Ho An’ny Kolosianina 1:1-29

  • Fiarahabana (1, 2)

  • Fisaorana noho ny finoan’ny Kolosianina (3-8)

  • Nangataka i Paoly mba handroso ara-panahy izy ireo (9-12)

  • Ny anjara asan’i Kristy (13-23)

  • Niasa mafy i Paoly mba hahasoa ny fiangonana (24-29)

1  Avy amin’i Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy Timoty+ rahalahintsika.  Ho an’ny olona masina sy ireo rahalahy tsy mivadika any Kolosia, izay tafaray amin’i Kristy: Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika mba haneho hatsaram-panahy miavaka* aminareo sady hanome fiadanana anareo!  Misaotra an’ilay Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika foana izahay, rehefa mivavaka ho anareo.  Henonay mantsy ny finoanareo an’i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,  noho ilay fanantenana notehirizina ho anareo any an-danitra.+ Efa henonareo ny momba an’io fanantenana io taloha, rehefa notorina taminareo ny fahamarinana, izany hoe ilay vaovao tsara  tonga tany aminareo. Ary mamoa io vaovao tsara io sady miparitaka eran’izao tontolo izao+ hoatran’ny atỳ aminareo koa, nanomboka tamin’ny andro nahenoanareo sy nahafantaranareo tsara an’ilay tena hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra.  Izany no nianaranareo tamin’i Epafra,+ mpiara-manompo malalantsika sady tsy mivadika ary mpanompon’i Kristy misolo tena anay.  Izy koa no nampahafantatra anay hoe ampian’ny fanahy masina haneho fitiavana ianareo.*  Izany koa no nahatonga anay hivavaka sy hangataka ho anareo foana,+ nanomboka tamin’ny andro nandrenesanay an’izany. Nangataka izahay mba ho fantatrareo tsara+ ny sitrapony, ka hanana ny fahendrena rehetra ianareo, sady hahazo an’izay tiana holazaina noho ny fanampian’ny fanahy masina.+ 10  Amin’izay dia hanome voninahitra an’i Jehovah* ny fitondran-tenanareo, ka hampifaly azy tanteraka ianareo, sady hamokatra voa tsara ka hanao ny tsara foana, ary vao mainka hahalala tsara an’Andriamanitra.+ 11  Enga anie Andriamanitra hampiasa ny heriny be voninahitra,+ ka hanatanjaka anareo sy hanome anareo an’izay hery rehetra ilainareo! Amin’izay ho vitanareo ny hiaritra ny zava-drehetra, sady hanam-paharetana sy ho falifaly. 12  Ary isaory ny Ray fa izy no nanampy anareo ho mendrika hahazo amin’ilay lovan’ny olona masina,+ izay mandeha ao amin’ny mazava. 13  Namonjy antsika tamin’ny fahefan’ny haizina izy,+ dia namindra antsika any amin’ny fanjakan’ilay Zanany malalany. 14  Tamin’ny alalan’io Zanaka io no nanafahana sy nanavotana antsika, izany hoe nahazoantsika famelan-keloka.+ 15  Izy no endrik’ilay Andriamanitra* tsy hita maso,+ ary izy no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.+ 16  Izy mantsy no nampiasain’Andriamanitra rehefa noforonina ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, izany hoe ny zavatra hita sy ny tsy hita,+ na fiandrianana izany, na fitondrana, na fanjakana, na fahefana. Izy no nampiasaina mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra,+ ary noforonina mba ho azy izany. 17  Nisy talohan’ny zavatra hafa rehetra koa izy,+ ary izy no nampiasaina mba hampisy ny zavatra rehetra. 18  Izy no loha amin’ilay vatana, izany hoe ny fiangonana.+ Izy no fiandohana sady lahimatoa amin’ny maty.+ Izy àry no voalohany amin’ny zava-drehetra. 19  Tian’Andriamanitra hanana ny toetrany rehetra amin’ny fomba feno mantsy i Kristy.+ 20  Tamin’ny alalan’i Kristy koa, izany hoe tamin’ny alalan’ny ra+ nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana,* no nampihavanan’Andriamanitra ny zavatra hafa rehetra aminy,+ na ny zavatra etỳ an-tany na ny zavatra any an-danitra. 21  Lavitra an’Andriamanitra tokoa ianareo taloha sady fahavalony, satria nifantoka tamin’ny fanao ratsy ny sainareo. 22  Nampihavanin’Andriamanitra taminy ianareo izao, tamin’ny nahafatesan’ilay nanao sorona ny vatany nofo aman-dra. Dia amin’izay ianareo ho masina sy tsy misy tsiny ary tsy misy hokianina rehefa atolotra eo anatrehany.+ 23  Mila manam-pinoana+ foana anefa ianareo vao hitranga izany, ary mila miorina tsara eo amin’ilay fototra,+ ka tsy mihozongozona+ na hoe lasa tsy manantena intsony* an’ilay vaovao tsara efa henonareo sady notorina tamin’ny zavaboary rehetra etỳ ambanin’ny lanitra.+ Ary lasa mpanompo mitory an’io vaovao tsara io izaho Paoly.+ 24  Faly aho izao satria mijaly mba hahasoa anareo,+ ary miaritra ny fijalian’i Kristy aho, dia fijaliana mbola tsy niaretan’ny vatako, mba hahasoa an’ilay vatany,+ izany hoe ny fiangonana.+ 25  Lasa mpanompon’izany fiangonana izany aho, mifanaraka amin’ilay andraikitra+ nankinin’Andriamanitra tamiko mba hahasoa anareo, dia ny hamita ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, 26  anisan’izany ilay zava-miafina masina+ nafenina efa hatramin’ny fotoana nisian’izao tontolo izao*+ sy hatramin’ireo taranaka tany aloha. Efa naharihary tamin’ny olony masina kosa anefa ilay izy izao.+ 27  Ary tian’Andriamanitra hampahafantarina azy ireo ilay zava-miafina masina,+ izay harena be voninahitra, sady tiany hampahafantarina eo amin’ireo firenena koa. Ilay zava-miafina dia hoe tafaray aminareo i Kristy, izany hoe manantena ianareo fa homem-boninahitra miaraka aminy.+ 28  Izy no torinay, ka mananatra ny olona rehetra izahay sady mampianatra ny olona rehetra amim-pahendrena.* Amin’izay dia olona matotra sy tafaray amin’i Kristy+ no hatolotray ho an’Andriamanitra. 29  Izany no tena mahatonga ahy hiasa mafy sy hiezaka mafy noho ilay heriny tena miasa be ato anatiko.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “ny fitiavanareo ao amin’ny fanahy.”
Jereo F.F. A5.
Izany hoe mitovy toetra amin’Andriamanitra.
Jereo F.T.
Na: “voatarika hiala amin’ny fanantenana.”
Na: “nisian’ireo rafitra nisy teto amin’izao tontolo izao.” Jereo F.T. “Izao tontolo izao.”
Na: “amim-pahendrena tanteraka.”