Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Malahelo Be ve Ianao Rehefa Tsy Misy Namana?

Malahelo Be ve Ianao Rehefa Tsy Misy Namana?

OLANA

“Nana-namana roa vavy izay aho, dia izy roa foana no miaraka fa izaho tsy noraharahain-dry zareo mihitsy. Matetika aho no maheno hoe nahafinaritra be ny zavatra nataon-dry zareo. Nisy fotoana aho niantso tany an-tranon’ilay namako, dia olon-kafa no nandray. Tao koa ilay ankizivavy iray tamin’izay, ary henoko tsara ry zareo niresaka sady nihomehy. Naheno an-dry zareo falifaly be aho dia vao mainka nalahelo satria tsisy namana.”—Faniry. *

Efa mba nalahelo ve ianao satria tsy nisy namana? Na nahatsiaro hoe tsy noraharahain’ny olona? Misy torohevitra afaka manampy anao ao amin’ny Baiboly. Misy zavatra sasany tsara ho fantatrao anefa aloha.

TSARA HO FANTATRAO

Tsy ianao irery no tratran’izany. Mety ho hoatr’izany koa, na dia ireny ankizy be mpitia ireny aza. Nahoana? Satria tsy ny isan’ny namana no tena zava-dehibe fa hoe tena tia anao ve ry zareo. Na be dia be aza mantsy no milaza ho namanao, nefa tsy tena namanao akory, dia hoatran’ny tsy mana-namana ihany ianao.

Mankarary ny malahelo lava. Nisy fanadihadiana 148 natao, ka hitan’ny mpikaroka fa mety ho faty tanora ny olona iray raha tsy dia mifandray aman’olona. Tena mankarary ilay izy satria “mitovy amin’ny mifoka sigara 15 isan’andro” ary ‘mbola ratsy kokoa noho ny matavy loatra.’

Mety tsy handinika tsara ianao. Raha maniry mafy hana-namana ianao, dia mety hekenao ho namana daholo ity olona rehetra ity. Hoy i Tojo: “Rehefa ilay malahelohelo iny ianao, dia tena mba te hana-namana mafy. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Tsy aleo ve mihinan-kely toy izay mandry fotsy e? Tsy aleo mba mana-namana ihany na dia tsy tena namana tsara aza, toy izay tsisy mihitsy?’ Hahita olana amin’izany anefa ianao.”

Tsy voatery ho vahaolana ny fitaovana maoderina. Hoy i Narindra: “Afaka mandefa SMS sy e-mail amin’olona zato isan’andro aho, nefa mbola hoatran’ny tsy mana-namana ihany.” Hoy koa i Tahina: “Hoatran’ny hoe tsakitsaky ny SMS, fa ny miresaka mivantana no tena sakafo. Marina fa tsara ny tsakitsaky, nefa ny sakafo no tena mahavoky.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Aza tonga dia alefa lavitra ny saina. Eritrereto, ohatra, hoe sendra hitanao ny sarin’ny namanao tany amin’ny fety kely iray, nefa ianao tsy nisy nanasa. Tonga ve ianao dia hiteny hoe tsy tian-dry zareo ianao? Tsy aleonao ve mieritreritra hoe mba nisy antony matoa ianao tsy nasaina? Aza tonga dia manome tsiny an-dry zareo àry, fa mandiniha aloha. Ny zavatra eritreretinao ihany matetika no mahatonga anao halahelo, fa tsy dia ilay zava-misy loatra.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 15:15.

Aza manitatra loatra. Rehefa malahelo ianao, dia mety hiteny hoe: ‘Izaho tsy mba misy manasa izany mihitsy’, na koa hoe: ‘Mihatakataka amiko daholo ny olona.’ Vao mainka anefa ianao halahelo be raha izany no eritreretinao. Izao mantsy: Raha mihevitra ianao hoe tsy tian’ny olona, dia aleonao mitokantokana. Rehefa mitokantokana anefa ianao, dia lasa malahelo be. Ary rehefa malahelo ianao, dia mieritreritra hoe tsy tian’ny olona mihitsy. Dia hoatr’izay foana.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 18:1.

Miezaha hinamana amin’olona efa zokinao. Resahin’ny Baiboly ny tantaran’i Davida sy Jonatana. Mpinamana be ry zareo nefa 30 taona ny elanelany. Afaka minamana amin’olona efa zokinao koa ianao. (1 Samoela 18:1) Hoy i Felana, 21 taona: “Lasa tiako ny minamana amin’olona efa zokiko. Zokiko folo taona mahery ry zareo, nefa mpinamana be mihitsy izahay. Tiako ry zareo satria matotra tsara sady mahay mandanjalanja.”—Toro lalan’ny Baiboly: Joba 12:12.

Tadidio fa tsara koa ny irery indraindray. Tonga dia malahelo ny ankizy sasany raha vao izy irery no eo fa tsy miaraka amin’ny namana. Mahafinaritra koa anefa ny hoe mba irery indraindray. Hoatr’izany i Jesosy. Tia niaraka tamin’olona izy, nefa tiany koa ny nandeha irery tamin’ny fotoana sasany. (Matio 14:23; Marka 1:35) Afaka manao an’izany koa ianao. Aza tonga dia malahelo raha ohatra ka ianao irery no eo, fa hararaoty izany fotoana mangina izany mba hisaintsainana ny zavatra tsara anananao. Ho tsara toetra kokoa ianao raha manao an’izany, ka vao mainka te hinamana aminao ny olona.—Ohabolana 13:20

^ feh. 4 Novana ny anarana sasany ato.