Salamo 10:1-18

  • Mpanampy an’izay tsy misy mpiaro i Jehovah

    • Mirehareha ny ratsy fanahy hoe: “Tsy misy izany Andriamanitra izany” (4)

    • Miantehitra amin’i Jehovah ny tsy misy mpiaro (14)

    • ‘Mpanjaka mandrakizay i Jehovah’ (16)

ל [Lameda] 10  Nahoana ianao no mijoro eny lavitra eny, Jehovah ô? Nahoana no miafina ianao amin’ny fotoam-pahoriana?+   Manambony tena ny ratsy fanahy ka enjehiny ny tsy misy mpiaro.+Ho voafandriky ny tetika nataony anefa izy.+   Fa mirehareha momba ny faniriany feno fitiavan-tena ny ratsy fanahy,+Ary mitso-drano an’ilay* tsy mety afa-po;נ [Nona]Maniratsira an’i Jehovah izy.   Miavonavona ny ratsy fanahy ka tsy mba manadihady;Izao ihany no ao an-tsainy: “Tsy misy izany Andriamanitra izany.”+   Mahomby foana izay ataony,+Nefa tsy takatry ny sainy ny didim-pitsaranao.+Esoesoiny* daholo ny fahavalony.   Hoy izy any am-pony any: “Tsy mba hangozohozo* aho.Tsy hisy loza hanjo ahy mihitsy,+Hatrany amin’ny taranako fara aman-dimby.” פ [Pe]   Feno ozona sy lainga ary fandrahonana ao am-bavany;+Fampahoriana sy fampijaliana no ao ambany lelany.+   Miafina mba hanafika eny akaikin’ny tanàna kely izy;Avy ao amin’ny toeram-piafenany izy no mamono ny tsy manan-tsiny.+ ע [Aina] Mitilitily an’izay olona azony asiana izy.+   Mamitsaka ao amin’ny toeram-piafenany izy, toy ny liona ao amin’ny fonenany.*+ Mamitsaka hisambotra an’ilay tsy misy mpiaro izy. Azony ilay tsy misy mpiaro rehefa sintoniny hikombona ny haratony.+ 10  Torotoro sy voahosihosy izay azony;Lasa eo ambany fifehezany* ireo marefo. 11  Hoy izy any am-pony any: “Efa nanadino Andriamanitra.+ Efa nihodina tsy nijery izy. Tsy mahita mihitsy izy.”+ ק [Kôfa] 12  Mitsangàna, Jehovah ô!+ Ingao ny tananao, Andriamanitra ô!+ Aza hadinoina ireo tsy misy mpiaro.+ 13  Nahoana no maniratsira an’Andriamanitra ny ratsy fanahy? Hoy izy any am-pony any: “Tsy hanao ampamoaka ahy ianao.” ר [Resa] 14  Tena hitanao anefa ny zava-tsarotra sy ny fahoriana. Jerenao izany ka raisinao an-tanana.+ Ianao no ianteheran’ny marefo;+Ianao no mpanampy ny kamboty ray.+ ש [Shina] 15  Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy sy ny olon-dratsy.+Amin’izay rehefa mikaroka ny faharatsiany ianao,Dia tsy hahita an’izany intsony. 16  Mpanjaka mandrakizay mandrakizay i Jehovah.+ Ripaka tsy misy eto an-tany ireo firenena.+ ת [Tao] 17  Fa hohenoinao kosa, Jehovah ô, ny fitalahoan’ny mpandefitra.+ Hanatanjaka ny fony+ ianao sady hihaino tsara azy.+ 18  Hanome rariny ho an’ny kamboty ray sy izay ampijalina ianao,+Mba tsy hampatahotra azy ireo intsony ny olombelona mety maty, dia ny olona etỳ an-tany.+

Fanamarihana

Na mety hoe “Mitso-drano ny tenany ilay.”
Na: “Hamavoiny.”
Na: “hivembena.”
Na: “ao anaty kirihitra.”
Na: “hohony mafy be.”