaina taolana.”—Ohabolana 17:22.

     Fampiharana: Tsy ho kivy loatra ianao sady ho tony, raha miezaka ny ho falifaly sy manantena foana hoe hihatsara ny fahasalamanao.

     Andramo izao: Mifantoha amin’ny zavatra azonao atao, fa tsy amin’ny zavatra tsy vitanao, amin’izao ianao mizatra an’ilay aretina izao. Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa, na mampitaha ny zavatra vitanao izao tamin’ianao mbola tsy narary. (Galatianina 6:4) Miezaha hanana tanjona azo tratrarina. Hanampy anao ho falifaly sy ho be fanantenana izany. (Ohabolana 24:10) Manaova zavatra ho an’ny hafa, raha azo atao. Mahasambatra mantsy ny manao zavatra ho an’ny hafa, satria tsy dia hieritreritra zavatra mahakivy ianao.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Hanampy anao hiatrika ny aretinao ve Andriamanitra?

 Asehon’ny Baiboly fa afaka manampy ny olona iray hiatrika ny aretiny i Jehovah Andriamanitra. a Marina fa tsy afaka manantena isika hoe hanao fahagagana Andriamanitra ka hanasitrana antsika. Tena manampy an’ireo mpanompony marary anefa Izy. Ahoana no ataony?

 Ampiany hilamin-tsaina. Afaka manome “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” i Jehovah. (Filipianina 4:6, 7) Lasa milamin-tsaina ny olona iray rehefa manana an’io fiadanana io, ka tsy mitebiteby loatra. Ireo olona mivavaka aminy sy miresaka aminy izay mampiady saina azy no omen’Andriamanitra an’io fiadanana io.—1 Petera 5:7.

 Omeny fahendrena. Afaka manome antsika fahendrena i Jehovah, mba hanampiana antsika handray fanapahan-kevitra tsara. (Jakoba 1:5) Lasa manana an’io fahendrena io ny olona iray, rehefa mianatra ny toro lalana ao amin’ny Baiboly ary mampihatra azy ireny.

 Omeny fanantenana mampahery. Mampanantena i Jehovah fa amin’ny hoavy dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’” (Isaia 33:24) Izany fanantenana izany no manampy olona maro tsy ho kivy be sy hifantoka amin-javatra mahafaly foana na faran’izay marary aza izy.—Jeremia 29:11, 12.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.